India: Tahirin-dahatsary Amin'ny Aterineto Ho An'ny Zava-kanto An-Tsehatra

“Shabda” dia midika hoe :“feo” na “kabary” amin'ny fiteny Sanskrit, ary izay no anarana nomena ny tahirin-dahatsary manokana amin'ny aterineto izay mampiseho ireo karazanà endrika zava-kanto indiana.

Natomboky ny mpilalao zava-maneno telo,T.M. Krishna, H.K. Venkatram ary  Shriram Kumar, ary mikendry ny hitondra  ny zava-kanto sy ny kolon-tsaina Indiana ho amin'ny sehatra malalaka kokoa ny Shabda.

Tamin'ny fakana endrika  valan-dresaka TED , dia nanasa ireo manam-pahaizana amin'ny zava-maneno, ny dihy na ny seho an-tsehatra (teatra) ny mpamorona ny Shabda mba hanome fampianarana nandritra ny roapolo minitra momba ny loha-hevitra nofidian'izy ireo.

Ny seho Shabda iray dia misy mpiteny enina ka hatramin'ny valo, ao anatin'izany ny resadresaka momba ireo mpianatra roa sy ireo izay tsy mahafantatra loatra ny momba ny kanto Indiana. Manantena ny mpamorona fa ankoatra ny  maha-loharanom-baovao azy dia hanjary fiaraha-monina mpamorina sy miara-miasa koa ny habaka aterineto. 

Ny fampianarana, izay amin'ny teny Anglisy daholo, dia maharakotra loha-hevitra malalaka.Tamin'ny fandaharana Shabda voalohany, Lakshmi Vishwanathan dia nampiseho ny fomba ampiasàn'ny mpandihy Bharatanatyam ny feon-java-maneno mba hanatsarana sy hampiakarana ny hatsaran'ny dihy.

Professor V.V. Subramaniam dia nampiseho tamin'ny fampianarana  ny maha izy azy ny mozika rehefa lalaovina sy atao amin'ny lokanga.

Brigha Bessel nampiseho ny fampiasan'ny mpandihy Bharatanatyam ny teknika famoahana hevitra.

Ny hajian-tsary nasongadina dia mampiseho an'i Rama Vaidyanathan mpandihy Bharatanatyam. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Dalbera (CC BY 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.