Venezoelà: Sioka sy Tenifototra nandritra ny androm-pifidianana

Raha asaina misafidy tambajotran-tserasera tiany indrindra ny Venezoelana, ny heverina ho aliny indrindra dia ny Twitter. Satria, io no be mpisera indrindra nifaresahana indrindra tamin'ny fifidianana alahady 7 Oktobra 2012.

Amin'ireo tenifototra isan-karazany mahazo vahana amin'ny lisitra ironana ao amin'ny firenena ny Venezoelana no milaza sy miady hevitra, mitatitra ary mizara.

Saingy mitandrema fa mpisera Twitter manatalenta ny Venezoelana. Raha te-hanaraka ny fifidianana izany ianao, teny fototra iray dia mety mitondra anao amin'ny sioka tsy andrasanao. Mila hakingan-tsaina ny adi-hevitra atao anaty tarehintsoratra 140 ary hain'ny Venezoelana ny milalao anaty faritra (habaka na tahala) voafetra.

Elecciones presidenciales en Venezuela

Venezoelana milahatra hifidy nandritra ny tontolo androm-pifidianana tao Caracas tamin'ny 7 Oktobra 2012. Saripika Alejandro Ruston. Copyright Demotix.

Amin'ny fampiasana ny #HoyGanaChávez (Handresy Chavez anio) ny mpanohana maro ny filoha Hugo Chávez no manambara ny vatony, manasa ireo hafa handray anjara ary hiomana amin'ny valim-pifidianana,izay lazain'izy ireo, fa ho tsara:

Jorge Amorin (@Jorgeamorin) [es] manasa ny mpanaraka azy handray anjara

@Jorgeamorin: Cual es nuestra tarea ahora? Si aún quedan compas sin votar, pues a votar. Y ayudar a nuestros testigos en todos los centros #HoyGanaChávez

@Jorgeamorin [es]: Inona no adidintsika anio? Raha mbola tsy nifidy, mandehana mifidy. Ka ampio ireo vavolombelontsika eny amin'ny biraom-pifidianana #HoyGanaChávez

Nampivoitra ny fiasan'ny ivon-toeram-pifidianana nasionaly i Carlos Ernesto (@Ernesto_Vzla27)

@Ernesto_Vzla27: Ver a quienes ayer criticaban ferozmente al Poder Electoral votando, ya es una victoria revolucionaria. #HoyGanaChávez

@Ernesto_Vzla27 [es]: Efa fandresena revolisionera sahady ny fahitana ireo manakiana mafy dia mafy ny fahefam-pifidianana.#HoyGanaChávez

Fabrizia Polverini (@Mimipolverini) kosa nizara:

@Mimipolverini: No me queda duda de que mi primer voto fue por mi Patria, por los niños, por todos los logros de la revolucion #hoyganachávez

@Mimipolverini [es]: Tsy misalasala aho milaza fa ny safidiko voalohany iny dia ho an'ny Fireneko, ho an'ny ankizy, ho an'ny zavabitan'ny revolisiona rehetra #hoyganachávez

Edu Carvajal Avila (@Edu_Carvajal) [es] manasongadina :

@Edu_Carvajal: #HoyGanaChávez … ¡NO!, y gana#VENEZUELA, hoy ganamos todos! esta noche no habrá pueblo derrotado, el único derrotado es Capriles

@Edu_Carvajal [es]: #HoyGanaChávez … #HoyGanaChávez … TSIA!, mandresy i #VENEZUELA, handresy isika rehetra androany! Tsy hisy vahoaka resy eto rahariva, ny hany tokana resy dia i Capriles. @Edu_Carvajal

Na izany aza, ampisain'ny mpanohitra ihany koa ity tenifototra ity, tahaka an'i Erika (@ErikaDLV) :

@ErikaDLV: #HoyGanaChávez un pasaje a CUBA sin retorno! Porque aqui ya no lo queremos,14 años son suficientes! Queremos un pais unido! #HoyMeDesquito

@ErikaDLV: #HoyGanaChávez [Handresy Chávez anio] tapakila tsy miverina ho any KIOBA! Satria tsy mila azy eto intsony izahay, ampy izay 14 taona izay! Mila firenena tafaray izahay! #HoyMeDesquito

Ireto ireo tenifototra hafa mampirona mankany amin'i Chavez #ElMundoConChávez (Izao tontolo izao miaraka amin'i Chavez) sy #TodosNosotrosConChávez (Manohana an'i Chavez avokoa isika).

