Torkia: Fahanginana Manoloana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Gadra Politika Kiorda

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina intsony ireo gadra politika Kiorda an-jatony ao Torkia. Tsy mba notaterin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izany hetsika tsy misy herisetra izany. Nilaza ny mpikatroka iray, izay nitantara mikasika ity hetsika ity fa ireto manaraka ireto no takian'ireo mpitokona tsy hihinan-kanina:

@hevallo: Ny fanafahana ny lehiben'ny Kiorda ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK) mba hifampiraharaha fifanekena momba ny filaminana

@hevallo: Fahalalahana hampiasa ny teny Kiorda eny amin'ny sehatra rehetra

@hevallo: Fandaminana ara-politika mikasika ny Kiorda ao Torkia

Feno 40 andro androany ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'izy ireo, ary hatramin'ny nanombohan'izany, zara raha nisy vaovao mivoaka mikasika ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo gadra politika, toy izany ihany koa ny fitakian'izy ireo. Al Jazeera ao amin'ny The Stream no namoaka sy nitantara ny fitokonana tsy hihinan-kanina raha toa kosa ka mangina ny fampahalalam-baovao hafa  izay matetika mamaly ny fangatahana ao amin'ny tambajotra sosialy .

Nanohana ny fitokonana tsy hihinan-kanina  ny mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fifandraisana ivelany ao amin'ny Antoko Ankavia Soedoà, fitokonana tsy hihinan-kanina izay natombok'ireo gadra politika ao Torkia tamin'ny 12 Septambra .

Nitatitra ny Global Times fa tsy navoakan'ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Torkia ny vaovao satria matahotra ny mpanao gazety sao hampangain'ny fanjakana Tiorka.

Ny tena mahamenatra dia ny tsy firaharahian'ny fampahalalam-baovao Tiorka. Tsy mba nisy tamin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra nitantara ny vaovao. Azo lazaina mihitsy fa na ny vahoaka ao Torkia aza tsy mba mahalala ny fisian'izany fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo gadra politika izany. Mandrahona ny governemanta ary avy eo miampanga ireo mpanao gazety ho mpampihorohoro raha toa ka mitatitra momba ny zon'olombelona izy ireo, indrindra momba ireo Kiorda vitsy an'isa.

Nahatonga ny fahatezeran'ny Kiorda tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy ny zava-misy. Nilaza i Nechirvan fa “Tsy misy olona mba mitsinjo ny Kiorda” ary Saya koa nanontany hoe “Aiza ireo mpikatroka?” mba hameno ny banga ataon'ny fampahalalam-baovao mahazatra momba ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo gadra politika.

Vao haingana, nanoratra lahatsoratra momba ny fotokonana tsy hihinan-kanina tao amin'ny gazety Lebanon News i Raphael Thelen

Vahoaka atao an-kilabao ny Kiorda. Antsoina hoe firenena lehibe indrindra tsy manana fanjakana, nitolona ho amin'ny zo ara-tsosialy, ara-kolontsaina, ary amin'ny fotoana maha-mety, ny zom-pirenena nandritra ny taompolo izy ireo. Nisongadina tamin'ny lohateny lehibe vao tsy ela akory izay ny tolona vaovao ataon'ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK) amin'ny governemanta Tiorka. Rà latsaka, hoy ny mpanao gazety nitantara, manohina.

Na dia eo aza ny tsy fitantaran'ireo mpanao gazety sy ny tranokala fampahalalam-baovao mahazatra, nampiasa Twitter, Facebook ary tranokala tambajotra sosialy ny Kiorda mba hisarihana ny saina manoloana izao fitokonana tsy hihinan-kanina izao, izay sokajian'ny maro ho zava-dehibe ho an'ny hoavin'ny lehiben'ny Kiorda ao amin'ny PKK.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.