Ny Zava-Baovao Amin'ny Fifanarahana Ara-Miaramila Eo Amin'i India Sy i Rosia

Ny missile BrahMos sy ny fandefasana azy tamin'ny fampisehoana tao amin'ny International Maritime Defence Show, 2007, tany Rosia. Ny missile haingam-pandeha izay vokatry ny fiaraha-miasan'i India sy Rosia. Sary avy amin'ny One half 3544. Sehatry ny daholobe hita Wikimedia Commons.

Fifanarahana ara-miaramila maromaro no vitaina rehefa ho any India hamonjy ny fivoriana tampony fanao isan-taona miaraka amin'ny Praiminisitra Indiana Dr. Manmohan Singh ny Filoha Rosiana Vladimir Putin amin'ny volana Novambra.

Nisy tantara lava be ny fifanarahana ara-miaramila teo amin'i India sy i Rosia, Rosia no mpiara-miasa voalohany tamin'i India.  Araka ny Russia Today, novatsian'i Rosia fitaovana ara-miaramila teo amin'ny 35 lavitrisa dolara teo ho eo India teo anelanelan'ny 1960 sy 2000. Arakaraky ny nandrosoan'ny taona dia nivoatra [pdf] ny fifandraisana avy any amin'ny sehatry ny mpividy sy mpivarotra tsotra ho any amin'ny fikarohana sy fivoarana, famokarana sy famarotana ny teknolojian'ny fiarovana izay efa mandroso ao anatin'izany ny balafomanga (missiles), balatafondro, ny fiaramanidina mpihaza ary ny fiaramanidina  fitaterana.

Nefa, ny fiovan'ny tontolo politika dia manery ireo mpifanaraka hijery ny tombontsoany. Rehefa nitodika tany amin'i Etazonia India tamin'ny fifanarahana ara-miaramila, dia nanitatra ny anjarany sy ny heriny tany Atsimon'i Azia kosa i Rosia. Ao anatin'ny fandraisan'i Moskoa andraikitra ny Dushanbe Group of Four – fiaraha-miasa eo amin'i Rosia, Tajikistan, Afghanistana ary Pakistana. Amin'ny fahatsapana ny fifandraisana nihananahirana misy eo amin'i Etazonia sy Pakistana, dia nanakaiky an'i Pakistana kokoa i Moskoa, na dia teo aza ny alahelo an'i India.

Manadihady ny fiovan'ny tantara, i Brahma Chellaney, mpampianatra momba ny paikady (stratejia) ao amin'ny Centre for Policy Research (ivontoerana misahana ny fikarohana ara-politika) any New Delhi,ary nibitsika :

@Chellaney: Jeopolitika vaovao, fampimiràna vaovao : rehefa nanatona an'i Etazonia i India, Pakistana sy i Rosia kosa nanorina fiarahana vaovao tamin'ny alalan'ny famangian'olona ambony.

Namana sy fahavalo

Nokasaina hitsidika an'i Pakistana ny Filoha Poutine tamin'ny fiandohan'ny volana Oktobra, saingy nahemotra izany tamin'ny minitra farany. Tato aoriana nitady izay hanafoanana ny ahiahin'i India i Rosia tamin'ny fanizingizinany fa tsy mivarotra fitaovam-piadiana amin'i Pakistana. Nefa nihiratra ny maso rehefa  nafindra ho 10 Oktobra ilay fivoriam-baomieran'ny Governemantan'i India sy Rosia momba ny fifanarahana ara-miaramila sy teknika na Indo-Russian Inter-Governmental Commission on Military-Technical Cooperation (IRIGC-MTC) tokony ho natao ny 04 Oktobra  teo tany New Delhi satria ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Rosiana, Anatoly Serdyukov, dia ohatra ny hoe tsy maintsy mandray anjara  amin'ilay fivoriana karakarain'i Poutine. Nefa amin'io fotoana io koa nitsidika an'i Moskoa ny Lehiben'ny Tafika Pakistaney ny Jeneraly Ashfaq Parvez Kayani. Manodidina io fotoana io ihany koa, nahemotry ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana, Sergei Lavrov, ny fitsidihany an'i India ary naleony nankany Islamabad.

