Henjanin'ny Fiombonambe Eoropeana Ny Fepetra Fanarahamaso Ny Fanondranana Teknolojia

“Tsy azo ekena mihitsy ny hoe hampiasàn'ny fitondrana Siriana sy Iraniana ny teknolojia Eoropeana mba hanitsakitsahana ny zon'olombelona”. Marietje Schaake

Efa niady hatramin'ny taona maro ireo mafàna fo manohitra ny fanondranana teknolojia ho an'ireo firenena mpamoritra. Mba hijerena sy hanaraha-maso ireo olom-pirenena ety anaty aterineto, ireo fitondrana toy ny an'i Mubarak  tao Ejipta na ny an'i Assad tao Siria dia niankina tamin'ny teknolojia Tandrefana. Ny failo farany navoakan'ny Wikileaks momba an'i Syria dia mampibaribary fa mitohy ny fandraisana anjaran'ireo orinasa Tandrefana amin'ny famoretana ny olom-pirenena Siriana na eo aza ny famaizana sy ny tsindry iraisam-pirenena.

Fanenjanana fepetra

Ankehitriny dia toa sahala amin'ny niombon-kevitra ihany ny Fiombonambe Eoropeana nony farany fa hihetsika amin'ny fanenjanana ireo fepetra izay nahatonga ireny fanondranana ireny hisy. Tamin'ny Janoary ny Fiombonambe Eoropeana dia nanambara ny fepetra No. 36/2012 mandràra ny fanondranana teknolojia fanaraha-maso mankany Syria. Voarakotr'io avokoa ny “varotra, fikojakojàna na fampanaraham-penitra  ny foto-drafitrasa antsoina hoe ‘deep-packet inspection’ – fitsikilovana ny aty lalin'ny mailaka, ny fanimbàna solosaina baikoana lavitra, ny famantàrana ny olona miresaka, ny fisamborana SMS eny am-panidinana,” ankoatra ireo teknolojia hafa.

Anatin'ny tetikady izay nambaran'ny Fiombonambe Eoropeana ho toy ny “fikendrena hametraka vatofantsika ary hampiroborobo ny fanandràtana sy ny fiarovana ny fahalalahana dizitaly”, ireo parlemantera dia mangataka fifehezana matotra kokoa ny teknolojia manana fiasa toy ny sabatra roa lela mba hisorohana ny tsy hampiasan'ireo fitondràna mpamoritra azy io. Saingy inona moa no dikan'izany ?

  • Hoterena ireo firenena mpikambana ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana hanakana ny fanondranana teknolojia mankany amin'ireo firenena miatrika fepetra ‘miaramila’.
  • Mila mangataka fahazoan-dàlana hanondrana ireo orinasa raha toa eritreretin-dry zareo fa manana antony mazava izy ka tsy hanohintohina ny zon'olombelona ny fanondranana ataony.

Ahoana no hametrahana azy io?

Araka ny voalazan'ny tolo-kevitr'i Marietje Schaake, Danoà solombavambahoaka Eoropeana, ny Kaomisiona Eoropeana dia takiana hanome lisitra havaozina hanaraka hatrany ny zava-misy ka ahitàna ireo vokatra sy firenena tratry ny fameperana. Foto-drafitrasa Eoropeana manara-penitra iray no tokony hiantoka fa fantatry ny Fiombonambe Eoropeana ny hoe vokatra toy inona no namidy tamin'iza, sy raha toa ka tena saropady ilay fifampivarotana.

Vonona tokoa hirotsaka amin'io ve ny Kaomisiona Eoropeana? “Tokony handray ny dingana rehetra ilaina ny Kaomisiona mba hametrahana ireny fanavaozana fampanarahana ny toetrandro ireny”, hoy i Schaake nanome toky ny Global Voices Advocacy (GVA). “Raha tsy izay no misy, dia izahay no hampahatsiahy azy.

Naneho ny faniriany ny GVA ny mba hampangarahara araka  ny tokony ho izy ity dingana ity. Noarahabain'i Schaake ny fandraisana anjara mavitriky ny olon-tsotra hiantohana izay haha-tafapetraka ity fepetra ity marina:

Mahafaly ahy ny hampita izay soso-kevitra avy any amin'ny olon-tsotra ho any amin'ireo tomponandraikitra. Manampy mihitsy rehefa maro ny olona no manandratra ny feony manohitra ny varotra fitaovam-piadiana dizitaly. Ho an'ny olona maro aty Eoropa dia sarotra ny hàka sary an-tsaina ny hoe tena resaka miankina aman'aina ara-bakiteny ny  teknolojia hampiasaina any Syria, Iran, ary ireo firenena hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.