Hahomby Ao Singapore ve ny Fihaonambem-Pirenena?

Ao anatin'ny ezaka hampiditra ny Singaporeana amin'ny “fandaminana ny hoavin'ny firenena”, dia manatontosa fihaonambem-pirenena izay haharitra eo ho eo amin'ny herintaona eo hanangonana ny hevitry ny vahoaka ny governemanta.

Hotarihin'ny Komitin'ny “Our Singapore” ny resadresaka amin'ny aterineto sy ny sehatra ifampiresahana hafa ary mandritra ny fihaonana isan-karazany. Manana habaka sy pejy Facebook ny “Our Singapore Conversation”  (Resadresatsika momba an'i Singapore) , izay mandrisika ny olona hizara ny heviny ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #oursgconv.

Hita fa noraisin'ireo Singaporeana sasany tsara ny tetikasa. Nanoratra momba ny traikefany tamin'ny fanatrehana tapatapak'ahitra sy torotoro ravina i Petunia Lee:

Tao amin'ny pejy Facebookn'ny Our SG Conversation

 

Tsy maintsy lazaiko etoana fa nanokatra ny masoko amin'ny Singaporeana hafa ny traikefako tamin'ny SG [Singapore] Conversation. Ho an'ny iray, tsy fantatro fa mahatsiaro tena ho voaenda-pananana voahilikilika ny zokiolona ao Singapore mandra-pitenin'ilay lahiantitra mihaja tao amin'ny vondrona nisy ahy ny tantarany. Ho an'ny iray hafa, diso hevitra aho satria noheveriko fa mifandray sy mifampiresaka tsara ny foko samihafa ka tsy mila jerentsika intsony izany. Dokotera vavy Malay no nandresy lahatra ahy tamin'ny lahateniny mahaliana fa mihoatra noho ny tsy fifankahalalàna tamin'ny taona 1960 ny fifandraisan'ny foko samihafa amin'izao fotoana.

Eny… Mino aho fa, araka ny fanazavan'Atoa Tan, ny tanjon'ny SG Conversation dia ny hampianatra antsika tsirairay ny marina sasany momba ny firenentsika, ary tratra izany tanjona izany tamiko.

 

Na dia izany aza, maro ireo hafa mbola miahiahy ilay tetikasa, ka mahita izany ho toy ny fanatsarana ny fifandraisan'ny fanjakana amin'ny olona fotsiny. Mihevitra i Molly Meek fa tetikady hanovàna ny endriky ny antoko eo amin'ny fitondrana fotsiny ny fihaonambem-pirenena iray manontolo:

Misy Fisainana Lalina ny paikadin'ny PAP [antokon'ny fitondrana]—misy aza ny manontany raha naka ny hevitry ny manam-pahaizana izy ireo alohan'ny hanatontosana izao tetikasa izao—ary misy ny tsy mandray anjara amin'izany saingy gagà amin'ny fahombiazany azo refesina. Tsotra kely angamba ny paikadiny—mikendry olom-pirenena vitsivitsy, ahitana olona malaza sy ireo olona tsy dia fantatra, izay somary manohitra ihany ny antokon'ny PAP, ka manome azy ireo fahatsapahana hafa, ka mamela azy ireo hizara sy hanaparitaka vaovao fa tsy arak'izay lazain'ireo mpanasoketa azy ny antoko PAP. Ny tena marina, tsy mila milaza na inona na inona akory izy ireo—resaka tsotra miaraka amin'ny PAP hahatonga azy ireo tsy manana hotsikeraina dia efa ampy sy haharesy lahatra ny hafa hanohana ny antoko PAP.

 

Tonian-dahatsoratra ao amin'ny publichouse.sg nanamarika fa mety tsy hitondra any amin'ny tena fiovana akory ny resadresaka:

Na dia lazaina aza fa mpanohana mavitrika ny liberaly ny minisitra tompo-kevitra tamin'ity tetikasa ity, toa mahatsiaro manan-jo hitsipaka (veto) amin'izay vokatra farany ny zokinjokiny ao amin'ny Kabinetra.  Mampahafantatra antsika ny mahita fa tsy nisy valiny mahafa-po ny ankamaroan'ny soso-kevitra tena liberaly avy amin'ny Komity “Remaking Singapore” – toy ny governemanta mba hamaritra ny mpanamarika manana ny maha-izy azy amin'ny adihevitra politika, fananganana rafi-panavotana ny toekarena ho an'ny tsy fisian'ny asa sy ny fanampiana ara-bola amin'ny MediShield ho an'ireo kely fidiram-bola Even if it is assumed that the ministers leading the current initiative are of a keenly liberal bent, the older guards in the Cabinet remain likely to have a veto over the final product.  It is instructive that a majority of the more liberal suggestions made by the Remaking Singapore Committee – such as for the government to define the out-of-bounds markers for political debate, creating an Economic Relief Scheme for the structurally unemployed and subsidising the MediShield premiums of low-income groups – went unheeded.

‘Tongava miditra mpikambana amin'ny habaka Singapore Conversation

Howard Lee, nanoratra tao amin'ny The Online Citizen, naneho hevitra momba ny fitongilanana hita mandritra ny resadresaka:

Tsy tianay fotsiny ny mahita Resadresaka anjakan'ny olona manohana ny foto-kevitry ny antokon'ny fitondrana mikasika ny olana ao amin'ny firenena, ary avy any dia lasa tahaka ny akon'ny antenimiera taloha. Ahoana no fomba ijerentsika ny hoavy raha izany?

Amin'ny teny hafa, tokony hahafantatra i Wong sy ny hafa tahaka azy fa any amin'ny antoko PAP ny baolina ho entin-dry zareo manaporofo fa tsy mitanila izy ireo, fa tsy tokony hanome tsiny ireo izay mananga-tsaina mena amin'ny fiandaniana toy ny ‘misy ambadika politika’. Amin'ny atao ny porofo, fa tsy amin'ny vava.

Mila feo samihafa isika, na dia ny an'ny mpanohitra lavitry ny fefin'ny lojika sy ny azo tanterahina aza, mba hamantarana ny foto-javatra sy hanaingàna adihevitra mafana, rehefa tsy mahatratra ny fo, fa tsy manangana marimarira iraisana aderadera sy atao laza masaka. Manan-jò hanantena Fihaonamem-Pirenena tahaka izany ny Singaporeana.

Raha mbola mitohy ny Resadresaka tamin'ny tranokala sy tao amin'ny Facebook, fantatra fa nisy mpamely ny mpanohitra nanodin-dresaka amin'ny tenifototra #oursgconv tao amin'ny Twitter:

@SGSilentMaj : Ratsy ho an'i #Singapore ny Fahalalaham-pitenena #sgpolitics #sgelections  http://bit.ly/REUBsd http://bit.ly/TJjDZX

@SGLaoBaiXing : Manohana ny asan'ny PAP ny WP  #sgpolitics #sgelections http://bit.ly/TcBoTM  http://bit.ly/R4RV9G

@theonlinesg : Tsy mba manana vinavina ny WP  #sgpolitics #sgelections #oursgconv http://bit.ly/T1qhqo http://bit.ly/RWyvlo²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²²

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.