Trano Famakiam-boky Ho Toy Ny Teboka Fiaingana Hamelomana Ny Fiteny Tz'utujil

Hita ao afovoan-tanànan'i San Juan la Laguna, Goatemala, ny Community Library Rija'tzuul Na'ooj dia matetika no mikotrokotry ny hetsika. Amin'ny zoro iray ao amin'ilay trano famakiam-boky, faritra iray no manome habaka ho an'ireo ankizy mpianatra hahafahany manao lalao manita-tsaina. Amin'ny zoro iray hafa ao amin'ny efitrano fototra, mihaino amim-pahalinana an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mamaky tantara amin'ny feo avo ireo efa somary lehibe mandritra ny fotoana natao ho an'ny tantara. Ary indray mandeha isan-kerinandro, misy zokiolona avy eo an-tanàna tonga mipetraka miaraka amin'ireo ankizy hizara ampahany kely amin'izay fahendrena norantoviny nandritra ny androm-piainany.

The exterior of the Community Library Rija'tzuul Na'ooj. Photo by Community Library Rija'tzuul Na'ooj. Used with permission……a façade extérieure de la bibliothèque communautaire Rija'tzuul Na'ooj. Photo de la bibliothèque communautaire Rija'tzuul Na'ooj. Reproduite avec permission

Kanefa, raha henoina tsara, dia mety handre ireo ankizy miara-milalao amin'ny fitenin-dreniny Tz'utujil. Mazàna ireo boky vakiana mandritra ny fotoana natokana ho an'ny tantara no vakiana amin'io fiteny Mayan ity. Ary ireo ray aman-drenibe izay manokana fotoana hirosaka an-tsitrapo amin'ny Pixab’, manome vintana ho fampianarana ny tanora ireo fomba nentim-paharazana sy izay mampiavaka ny mponina  niampita nifandimby tamin'ireo andian-taranaka teo amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo teratany Tz'utujil.

Ny tantara am-bava iarahana amin'ireo zokiolona eo an-tanàna. Sary avy amin'ny Community Library Rija'tzuul Na'ooj. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ny anaran'uilay trano famakiam-boky dia azo adika h toy izao “voam-pahendrena” ary mijoro ao amin'ny iray amin'ny tanàna isan'ny bitika indrindra nefa maresaka manamorona ny farihy Atitlán. Ity trano famakiam-boky ity koa dia tafiditra ao anatin'ny tambajotra Riecken an'ireo trano famakiam-boky manerana an'i Goatemala sy Honduras, izay ahitàna trano famakiam-boky miisa telo voafidy ho tetikasa Xela Civic Libraries mahazo ny fanohanan'ny Rising Voices.

Ity fifantohana amin'ny fametrahana ny fiteny Tz'utujil ho eo anivon'ny hetsiky ny trano famakiam-boky   ity dia ezaka entanin'ny fahatsiarovan-tena te-hanidnry ny maha-zava-dehibe azy mandritra ny fiainana  isanandro sy ny tolotra omena andavanandro. Ireo mpandraharaha ao amin'ny trano famakiam-boky dia namporisihana hiteny amin'ireo mpampiasa azy, indrindra fa ireo ankizy, amin'ny fitenin-dreny. Araka ny nambaran'ny talen'ilay trano famakiam-boky, Israel Quic, efa misy sahady ny vokatra azo tsapain-tànana tsinjo noho ireo ezaka ireo. Hitany fa nanana fahatokiana kokoa ireo ankizy madinika amin'ny fampiasana ilay fiteny isanandro, indrindra fa rehefa mifanerasera amin'ireo zokiolona eny an'araben'i  San Juan.

Raha toa ny ankamaroan'ireo ezaka ho famelomana nilay fiteny ka miseho amin'ny fifaneraserana am-bava, tahaka ny fifampiresahana na famakiana amin'ny feo avo, misy koa ireo ezaka sasany amin'nyalàlan'ny tranom-boky handrisihana ny famakiana sy fanoratana irenyfiteny Mayan ireny. Nitantana ny tetikasa izay namokatra boky valo mampiasa ny fiteny roa i Quic, izay noforonina tamin'ny fampitambarana ireo tantara am-bava avy amin'ireo zokiolona teo an-tanàna. Ireny tantara ireny avy eo no navadika sy nadika ho amin'ny fiteny Espaniola.