Etsy ankilany amin-dry zareo mpanohitra indray, mifanaraka amin'ny don-tenin'i Henrique Capriles hoe “misy lalana” (“Hay un camino “amin'ny teny espaniola) sy ny halavan'ny filaharana teny amin'ny biraom-pifidianana : #NoEsUnaColaEsUnCamino  (tsy filaharana io fa lalana) ny tenifototra malaza indrindra .

Milaza i Arturo G. Villarroya (@ArturoGVilla) hoe:

@ArturoGVilla: Ánimo a todos los venezolanos que tienen aun que esperar para votar, que no se vayan a casa, merece la pena esperar. #NoEsUnaColaEsUnCamino

@ArturoGVilla: Mampahery ny Venezoelana rehetra izay tsy maintsy mbola miandry fa hifidy aho. Aza mody, fa ilaina ny miandry #NoEsUnaColaEsUnCamino.

Tenifototra iray ampiasain'izao hifidy ny mpanohitra ny #HugoChávezFríasTeQuedan2Días (Hugo Chavez Frias roa andro sisa anananao). Amin'io tenifototra io no iresahan'ny maro ny herisetra an-dalambe manosika azy ireo hitady ny fanovana ny fitantanam-pirenena.

Manoratra ny mpisera @Sr Sugestivo [es]:

@Sr Sugestivo: ¡Porque quiero caminar por Caracas en la noche y vivir al día siguiente! #VotemosDePrimeroXCapriles#HugoChávezFríasTeQuedan2Días

@Sr Sugestivo [es]: #HugoChávezFríasTeQuedan2Días Satria te-hanavatsava an'i Caracas amin'ny alina aho ka ho velona ihany ny ampitso§ #VotemosDePrimeroXCapriles (Andao hifidy Capriles)

Nandritra izany fotoana izany, nisioka ity horonantsary iray avy amin'i Gabriel Torelles ity ilay tranokalam-baovao @PlanetaUrbe sady nanatsonga hoe:

@PlanetaUrbe: #HugoChávezFríasTeQuedan2Días [VIDEO] “En Caracas hay más muertos que en Bagdad” @anarkyoow.ly/edrdF

@PlanetaUrbe: #HugoChávezFríasTeQuedan2Días [VIDEO] “Be no maty any Caracas noho ny any Baghdad” @anarkyo ow.ly/edrdF 

Mandeha haingana ny fotoana sady isan-karazany ny vaovao. Miova isaky ny minitra ny “Lohahevitra mahazo vahana” ary tsy ny adi-hevitra maminavina mialoha ny valim-pifidianana ihany no tafiditra ao, fa ny eritreritry ny andaniny sy ny ankilany, ny famelezana [don-tany sy kapo-tandroka] , toro-hevitra amin'ny fifidianana, tatitra momba ny fihoarana sy ny fandikan-dalàna, ary ireo tsaho, izay heverin'ny maro ho toy ny fomba mahazatran'ny vaninandro ankehitriny. mora mivadika amin'ny adihevitra hafa ny Adihevitra iray, satria mihoatra ny tenifototra iray ny hita amin'ny ankamaroan'ny siokan-tserasera amin'ny ankapobeny.

Hiseho ao anatin'ny ora votsivitsy ny lohahevitra malaza manaraka ary azo atokisana fa hiresaka momba ny valim-pifidianana, heverin'ny maro mba hivoaka rahalimbe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.