Pakistana: Voaroaka Tao LUMS ny Dr. Pervez Hoodbhoy

Noesorina tao amin'ny LUMS (Oniversite Lahore momba ny Fitantanana Ara-tsiansa) ny Dr. Pervez Hoodbhoy, maintimolalin'ny MIT sy fizisiana ambony fanta-daza. Tsy hohavaozina amin'ny fe-potoana manaraka ny taratasim-pifanekena arak'asan'ny Dr. Hoodbhoy izay tokony hanomboka amin'ny Janoary-2013. Nanjary vaovao malaza tao amin'ny Twitter ny taratasy fifanekena arak'asan'i Dr. Hoodbhoy.

Fijerin'i Dr. Hoodbhoy

Tao amin'ny LUMS, tompon-kevitra tamin'ny fampianarana antsoina hoe “Siansa sy ny Filaminana Manerantany Ankehitriny” izy. Miresaka momba ny fifandraisana eo amin'ny siansa sy ny finoana eo amin'ny tontolo ianantsika ankehitriny ny fampianarana. Anton'ny fampidirana ity fampianarana ity ny hanentsina ny elanelana eo amin'ny mpianatra siansa sy zavakanto ao amin'ny LUMS.

Manantena ny Dr. hoodbhoy fa anisan'ny antony tamin'ny fanesorana azy amin'ny asany ity fampianarana ity. Tamin'ny taratasy nosoratany ho an'Andriamatoa Adil Najam (filoha-lefitra ao amin'ny LUMS), hoy izy nanoratra:

“Sanganehana aho tamin'ny fanapahan-kevitra tampotampoka, nandritra ny fivoriana tao anatin'izay taon-dasa izay, nampiasaina aho ary tsy nahalala ny anton'ny tsy hanavaozana ny taratasy fifanekena arak'asako. “

Nilaza i Hoodbhoy fa “tsy lojika” ny antony tsy hanavaozana ny taratasy fifanekena arak'asany. Hoy ny antony iray nilaza fa mandray karama be loatra izy! Ny antony hafa kosa milaza fa efa mihoatra ny 60 taona ny Dr. Hoodbhoy izay mifanohitra amin'ny politikan'ny LUMS ny fanavaozana ny taratasy fifanekena arak'asa. Amin'izany, nanambara i Hoodbhoy fa profesora maro ao amin'ny LUMS no efa maherin'ny 60 taona.

Misy ny antony hafa, araka ny voalazan'ny lahatsoratra, saingy na tsy dia mazava na mbola miteraka adihevitra hafa indray. Nofaranany tamin'ity fanamarihana manaraka ity ny taratasiny:

“Toa hitako fa na dia noforonina tsindraindray teny hatrany aza ny tsy hampitoerana ahy intsony ato  amin'ny LUMS, toa vao haingana no tapaka ny hevitra.”

 
Dr. Pervez Hoodbhoy. Copyright: Wikipedia

Dr. Pervez Hoodbhoy. Sary tao amin'ny Scularpakistan, Wikipedia

Fijerin'ny LUMS

Andriamatoa Adil Najam, filoha-lefitra ao amin'ny LUMS, nilaza fa tsy misy antony miafina no mahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Samihafa ny teboka nolazainy. Niresaka tamin'ny gazety Express Tribune, hoy izy nilaza:

“Tsy voaraoka, na nofoanana ny taratasy fifanekena arak'asa na noesorina i Dr Hoodbhoy,…. Mifarana amin'ny volana Desambara ny taratasy fifanekena arak'asany

Tsy nahavita nanome valinteny lojika mikasika ny taratasy nosoratan'i Pervez Hoodbhoy izy. Fa nanohy nankasitraka ny asa vitan'i Dr. Pervez Hoodbhoy izy ary nilaza fa sarotra ny nandraisana ny fanapahan-kevitra ary afaka manaiky na mandà izany fanapahan-kevitra izany ny tsirairay.

Fijerin'ny mpisera Twitter

Tsy miombon-kevitra amin'ity fanapahan-kevitra ity ny ankamaroan'ireo mpisera twitter:

@SarahMunir1: malahelo tanteraka noho ny adihevitry #LUMS sy #Hoodbhoy. Na inona tsara na inona ratsy, mampalahelo fa mila alamina ny roa tonta ankehitriny na dia ao amin'ny oniversite aza.

@zubartorwall: Mpamono ny hevitra tia tsikera! Ao amin'ny oniversite kanto ao Pakistan, mivondrona ao ny mpankafy Talibana. #Hoodbhoy #LUMS#QAU

Salman Sikandar nisioka hoe:

@SALSIKandar: Tsinontsinona i @beenasarwar #Hoodbhoy fa anarana rehareha amin'ny oniversite sy ny firenena. Mahamenatra i Pakistana sy LUMS.

Syed Ali Raza Shah nisioka hoe:

@legelSubtleties#Hoodbhoy no anarana ao an-toerana tonga ao an-tsaina aorian'ny Dr. Salaam. Ireo mpahay siansa roa lehibe manahirana ao amin'ity firenena ity. #Sad

Olona 1215 no nanao sonia ilay fanentanana an-tserasera izay manohana ny fanalavana ny fe-potoam-piasan'i Dr. Hoodbhoy ao amin'ny LUMS. Nampianatra fizika nandritra ny 36 taona i Dr. Pervez Hoodbhoy tao amin'ny Oniversite Qauid-e-Azam, ao Islamabad . Nahavita be tao amin'ny Kalinga ao amin'ny UNESCO ihany koa izy, nahazo loka Joseph A. Burton nataon'ny Fikambanana Amerikana Misahana ny Fizika (American Physical Society) , sy loka Abdus Salam tamin'ny Matematika . Saad Durrani naneho hevitra hoe:

Antenaiko fa hotazomintsika ato amin'ny oniversite izy, fa tsy haondrana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.