Ejipta: Mahatsiaro An'i Maspero; Miandry Fampiharana Ny Lalàna

Nahatsiaro ny tranga namonoana olona nahatsiravina tao Maspero  ny Ejiptiana androany, nianiana ny hamaly faty ny ràn'ireo maritiora sy hanao izay hitohizan'ny revolisiona (fiovàna). Ny 9 Oktobra tamin'ny taona lasa, Kristiana Copts 28 no maty ary 200 hafa naratra tamin'ny fanafihan'ny tafika ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny foiben-toeran'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tao Maspero.

Tao anatin'ireny maty ireny i Mina Daniel, 19 taona, izay lasa endrika amantarana ireo maritioran'ny revolisiona Ejiptiana amin'izao fotoana.

Mampahatsiahy antsika i Dalia Ezzat :

@SaliaEzzat_: Tsy Mina Daniel fotsiny i #Maspero. Fa ireo fanahy Ejiptiana nafoy, naratra+nofitahana tamin'ireo habibiana nataon'ny SCAF&fampahalalam-baovaom-panjakana.#neverforget (tsarovymandrakizay).

Ny SCAF dia ny “Supreme Council of the Armed Forces” (Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana) izay nandray ny fitondrana ny firenena taorian'ny fanonganana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, toarian'ny fihetsiketsehana goavana naharitra 18 andro nanoherana ny 32 taona nitondrany.

Mina Daniel's mural..We will never forget

Sary an-drindrina mampiseho an'i Mina Daniel..Ts ho adinonay mandrakizay, nozarain'i Adam Taylor-Awny tao amin'ny Twitter

Mizara sary an-drindrina iray izay manasongadina an'i Mina Daniel i Adam Taylor-Awny. Mivaky toy izao ilay teny Arabo: “Ilay maritioran'ny fahalalahana” sy hoe “Hitoetra ao am-ponay hatrany ianao.”

@Adamtawny: Tsaroanay androany i #Maspero ary havaozinay ny firotsahanay hiady ho amin'ny rariny. #Therevolutioncontinues (mitohynyrevolisiona) http://twitpic.com/b2hp7f

Tsy Misy Fitsarana Natao

Raha resaka fitsarana, mibitsika i  Heba Morayef hoe:

@hebamorayef: Tsy hisy mihitsy haha-tomponandraikitra aminà heloka ara-tafika izany eto Ejipta mandra-pisian'ny hoe azo tsaraina amin'ny fitsarana sivily ireo manampahefana miaramila #Maspero

@hebamorayef:Ireo mpisolovava mpiaro zon'olombelona dia nanondro ny Kaomitin'ny Morsy Mpanadihady ny Zava-Nitranga hijery ny fisintahana tao Maspero taorian'ny nandavan'ny mpitsara hanao fanadihadiana lalina

Mina Naguib manampy hoe [ar]:

مش هنسى العرص يوم ما قال لو كنا عايزين نقتل كنا قتلنا 200 ولا 300 لكن اللى سايق المدرعة كان خايف .. نفسى اشوف اى حد بيتحاكم بجد فالبلد دى!

@MinaNaguib90: Tsy ho adinoko mandrakizay ireo tsy misy saina niteny fa raha tianay ny hamono dia afaka mamono 200 na 300 izahay saingy natahotra ny mpamily ilay fiara nitondra fitaovam-piadiana. Tena mba iriko fatratra  ny hahita anankiray tena tsaraina marina tokoa eto amin'ity firenena ity.

Mandritra izany, diabe iray no natao androany, avy ao Shubra ho any Maspero, ho fahatsiarovana ireo maritiora. Ragia Omran manoratra hoe :

@rago_legal: Laharana toy ny fandevenana mizotra avy ao Shubra ho any Maspero ho fahatsiarovana ireo maritioranay. Ireo izay namono an-dry zareo mialokaloka eo ambany fitondran'ny SCAF. Takianay ny rariny.

Mustafa Najeh mizara ity seho ity avy amin'ilay diabe :

A scene from today's march to Maspero

Seho iray avy amin'ny diabe androany ho any Maspero, nozarain'i @Mad_Darsh tao amin'ny Twitter

Salama Moussa mahita ilay fankalazana an'i Maspero ho fotoana iray fanararaotra nefa very maina ho an'i Mohammed Mursi, filoha vaovao vao voafidy. Mibitsika izy :

@salamamoussa: Namotsotra fotoana volamena iray hahatonga azy ho tena mpitondra marina an'i Ejipta i Mursi. Mety ho nitondra fahagagàna ny fiampangàna an'i #Maspero amin'ny teny mazava&famoahana fanambaràna

Ary i Erin Cunningham manampy hoe:


@erincunningham
: Raha ny azoko ambara, tsy nisy fanambaràna avy amin'ny biraon'ny fitondram-panjakana, @Ikhwanweb na @FjpartyOrg androany momba ny #Maspero. Azafady, ahitsio aho raha diso.

Ary farany fa tsy ny maivana indrindra, Nelly Ali miteny hoe :

@nellyali: “M*** Nareo” rehetra izay miteny hoe “farafaharatsiny aloha tsy toy ny tafika any Syria ny tafika Ejiptiana!” #Maspero no porofo manohitra izany. Tsy ny isan'ny maty akory no entina hamaritana an'izany


Vakiteny misimisy kokoa :

Kaonty iray tsy nifindra tànana: Fanaovana Diabe Avy Ao Shubra Hitsena Fahafatesana Any Maspero nosoratan'i Sarah Carr

Mina Danial an'i Ejipta: Ilay tantara tsy mba nambàra momba ny revolisionera iray nosoratan'i Yasmine Fathi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.