Fahirano Ny Antenimera Portiogey: “Tsy Tetibolanay io”

Nisy fahirano ny Antenimiera Portiogey [pt] nitranga tamin'ny 15 Oktobra 2012, andro ofisialy nametrahan'ny fitondrana Portiogey ny tetibolam-panjakana 2013 [pt] tamin'ny Filohan'ny Antenimiera. Ny volavola, izay antenaina holaniana amin'ny 31 Oktobra, dia ahitana fitomboam-pifehezan-kibo sy fampihenana ny tetibola amin'ny sampan-draharaha tahaka ny fahasalamana (-17%) sy ny fanabeazana (-14.5%), izay hitarika ho amin'ny fitomboan'isan'ny tsy an'asa [pt] sy fampahantrana ny mponina.

Maro ny talanjona [pt] tamin'ny tsy nisian'ny fitantarana tamin'ny fahitalavitra raha novakiana ny hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny bolongana ka nitsikera [pt] ny fitongilanana sy ny vaovao fanaitairana momba ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Lapa São Bento (itoeran'ny Antenimieran'ny Repoblika). Mandritra izany fotoana izany, mamoaka vaovao ao amin'ny sehatra fampitàny vaovao ny olom-pirenena, mandefa mivantana ny hetsika sy misioka amin'ny alalan'ny tenifototra #OE13 (avy amin'ny “Orçamento de Estado 2013″, Tetibolam-panjakana).

Misy video avy amin'i Ministério da Verdade (Minisiteran'ny Marina) ao amin'ny Youtube namehy an-dahatsary ny fahirano, izay nanomboka tamin'ny enina ora hariva:

"Several thousand people gather in front of the Portuguese parliament to demand the resignation of the government following the announcement of a new budget." Photo by Xavier Malafosse copyright Demotix (15/10/2012)

“An'arivony ny olona nivory nanoloana ny Parlemanta Portiogey mitaky ny fialàn'ny governemanta taorian'ny filazana momba ny tetibola vaovao.” Saripikan'i Xavier Malafosse copyright Demotix (15/10/2012)

João Paulo Pedrosa, ao amin'ny bilaogy Praça Stephens, no manoratra ny ao an'eritreriny momba ireo “vahoaka tanora milamina” hitany teo anoloan'ny Antenimiera:

São, todavia, jovens à rasca, à rasca com as dificuldades do momento, o desemprego, a precaridade, a insegurança do presente e, sobretudo, o medo do futuro e é para eles que todos temos que ajudar a encontrar respostas.
Há contudo, bem expressa na barraquinha de comes e bebes que lá foi instalada, uma certa utopia de igualitarismo social que, infelizmente, não faz parte dos nossos tempo cruel e implacável. Vivemos, pois, um tempo péssimo, pena que seja logo o nosso. Mais que felicidade, hoje, a palavra mágica, é esperança.

Nefa ireo no tanora mangidihidy, mangidihidin'ny fahasarotana amin'izao fotoana, tsy fananan'asa, fahasahiranana, tsy fandriampahalemana ankehitriny, ary ambonin'izany rehetra izany, tahotry ny ampitso ary io ho azy ireo no tokony hitadiavantsika rehetra vahaolana.
Voazava tsara amin'ny tranoheva kely napetraka teo ahitana sakafo sy fisotro, anefa izany, karazana tanjona zary nofinofy ahitana ny fitoviana izay, indrisy, tsy ao anatin'izao fotoana tsy mifaditrovana izao. Miaina ao anatin'ny fotoana mampihoron-koditra anefa isika, ratsy loatra ny antsika. Mihoatra noho ny fahasambarana, ankehitriny, ny voambolana majika dia ny fanantenana.

"A man wears a mock 'Pinocchio' nose as thousands gathered outside the Portuguese parliament to demonstrate against renewed austerity measures introduced by the Portuguese government." Photo by Violeta Moura copyright Demotix (15/10/2012)

“Lehilahy iray manao orona fanesoan'i ‘Pinocchio’ nandritra ny fivoriam-bahoaka teo ivelan'ny Antenimiera Portiogey manohitra ny fepetra vaovao hifehezan-kibo ataon'ny fitondrana Portiogey.” Saripikan'i Violeta Moura copyright Demotix (15/10/2012)

"Don't fuck my job". Photo by Xavier Malafosse copyright Demotix (15/10/2012)

“Don't fuck my job” na “Aza Alikaina ny Asako”. Saripikan'i Xavier Malafosse copyright Demotix (15/10/2012)

Ao amin'ny video hafa nataon'i André Matos Cardoso hita Vimeo, afa-mihaino ny hiakan'ny mpanao fihetsiketsehana mihiaka hoe “tsy ho resy mandrakizay ny vahoaka mivondrona”:

"Naked demonstrators protest among a couple of thousand who gathered outside the Portuguese parliament to protest renewed austerity measures introduced by the Portuguese government. " Photo by Violeta Moura copyright Demotix (15/10/2012)

“Mpanao Fihetsiketsehana nitanjaka tao anatin'ireo mpanao fihetsiketsehana tokony ho roa arivo eo ho eo nivory teo anoloan'ny Antenimiera Portiogey manohitra ny fepetra vaovao hifehezan-kibo nampidirin'ny fitondrana Portiogey. ” Saripikan'i Violeta Moura copyright Demotix (15/10/2012)

"Riot police monitor protests as a fire burns in front of the parliament building as demonstrations take place over government imposed austerity measures designed to ease Portugal's economic and financial crisis". Photo by João Caetano copyright Demotix (15/10/2012)

“Manara-maso ny fihetsiketsehana ny polisy misahana ny rotaka raha misy afo mirehitra teo anoloan'ny lapan'ny Antenimiera raha manohitra ny fepetra teren'ny fitondrana ampiharina amin'ny fifehezana tondroina hivoahana mora amin'ny krizy ara-bola sy toe-karenan'i Portiogaly”. Saripikan'i João Caetano copyright Demotix (15/10/2012)

Filozofy sy mpikaroka Porfírio Silva, ao amin'ny bolongana Machina Speculatrix, no manazava ny antony anoherany ny hevitra hanaovana fahirano ny antenimiera:

Se querem ser realmente imaginativos, façam um parlamento alternativo para um orçamento alternativo. Peguem na proposta do governo (quando existir), discutam alterações concretas e aprovem-nas, façam-nos saber do resultado para alimentar o debate entre os cidadãos. Prometo que nem vou analisar as credenciais “representativas” de tal “parlamento alternativo”: apenas analisarei o orçamento “popular” daí resultante, pelo seu próprio mérito.

Raha tena te-haka sary an-tsaina ianao, mamorona antenimiera mahasolo hametraka tetibola mahasolo. Raiso ny tolo-kevitry ny governemanta (raha misy), miady hevitra amin'ny fanitsiana manokana ar mandany ireny, mampafantatra anay ny tafavoaka avy eo handrehitra ny adihevitra eo amin'ny samy olo-pirenena. Mampanantena aho fa tsy hanadihady raha “mahasolo tena” izany “Antenimiera mahasolo” izany: Hanadihady fotsiny ny tetibolan'ny “vahoaka” mivoaka avy ao fotsiny aho, ny fahamendrehany.

Mbola mitohy hatrany ny domberina (Feedback) eo amin'ny hetsika Facebook natsangana tamin'ny 15 Oktobra (ahitana mpandray anjara 4.500 sahady), ary misy hetsika vaovao indray ho amin'ny 23 Oktobra, miantso hanaovana “Antenimieran'ny Fahirano” handrafitra ny katroka manaraka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.