Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog

Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta.

Vao haingana tamin'ity taona ity, nisy ny tatitra fa nanokana vola 5000 miliara na US$1 tapitrisa ny governemanta Zambiana mba handefa polisy sy mpiambina any ivelany mba hianatra hisovoka habaka aterineto. Tamin'ny volana Aprily, Nitanisa ireo fepetra maromaro noraisin'ny governemanta mba hamoretana ireo mpiserasera amin'ny Aterineto ao Zambia ny Zambian Watchdog.

Tamin'ny 2 Oktobra, nanome 48 ora an'ny Zambian Watchdog ny Mpiraki-draharaha an'ny orinasa Zambiana, Clement Andeleki mba hanome adiresy mazava raha tsy izany hofoanana ny anaran'ny habaka aterineto (tranonkala). Hoy ny lahatsoratra tao amin'ny Zambian Watchdog nanazava:

Araka ny vaovao tao amin'ny fahitalavi-panjakana ZNBC TV2 ny Talata tamin'ny 6 ora hariva, nilaza i Andeleki fa araka ny voalazan'ny lalàna, tokony handoa vola K18 tapitrisa any amin'ny biraony ny Zambian Wacthdog.

Nilaza tamin'ireo mpanao gazety i Andeleki nandritra ny valan-dresaka tao amin'ny biraony fa tamin'ny taona 2002 ny habaka aterineto no voasoratra anarana ary mbola tsy nanome ny tena adiresy misy azy hatramin'izao.

Namaly ny fangatahana momba ny adiresy mazava tamin'ny adiresiny amin'ny aterineto ny Zambian Watchdog:

Valin-tenin'ny mpamoaka lahatsoratra: ny adiresinay dia is www.zambianwatchdog.com, ny fomba ifandraisanay aminay: editor@zambiawatchdog.com

Taorianan'ny fandrahonana hanaisotra ny anaran'ny habaka aterineto, nanamarika ny habaka aterineto fa ny Zambian Watchdog izay nolazain'ny governemanta fa voasoratra anarana tamin'ny taona 2002 sy tsy nisy adiresy mazava dia hosoka noforonin'ny governemanta izay antsoina hoe “Zambia For Watchdog” saingy novaina ho Zambian Watchdog mba hiampangàna ny habaka fampahalalam-baovao.

Fanambarana avy amin'ny Mpiraki-draharaha an'ny Orinasa mba hanafoana ny sertifika fisoratan'anaran'ny Zambian Watchdog “hosoka” certificate of registration. Nahazoan-dalana ny sary, zambianwatchdog.com.

Naneho hevitra momba ny fe-potoana 48-ora farany nomena i mtu-wa-mezi nilaza fa [tsy manana rohy maharitra ho an'ny fanehoan-kevitra manokana ny habaka aterineto]:

Any amin'ny firenena tsy dia mahazo fantsona amin'ny fahita-lavitra firy, tsy manana efitrano iombonana hijerena vaovao, sns, ny fananganana watchdog (alika mpiambina) maromaro ny tena ilaina. Eny tokoa, mbola maro ny zavatra tokony hianarantsika sy zaraintsika bilaogera.

Raha hakatona ny habaka aterineto ao Zambia, hampiasa mailaka ireo monina any ivelany mba hizara ny lahatsoratra, hoy i Mpangula::

Raha vitanao ny manakatona ny habaka aterineto ao Zambia, izahay aty ivelan'i Zambia indray no hizara ny lahatsoratra ao amin'ny alalan'ny adiresy mailaka ao Zambia. Ho hitanao: ahoana ny fomba hivezivezen'izany tahaka ny mofomamy MAFANA.  Hiteny aminay indray angamba ianao mba handoa vola noho ny famoahana vaovao momba ny Zambianwatchdog.

Bwalya Koni namazivazy momba ny adiresy misy ny Zambian Watchdog

amin'ny alalan'ny toerana misy anao no hiasanay. WI-FI no ifandraisanay anao any an-tranonao.

Raha nanambara ny mpiserasera sasany fa tokony handoa haba ny Zambian Watchdog, hoy ny mpamaky iray antsoina hoe New Age namaly:

Ohatrinona ny haba azon'i zambia amin'ny facebook?

Namely mivantana imbetsaka ny habaka aterineto ny Filoha Zambiana sy ny minisitra maromaro ao amin'ny governemanta. Vao haingana tamin'ity taona ity, notorian'ny filoha Zambiana noho ny fanalàm-baraka ny Zambian Watchdog.

Sary fizarana ny fanafihana DDoS atao amin'ny Zambian Watchdog. Sary: zambianwatchdog.com.

Tamin'ny 4 Oktobra, Levi Kabwato, manam-pahaizana momba ny Fandaharan'asa Rezionaly ho fanaraha-maso ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao sy ny fikarohana ao amin'ny Ivon-toeran'ny Fampahalalam-baovao ao Afrika Atsimo namoaka fanambarana ho fanohanana ny fanehoan-kevitra malalaka ao amin'ny aterineto:

[…]Raha ilaozana manenjika sy manasazy ireo lazaina fa manitsakitsaka ny lalàna, na amin'ny alalan'ny fanovana lalàna tsy misy fanentanana mazava na amin'ny fampiasana lalàna maizimaina mba hamelezana ireo fampahalalam-baovao, ireo governemanta – ary indrindra ireo eny amin'ny faritra izay efa manana olana amin'ny aterineto– dia tokony hiaiky fa tsy azo ovaina ihany ny famoaham-baovao amin'ny aterineto, fa angamba koa ny tena zava-dehibe dia ahazoana tombony amin'ny fampiroboroboana sy fiarovana ny demokrasia, ny zo fototry ny olombelona sy ny fitantanana mahomby.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.