Syria: Nogadraina Ilay Mpanao Sariitatra Satria Mitsikera An'i Assad

Nahazo sazy henjana ilay mpanao sariitatra Syriana sahy nampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Tamin'ny 25 Aogositra 2011, notaritaritina sy novonoinà telo lahy misaro-tava i Ali Ferzat, mpanao sariitatra malaza 60 taona, tapaka ny tanany tamin'izany.

“Afaho i Akram Rslan.” Sary: ArabCartoon

Akram Rslan, mpanao sariitatra iray hafa miasa ao amin'ny gazety Fedaa [ar] eo ambany fitantanan'ny governemanta. Nogadraina izy tamin'ny 2 Oktobra 2012, raha namoaka sariitatra mitsikera ny filoha Syriana, araka ny tatitra avy amin'ilay bilaogin'ny bilaogera The-Syrian [ar]:

كان من الغريب بقائه خارج أقبية الأمن، رغم أنه استمر في نقد النظام و قمعه، و وصل إلى شخص الرئيس، وهو لم يتخفّى وبقي في سكنه وفي وظيفته، في جريدة الفداء الرسمية، التي تصدر في حمـاة. مؤخراً ؛ فقد النظام صبره و قام باعتقاله من مكان وظيفته، يوم الاثنين 2/10/2012، ولا يوجد أي معلومات عنه

Resa-potoana fotsiny alohan'ny fisamborana an'i [Rslan] satria nanohy foana nitsikera ny fitondrana sy ny fangejany izy, tonga hatramin'ny fitsikerany ny filoha tenany mihitsy. Tsy niafina i [Rslan] fa nijanona tao an-tranony sy ny toeram-piasany foana ao amin'ny gazety Fedaa ao Hama. Tsy naharitra intsony ny fitondrana ka nisambotra azy tao amin'ny toeram-piasany tamin'ny Alatsinainy 2 Oktobra 2012. Nanomboka hatreo, tsy nandrenesam-baovao intsony ny momba azy.

Namoaka ny mombamomba ity mpanao sariitatra sy ny sangan'asany nofantenina ny bilaogera, anisan'izany ilay sariitatra izay nahatonga ny fisamborana azy (jereo eo ambany). Maneho ny teny filamatra mampalahelo malaza izay fiantsoantson'ny polisin'i Assad, ny “Shabiha”  ilay sariitatra, izay manambara fa aleon'izy ireo dorana ny firenena toy izay ilaozana ny fahefana:

أكرم رسلان، 1974، صوران–حمـاة، خريج الآداب 1996، و للأسف الكثير الكثير، من جنود ثورتنا، يفضلون النضال بعيداً عن الضجة و الأضواء و نجهلهم قبل الاعتقال أو الاستشهاد!! الحريـة لـ الفنان أكرم والتالي عينة من آخر أعماله، علماً أنّ الصورة الأولى هيَ سبب اعتقاله

Teraka tamin'ny taona 1974 tao Soran-Hama i Akram Rslan, nahazo diplaoma momba ny literatiora izy tamin'ny taona 1996. Iray amin'ireo maro, mpikambana maro ao amin'ny revolisionantsika izy izay maniry ny hitolona ivelan'ny fampahalalam-baovao sy ny jiro mitaratra, ary zavatra kely no mba fantatsika hatramin'ny nisamborana sy nampijaliana azy ireo. Fanafahana ho an'ity artista [Rslan] Akram ity. Ireto manaraka ireto ny sangan'asan'i Rslan izay nofantenina, anisan'izany ilay sariitatra (ity voalohany) nahatonga ny fisamborana azy.

 

“Na Assad na dorana ny firenena” Akram Rslan.

Nanameloka ny fanagadrana ity mpanao sariitatra ity ny Ivon-toerana Doha ho an'ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao, ka namoaka ity fanambarana manaraka ity:

Mamporisika ny fitondrana Syriana ny Ivon-toerana mba hamoaka avy hatrany an'i Rslan ary hampitsahatra ny fanaovana lasibatra ireo mpanao gazety sy ireo mpanohitra ny fitondran'i Assad. Tokony hiezaka ny governemanta mba hiantoka amin'ny fiarovana ny mpikambana mpanao gazety tsy hiharan'ny fandrahonana, herisetra sy fanagadrana noho ny fanatanterahany ny asany.

Nanameloka ny fisamborana ihany koa ny habaka ArabCartoon.

Nisy ny fanentanana ho fanafahana an'i Akram Rslan natao tao amin'ny Youtube tamin'ny alalan'ny teny faneva hoe: “Afaho i Akram Rslan”.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.