Porto Rico: Fomba Hafa Iandrandràna

Namoaka sarim-piaramanidina ao amin'ny kaontiny Instagram efa nihoatra ny enim-bolana izao ilay artista an-dalambe sady mpaka sary Porto Rikana Enrique Arce, izay fantatra amin'ny maha Aslan azy, (@ASLANTWIT) ary ao anatin'ny andiany “#parriba” (fiandrandràna) no hanaovany izany. Tiana hiarahana miasa amin'ny fiaraha-monina ny tetikasa amin'ny alalan'ny “Fihazàna Harena Miafina” [es] izay voazava amin'ny antsipirihany ao amin'ny bilaoginy. Misy ny voafantina isan-tsokajy no natonta printy sy napetaka ho tahaka ny taila, izay apetaka amin'ny rindrina sy ny fanorenana manerana an'i San Juan. Ireo izay tsara vintana mahita ny iray amin'ireny taila (tafo tanimanga ho an'izay tsy mahalala tsara ny teny malagasy) sy mandefa ny sary any amin'i Aslan miaraka amin'ny fanondroana ny toerana misy azy dia mahazo dika mitovy amin'iny taila iny ho azy ireo.

Nandritra ny tafatafa [mg] navoakan'ny Global Voices, nanamarika i Aslan: “Tsy dia nisy antony mazava loatra tamin'ny voalohany ny nanangonako [ny sary]. Tahaka izany mandra-pahatonga ahy hanangona isaky ny sokajiny izay nahatsapako fa mety hiteraka famoronan-javakanto vaovao mety hanaitra izao fitrandrahana izao. Mahaliana tokoa ny mahita fa hevitra tsotra tahaka ny miandrandra (na “p'arriba”) sy ny fakàna sarim-boromby dia anisan'ny mahasarika olona.”

Hitanao etsy ambany ny folo amin'izay tiako indrindra amin'ilay sarim-piaramanidina #parriba ao anatin'ilay tahirin-tsary efa maro dia maro mihoatra ny 600 amin'izao fotoana izao ary nahazoana alàlana avy amin'ilay artista avokoa. Araho ny asan'i Aslan raha mbola manohy manangona sary hafa hatrany izy amin'ny alalan'ny Twitter sy ny bilaoginy.









Ny hosodoko manaraka kosa indray dia ao anatin'ny tahirin'i Aslan momba ny Creaturas en limbo (Zavaboary ao amin'ny Limby), aseho eto hampisehoana ny tsangan'asa hafa an'ilay artista. Misy hafa azo jerena ao amin'ny bilaoginy.



Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.