Misaona Ny Fiambohoan'ny Ray Mpanjaka Norodom Sihanouk i Kambodza

Misaona ny fiambohoan'ny mpanjaka Norodom Sihanouk izay nodimandry tamin'ny 17 Oktobra 2012 ny Kambojiana. Fantatra ho toy ny lehilahy be herim-po ao amin'ny fanjakan'i Kambodza  i Sihanouk noho ny asa vitany toy ny fitakiana milamina ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'ny protektorà (fiarovana) Frantsay ny taona 1953, ny fanamboaran-dalana ao amin'ny firenena nandritra ny Sangkum Reastr Niyum, ny fandresena tamin'ny raharaham-pitsarana tao amin'ny Tribonaly Iraisam-pirenena tamin'ny taona 1962 izay nanome rariny an'i Kambodza ho tompon'ny Tempoly Preah Vihear akaikin'ny sisintany Thai, ary indrindra ny andraikitra vitany tamin'ny Paris Peace Agreement (Fifanekem-pilaminana Paris) ny taona 1991 izany nanamarika ny fiafaran'ny ady an-trano ka nitondra filaminana tao amin'ny firenena.

“Lehilahy be herim-po anay ianao, banga anao izahay” hoy ny hafatra avy amin'ireo olom-pirenena sy mpiserasera izay malahelo noho ny fahafatesan'ny mpanjaka. Tonga tao amin'ny firenena ny nofo mangatsiakany rehefa avy tany Beijing, toerana falehany rehefa mitsabo tena izy.

Cambodians were mourning the late King Sihanouk

Milahatra ao amin'ny araben'i Rosia ny Kambodjiana miandry ny fahatongavan'ny nofo mangatsiakan'ny mpanjaka Norodom Sihanouk. Sary: mpanoratra

Tamin'ny 17 Oktobra, vahoaka an-tapitrisany no milahatra miandry manerana ny arabe manomboka ao amin'ny seranam-piaramanidina hatrany amin'ny Lapam-panjakana mba hanome voninahitra ny vata mangatsiakan'ny mpanjaka Sihanouk sy ny fiverenany manatantara tao Kambodja ny volana Novambra 1991 rehefa tany ivelan'ny firenena nandritra ny 13 taona izy.

Nivoaka nandritra ny fialan-tsasatra lavaben'ny Fetiben'ny Pchum Ben ny vaovao momba ny fahafatesan'i Sihanouk. Niova tanteraka avy hatrany ny korana tao amin'ny aterineto ka nanomboka nandefa teny fanomezam-boninahitra ho an'ny mpanjaka ny olona. Nampiasa twitter tamin'ny tenifototra #RIPKingSihanouk ny Kambojiana mba haneho ny alahelony:

@Cambodian_VIPz #RIPKingSihanouk Malahelo izahay ary mitomany, nilaozanao izahay. Mpanjakan'ny fahaleovantena Norodom Sihanouk. pic.twitter.com/11x8wRXD

‏@lanycassie #RIPKingSihanouk Ny raibeko be herim-po no mihomehy tsara idrindra eto an-tany <3 pic.twitter.com/fuD2ilqt

@Nida_CamELF Raha tsy misy azy, dia mety mbola andevon'ny Fanjanahantany Frantsay i Kambodza. #RIPKingSihanouk

@PinkyElevenShi Na dia avy aza ny orana, mbola mijanona foana eo anoloan'ny Lapam-panjakana ny Kambojiana. Mampitomany ahy mitomany izany #RIPKingSihanouk

Nisy ihany koa ny pejy Facebook natsangana ho fanomezam-boninahitra ny Mpanjaka:

RIP Norodmo Sihanouk

King Norodom Sihanouk

Kambojiana avy amin'ny faritany sy faritra maro tonga niray hina hanome voninahitra ny vata mangatsiakan'ny mpanjaka Norodom Sihanouk. Sary tao amin'ny pejy Facebook: Rip Somdech Ta (Mpanjaka Norodom Sihanouk)

Nanome soso-kevitra ho an'ny mpanao politika Kambojiana i Khmerbird mba hanaraka ny fampianaran'ny mpanjaka niamboho:

Hoy ny mpanjaka nilaza indray andro (Loharano):

Tiako mba ho mahaleotena, mahaleotena foana ny fireneko. Nataoko izay vitako, saingy amin'ny maha olombelona ahy, tsy tonga lafatra aho, tsy misy olona tonga lafatra.

Inoako fa hanaraka izany fanambarana izany ny mpanao politika Kambojiana. Manaiky ny mpanjaka fa tsy tonga lafatra izy saingy manana vina mazava izy mba ahatonga ny fireneny ho mahaleotena.

Nitanisa ireo lova navelan'i Sihanouk i Khmerbird :

Nanangana firenena mahafinaritra izy ary nanao an'i Kambodza ho firenena mahafinaritra indrindra ao Azia. Zavatra iray no fatantsika, marina fa tia ny fireneny izy ary maniry ny hitondra fifaliana sy fiadanana ho an'ny vahoakany.

Nandrisika ny olom-pirenena tahaka an'i Koh Tha mba hanampy betsaka amin'ny fampandrosoana ny firenena ny fiambohoan'ny mpanjaka:

Nijery fahitalavitra nandefa fandaharana momba ny lanonana sy ny sarimihetsika manatantara ary fanadihadiana momba ny mpanjaka izay niamboho aho. Tsy fantatro hoe maninona ny saiko no toa mikorontana, malahelo sy manjoretra. Latsaka mangingina ny ranomasoko. Nahatsiaro tanteraka aho fa izaho, ny tenako manokana sy ny fireneko dia very olo-manga be herim-po. Avy eo, nisy hery lehibe tonga tato am-poko ary nilaza tamiko fa “Kok Tha, misy zavatra tokony ataonao, miezaha mafy ianao mba hanampy sy hampandroso ny firenenao”. Mahatsiaro aho fa mbola tsy ampy ny zava-bitako hatramin'izao ary bitika dia bitika raha oharina amin'ny zava-bitan'ny mpanjaka. Mila manohy ny asa fikirizako sy mahasoa ahy aho ho an'ny mpiara-miasa amiko, ny fikambanan'ny tanora, ny andraikitra modely, ny namako, ny tanora, ny fianakaviana sy ny sakaizako.

Hatramin'ny 23 Oktobra 2012 no anaovana ny lanonam-panaovam-beloma farany ny mpanjaka. Afaka manome voninahitra farany azy ny vahoaka amin'ny alalan'ny fitsidihana ny Lapan'ny Mpanjaka mandritra ny telo volana manaraka. Aorian'izany, hodorana ny vata mangatsiakan'ny mpanjaka araka ny fomba amam-panao Bodista.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.