Prasun K. Sengupta bilaogera ara-miaramila dia nizara ny zavatra tsapany momba ny toetran'io fiaraha-miasa eo amin'i Rosia sy Pakistana io. Nanoratra izy :

Mahavariana, milaza ny fahavononany amin'ny fisokafana amin'i Pakistana i Moskoa raha toa ka raisin'i Pakistana ny ahiahin'i Rosia amin'ny sehatry ny fiarovana any Azia Afovoany, amin'ny fahalalana fa ny tandavan-tanin'i Gilgit-Baltistan/Khyber Pakhtunkhwa an'i Pakistana dia misaraka amin'i Tajikistan noho ny fisian'ny tany kely Wakhan ao Afganistana, ary io tandavan-tanin'i Pakistana io koa dia manana sisintany manamorona an'i Kashgar fileovana ao amin'ny farintany mikorontana iray any Shina, Xinjiang. Farany, nilaza i Rosia fa vonona hanome fanampiana goavana ho an'i Pakistana amin'ny sehatra filaminana, izay ahitana angidimby Mi-171 vaovao 12 vao nivoaka ny orinasa ( novokarin'ny Tobim-Piaramanidina Ulan-Ude) ary RPO-A Shmel (Bumblebee) an-jatony fitaovana fandefasana baomba misy gazy, io dia fitaovam-piadiana ilain'ny tafika pakistaney maika hanoherana ireo mpikomy any amin'ny faritra Waziristan Avaratra.

Tsy matahotra ny fifanatonan'i Pakistana sy Rosia fotsiny India fa mitaintaina ny amin'ny fahataran'ny fahatongavan'ireo fitaovana mafy sy ny teknolojia sasany avy amin'i Rosia ihany koa. Ohatra ny sambo mpitondra fiaramanidina Amiral Gorshkov ( ankehitriny efa niova ho INS Vikramaditya) dia tsy ho vonona amin'ny famindrana  alohan'ny faran'ny taona 2013.

Etsy andanin'izany, tsy faly tamin'i India i Rosia noho ny nanamafisany ny fifandraisany ara-miaramila tamin'i Etazonia sy ny nanamaroany ny mpamatsy azy ara-pitaovam-piadiana avy amin'ny firenena toa an'i Etazonia,Israely ary i Frantsa.

Antony iray hitadiavan'i Rosia làlam-barotra vaovao io hoy ny manam-pahaizana Rosiana sasany, fihetseham-po zarain'ny mpiserasera amin'ny aterineto sasany ao amin'ny firenena :

@ForcesFocus: Ny fanatonan'i India ny Amerikana no hampisaraka azy tsikelikely amin'ny namany taloha. Aleon'i #Rosia mihaona amin'ny COAS (Lehiben'ny Tafika) #Pakistan toy izay amin'ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Indiana.

Na dia izany aza, dia toy ny miara-miasa ho amin'ny ‘fampifandanjàna ny fifandraisana ‘ sy fandrosoana ho amin'ny fifanarahana hafa i Rosia sy i India. Rosia no mpamatsy fitaovam-piadiana an'i India, ary araka ny vinavina, dia hijanona ho laharana voalohany amin'ny mpanafatra fitaovam-piadiana avy any Rosia i India, miaraka amin'ny fiakaran'ny tombam-bidy 8,2 lavitrisa dolara tamin'ny 2008-2011 ary ho tonga 17,3 lavitrisa dolara eo anelanelan'ny 2012 sy ny 2015.

ISN logo Vatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny bilaogy ISN no voalohany navoaka ny lahatsoratra ary azonao jerena eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.