Afghanistana Aorian'ny 2014: Mbola Hiverina Ve Ireo Andro Manjombona?

Tafika Nasionaly Afghana (ANA). Sary: Lt Sally Armstrong, RN / MOD tao amin'ny bilaogy Helmand, Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Tamin'ny 7 Oktobra 2012 lasa teo no nitsingerina ny faha-11 taona nisian'ny ady notarihan'i Etazonia tao Afghanistana. Tokony handao ny firenena ny tafika iraisam-pirenena amin'ny fiafaran'ny taona 2014, na dia mbola “tsy tontosa aza ny ady“. Taorian'ny taona maro nisian'ny ady, voatery hiala ny tafika OTAN ary hamindra ny andraikitra ho an'ny tafika Afghana amin'ny fiarovana ny firenena. Na dia izany aza, ho hita eo raha mahavita mametraka ny fandriampahalemana sy ny filaminana ny tafika Afghana aorian'ny fanesorana ireo tafika vahiny?

Ny ampitson'ny 9/11, nanani-bohitra tao Afghanistana ny tafik'i Etazonia sy ny namany OTAN mba handrava ny fitondrana Talibana sy ny lehiben'ny al Qaeda. Taorian'ny ady naharitra herinandro maro, vitan'ny tafika OTAN ny nandroaka ny Talibana tamin'ny tanàna maro ary nanampy tamin'ny fametrahana firenena vaovao demokratika izy ireo — Repoblika Islamika Afghanistana.

Vokatr'izany, fahatsiarovana mangidy ho an'ny ankamaroan'ireo Afghana sisa ny fitondrana Talibana, ka tsy maniry ny hiverenany eo amin'ny fitondrana intsony izy ireo.

Naseer, mponina ao Kabul nanoratra hoe [fa]:

زمان طالبان،‌یک زمان تاریک در تاریخ کشور ماست. در زمان طالبان مردم ما هیچ امیدی برای زندگی کردن نداشتند. چون هرچه که داشتند توسط طالبان یا سوزانده شد یا هم خراب شد[…] دوره طالبان دوره سیاهی است که هیچ شهروند افغان خاطرات آن را از یاد نمی‌برند.

Vanim-potoana nanjombona teo amin'ny tantaran'ny firenena ny fitondrana Talibana. Nandritra ny fitondrana Talibana, tsy nanam-panantenana teo amin'ny fiainany ny mponina taty aminay. Raha ohatra ka mba manana zavatra kely izy ireo, na may (nodorana) izany na simba […] Vanim-potoana manjombona nandritra ny fitondrana Talibana izay tsy ho adinoin'ireo Afghana mandrakizay izany.

Raha nijaly tamin'ny fomba maro ireo Afghana nandritra ny fitondrana Talibana, ny vehivavy no tena nijaly indrindra.

Tahmina Barakzay, mpampianatra vehivavy monina ao Kabul, nanoratra hoe [fa]:

«در زمان طالبان ما مجبور بودیم که در خانه باشیم. در بیرون از خانه کارکرده نمی‌توانستیم. اگر بیرون می‌برآمدیم حتما چادری می‌پوشیدیم. اگر چه من منحیث زن مسلمان پیش از زمان طالبان هم چادر به سرداشتم و حجاب اسلامی را مراعات می‌کردم اما در زمان طالبان اگر چادری نمی‌داشتیم، توسط طالبان کیبل می‌خوردیم […] ما از طالبان خاطره خوش نداریم. طالبان بدبختی‌های مردم ما را زیاد کردند و نمی‌خواهیم که این‌ها بار دیگر سر قدرت بیایند.

Nandritra ny fitondrana Talibana, voatery nihiboka any an-trano izahay. Tsy afaka miasa any ivelany [Izahay]. Raha mivoaka ivelan'ny trano izahay, dia tsy maintsy miakanjo burka. Talohan'ny fitondrana Talibana, amin'ny maha vehivavy Miozolomana ahy , tsy maintsy nisarom-boaly aho ary nanaraka ny fitsipika Islamika, anisan'izany ny hijab, na dia izany aza, nandritra ny fanjakana Talibana, raha tsy miakanjo burka izahay, dia velesina karavasy […] Fahatsiarovana mampahonena no ao anatinay mikasika ny Talibana. Nitombo hatrany ny fampijaliana nataon’ [Izy ireo] amin'ny vahoaka ka tsy mila azy ireo hiverina eo amin'ny fitondrana intsony izahay.

Tokony hijanona ve izy ireo sa hiala?

Zmaray Zalmay, mpiasa mpanao asa soa 30 taona monina ao Kabul nilaza hoe:

Tokony tsy handao an'i Afghanistana ny Amerikana mandra-pahatonga ny taona 2020. Efa niaina ny zava-doza tamin'ny taona 1992 izahay [taona nidiran'ny governemanta komonista mpanohana ny Sovietika tao Afghanistana, izay nitarika ady an-trano]. Mahita an'i Rosia, Shina ary Pakistana ho mampiahiahy anay izahay. Mila an'i Amerika izahay.

 

Tsy mitovy hevitra ny Afghana rehetra. Maro ireo tsy resy lahatra amin'ny ilàna ny tafika OTAN ao amin'ny firenena. Ohatra, Ghulam Habib, mpikambana ao amin'ny Filan-kevitry ny Distrikam-paritra ao amin'ny faritry Takhar nanambara hoe:

Nandritra ny 10 taona lasa niarahana tamin'ny Amerikana teto, niharatsy hatrany ny toe-draharaha. Tsy nitsaha-nitombo isan'andro isan'andro ny fisian'ny Talibana sy ny Al Qaeda, izay mampiseho fa tsy mahavita mametraka fandriampahalemana ny paikadin'i Etazonia. Ka afaka miala izy ireo.

 

Nampitandrina ny tatitra vao haingana avy amin'ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Krizy [International Crisis Group] (ICG) fa mety hirodana ny governemanta Afghana aorian'ny fanesorana ny tafika. Ary maminavina ihany koa ny sasany fa mety hisy ny fifandonanana ara-poko ao amin'ny firenena.

Ho famaliana izany tatitra izany, hoy ny fanambarana avy amin'ny governemanta Afghana nilaza:

Tsy tamin'ny taona 2002 no teraka ny firenenay. Efa 5,000 taona ny tantaranay. Nitolona tamin'ny firenen-dehibe matanjaka izahay taloha. Vonona ny polisim-pirenena sy ny tafikay hiaro ny vahoaka ao amin'ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena.

Jan Kubis, iraky ny Firenena Mikambana nanohitra izany faminaniana izany hoe hirodana i Afganistana aorian'ny taona 2014. Hoy i Kubis nilaza:

Vonona ny Fiarahamonina Iraisampirenena hanao zavatra ho fanohanana an'i Afghanistana ary indrindra mba hisorohana an'i Afghanistana tsy ho tafiditra amin'izany karazana fijery ratsy izany izay avy etsy sy eroa:

Frogh Wazhma, mpiaro ny zon'olombelona, sy Afghana manam-pahaizana manokana momba ny vehivavy sy ny fampandrosoana, nitsikera tao amin'ny Twitter:

@FroghWazhma: Maminavina ny tatitra rehetra fa hilatsaka anaty haizin-kitroka i Afganistana. Nahoana ireo manam-pahaizana no manentana & maminavina zavatra ratsy ampientanam-po tahaka izany??

ISN logoVatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny bilaogy ISN no navoaka voalohany ny lahatsoratra ary azona jerena eto ireo tantara hafa mifandraika amin’izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.