Frantsa : Olan'ny Fahazoan-dàlana Nanamaloka ny “Black Fashion Week”

Mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny hamaroana lafy sy ny dindon'ny asa famoronana avy amin'ny tany afrikana eo amin'ny filatroana amin'izao fotoana, ilay Senegaly vavy mpampiakanjo, Adama Paris, dia niketrika ny “Black Fashion Week” (Herinandron'ny Haingo Mainty) izay natao tao Dakar (Sénégal) nandritra ny 10 taona. Ny andiany voalohany dia natao tany Prague tamin'ny Novambra 2011.

Black fashion Week tamin'ny 2010 tao Dakar, avy amin'i Seneweb ( CC-license-2.0)

Ao amin'ny StreetPress i Samba Doucouré manoratra  hoe :

Manana ny toetra mampiavaka azy mandeha mivezivezy izany ny “Black Fashion Week”. Hikisaka ho any Montréal (Kanada) izy amin'io Novambra ho avy io, mandra-piandry ny any Bahia (Brezila) sy Bratislava (Slovakia).

Rehefa miresaka fivezivezena dia miresaka fahazoan-dàlana ‘visa’. Mpampiakanjo roa manana ny lazany sy mpilatro maro no voatsenan'ny fandàvana tsy hahazo ‘visa’ fidirana ho any Frantsa.

Black fashion Week tamin'ny 2010 tao Dakar, avy amin'i Seneweb ( CC-license-2.0)

Voalohany, i Mame Faguèye Bâ izay nahazo ny azy ihany nony farany ary nanao fanambaràna an-gazety iray izay azo vakiana ao amin'ny pejiny ao amin'ny Facebook, ireto ny famintsinana vitsivitsy :

… Niara-nandresy isika ary trosako aminareo izany !

Azoko atao araka izany ny mampilatro maneho ny asa famoronako amin'ny “Black Fashion Week” ao Paris ny 6 oktobra 2012. Ny fikirizantsika hilaza ny tsy rariny sy hiady miaraka mba hampihemotra azy …

… Tiako ihany koa ny hanentana anareo amin'ny zava-misy hoe hiasa mankany amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina Senegaly isika, ao anatn'ny faritry ny fifanarahana iraisam-pirenena , indrindra fa i Frantsa sy Senegal mba hisian'ny fankatoavana tsara kokoa an'ireo masoivoho ara-kolontsaina sy ara-javakanto isaky ny taranja tsirairay.

Ity ny lahatsary iray maneho ny fampilatroana nataon'i Mame Faguèye BÂ avy amin'i bbaabbccful:

Ny tranga faharoa, izay indrisy fa tsy nahitàna vahaolana, dia ny an'ilay mpampiakanjo Mariah Bocoum Keita, rahavavin'ilay mpihira Inna Modja (Fanta Bocoum), voatbahana tao Mali. Manoratra taratasy misokatra iray ho an'ny Kaonsilin'i Frantsa ao Mali i Mariah Bocoum Keita izay toy ity ny sasantsasany :

Mamelà ahy haneho ny hagagako nanoloana ny fandàvana natao ahy tamin'ny fangatahako fahazoan-dàlana ‘visa’ mandritra ny fotoana fohy tamin'ny Alarobia 3 Oktobra tao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fanomezana ‘visa’ ao amin'ny masoivohonareo tamin'ny filazany hoe ny zavatra nampitaina momba ny antony sy ny fepetran'ilay fivahiniana dia tsy azo antoka.

… Nipetraka naharitra tamin'ny tany frantsay aho, ny marina kokoa dia 1993 hatramin'ny 1999 nandritra ny fotoana nandrantoako fianarana …. Tamin'ny fiafaran'ny fianarako dia nody teto Mali aho…

… Amin'izao fotoana maha-be ny mpifindra monina an-tsojkosoko izao, azoko an-tsaina ihany hoe natosiky ny ahiahy momba izany io fanapahan-kevitra io. Saingy eo am-pahitana ireo antontan-taratasy natolotra sy ny antony izay ambarako etoana, hiara-miaiky amiko ianareo fa tsy manana na kely aza amin'ireo endrikendrik'olona kinendry amin'izany aho.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.