Na izany aza, nirotsaka ihany koa i Quic mba hanangana hetsika izay hampiroboroboana ny fampiasàna ny fiteny Tz'utujil eo amin'ireo samy mpampiasa ny trano famakiam-boky tamin'ny alàlan'ny fanitarana ny ezaka fampiasana ilay fiteny ety anivon'ny aterineto. Nanombika tamin'ny bilaogin'ny trano famakiam-boky, izay lasa habaka fanandramana ny famoahana lahatsoratra amin'ny fiteny roa tao anatin'ny bilaogy. Ohatra, ity lahatsoratra ity izay manome ny zavatra tsy maintsy fantatra ho an'ireo mponina ao an-tanàna momba ny hoe inona no tokony hatao raha sanatia misy tranganà orambe mivatravatra:

PIXAAB’ TOQ K'O Q'AQALJAB’

Katk'eje’ kaan paan awochooch, kateleel ja wi qas rajawaxiik chi aawe.
Ma tak'iyaqeel ta ja mees pa b'eey k'in pa rub'eey ya’.
Ma katt'iil apoon ta chi ruuchii’ nimaq taq rub'eey ya’, onwi chuchi’ chooy toq k'ojab’.
Ta to'oo’ jun awach'alaal, awinaaq ja k'orpoqonaal nuutij.
Ta k'olo’ kaan akant'iil, akantela, ab'ateriya, aradio ja nakoj pa taq q'aqaljab’.
Ta poq'orsaaj ja ya’ natij utz k'a ma k'o ta yob'ilaal npit chawiij.
Ta k'olo’ kaan tz'uuj rixin jab’, xarwari’ ta kuchu’ riij utz k'a ma ti tz'ilori.
Ak'ama’ aayaa’ b'a ya'oon wi’ rub'ixiik rumaal ja Q'atb'al Tziij.

TOROMARIKA MANDRITRA NY ANDRON'NY ORA-MIKIJAMijanòna ao an-trano, aza mivoaka raha tsy tena ilaina.
Aza ariana eny an-dàlana na any anaty tatatra fikorianan'ny ranon'orana ny fako.
Aza mandeha manakaiky toerana mampidi-doza toy ny tany mihotsak, renirano, na farihy izay misondrotra haavo.
Ampio ireo mpiray vodirindrina mila fanampiana.
Ataovy mora raisina ny labozia, jiro fanao am-paosy, vatoaratra, vata fandraisam-peo raha sendra misy hitairana.
Tantavàno na ampangotrahy mandritra ny 15-20 mn ny rano alohan'ny hisotroana azy.
Manangòna ranon'orana hosotroina, saingy sarony tsara ilay rano.
Eny amin'ny toerana nanomezan'ny manampahefana alàlana ihany mantsaka.

Ho fanampin'ny bilaogy, Quic koa dia namorona pejy Facebook natokana ho amin'io fiteny io. Nambarany fa ireo mpampiasa Facebook avy amin'ireo tanàna mpifanolo-bodirindrina dia nifandray sy nandray anjara tao amin'ny pejy tamin'ny alàlan'ny fanehoan-kevitra sy fampakàrana samihafa. Quic koa dia nanomboka nibitsika tamin'ny alàlan'ny kaontiny manokana (@maisquick) tamin'ny fanantenana fa handrisika ireo hafa izany mba hibitsika amin'ny fiteny Tz'utujil.

Israel Quic mitsidika ny foiben-toeran'ny Facebook. Sary avy amin'i Quic ary nampiasaina nahazoana alàlana.

Ato anatin'ny fotoana vitsy, manantena i Quic ny hikarakara fihaonana ao amin'ny trano famakiam-boky ho an'ireoizay nandray anjara tamin'ny habaka virtoaly mba ho afa-mifanatri-tava mivantana, ka ao no hifanakalozan'izy ireo hevitra momba ny fomba hamelomana bebe kokoa ity fiteny Mayana ity amin'ny fampiasàna ny teknolojia dizitaly sy ny mediam-bahoaka.

Indro misy feo voarakitra amin'ny fiteny Tz'utujil, ka ao anatin'izany i Quic dia manasa ny olona hitsidika ny “Community Library Rija'tzuul Na'ooj” ao San Juan la Laguna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.