Venezoelà: Mitombo Enintaona Amboniny Indray Ny Vanim-potoana Chávez

Ity lahatsoratra ity dia niaraha-nanoratra tamin'i Jessica Carrillo [es].

Taorian'ireo fifidianana notoherina fatratra sy henjana indrindra tato anatin'ny folo taona farany, hanampy enina taona amboniny indray ho an'ny fitantanan'Atoa Hugo Chávez Frías izay efa nanomboka tamin'ny 1999 ny Venezoeliana. Faran'izay nifatrapatratra ny fifamezivezem-baovao tany anaty tambajotra sosialy, indrindra fa ny Twitter, indrindra moa fa tamin'ny fotoana nialoha ny fanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny vokatra.

Avy amin'ny lafy mpanohana ny Filoha, nitory hafaliana sy fahatretrehana ny bitsika, raha fizaràna fihetseham-po nifangaroharo hadisoam-panantenana miaraka aminà faharesen-dahatra fa azo atao ny mahita fiovàna amin'ny hoavy kosa ho an'ireo mpanohana an'i Henrique Capriles.

Anaty vakiteny voasavasava ravina, mivandravandra be noho ny tany aloha ny sarin'ny firenena iray voasamaka ho roa. Mitoetra ho singa fototra ao anatin'ny resaka ireo fisaratsarahana eo amin'ny saranga isan-karazany eny anaty fiarahamonina eny.

Ireo mpanohana an'i Hugo Chávez nandritra ny fampielezan-kevitra tamin'ny famoriam-bahoaka ny 11 Jona 2012 tao Caracas. Sary avy amin'i Sergio Alvarez, fizaka-mànana Demotix

Adriana (@SombreroRojo) [es] miteny hoe :

@SombreroRojo: Sigan! sigan el discursito de inclusión tipo: tierruos [apelativo despectivo usado contra la gente que vive en los barrios], brutos, analfabetas. Tendremos Chávez como… 30 años mas? sí, facil!

@SombreroRojo [es]: Tohizo e! tohizo ny kabarinareo momba ny fiaraha-mientana: tierruos [anarana fanambaniana ireo mahantra mipetraka eny amin'ny tanàna ambany], mpisetrasetra, tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Mbola azontsika atao ny hànana an'i Chavez mandritra ny… 30 taona fanampiny? eny, mora kely mihitsy!

Mandritra izany i MariAzul (@Mariazul84) [es] dia manoratra hoe:

@Mariazul84: Asi con desprecio, con asquito, con arrogancia y todo, se tienen que calar que los tierruos les elija el presidente a la “gente nice”.

@Mariazul84 [es]: Tahaka izao, miaraka amin'ny dehaka, miaraka amin'ny rokoriko, miaraka amin'ny fizahozahoana sy ny sisa, tsy maintsy manaiky izy ireo fa ny tierruos no mifidy ny filoha ho an'ireo “olona kàtraka”.

Mangataka ny hampitsaharana ny resabe mampiteraka saritaka i @Racksonador [es]:

@Racksonador: Y dejen de estar diciendo que van a matar a la gente o que los mataran y que se van a ir del país. LISTO SE ACABO #ElcomandanteSeQueda

@Racksonador [es]: Ary mba atsaharo ny filazana fa hisy olona hovonoina na hisy hamono anao ary handeha handositra ny frenena ianao. IZAY ALOHA NO VITA #ElcomandanteSeQueda (Tafatoetra ny kômandy ambony)

Avy amin'ny lafy mpanohitra dia misy ny fisaorana an'i Henrique Capriles sy ny fampielezan-keviny, ary kiana ho an'ny fanararaotan'ny Filoha, sy ny filazàna fisianà tsy fanarahan-dalàna goavana efa hatrany amin'ny vaninandron'ny fampielezan-kevitra.

Mitovitovy amin'izay, maro koa ireo miantso ny mpanohana an'i Capriles hisaintsaina ireo vokatra, hanohy ny tolona, ary handray anaty kajy fa na tsy azo aza ny fandresena tamin'ity fifidianana ity, ireo mpitarika ny fanoherana dia manana vondrona tsara rindra ankehitriny, izay ahafahana manao asa iraisana sy mahomby kokoa amin'ireo taona maro ho avy.

Fedosy Santaella (@Fedosy) [es] manoratra hoe:

@Fedosy: Capriles seguirá sirviendo, yo seguiré escribiendo. Mi país es mi país. No soy menos venezolano, ni soy menos escritor.

@Fedosy [es]: Hanohy hanompo ihany i Capriles, hanohy hanoratra ihany aho. Fireneko ny fireneko. Tsy hampietry ahy ho tsy Venezoeliana izany, na tsy ho mpanoratra.

Moraima Guanipa (@haticos) [es] milaza hoe:

@haticos: Reconoceré el triunfo de Hugo Rafael Chávez Frías pero jamás aplaudiré la forma ventajista, abusiva y manipuladora con la que se impuso.

@haticos [es]: Ho ekeko ny fandresen'i Hugo Rafael Chávez Frías saingy tsy hitehaka velively ny fomban'ny mpanararaotra, ny mpanosihosy sy mpilalao saim-bahoaka nentina nametrahana azy iny aho.

@upallove [es], mandritra izany, dia maneho ny hadisoam-panantenany tamin'ireo vokatr'izy iny sy ireo fifidianana ho filoham-pirenena tany aloha:

@upallove: En Argentina gano Cristina. En México gano Peña Nieto. En Venezuela gano Chavez. En Latino América gano la ignorancia.

@upallove [es]: Cristina [Fernández de Kirchner] nandresy tany Argentina. Peña Nieto nandresy tao Mexico. Chávez nandresy tao Venezuela. Ny Habadoana nandresy tany Amerika Latina.

Andrea (@DynamiteAndre) manamarika, tahaka ireo maro hafa, ny ahiahiny momba ny fampiasana fitaovam-piadiana mandritra ilay fankalazàna :

@DynamiteAndre: “¡VIVA CHÁVEZ!” seguido del sonido de muchos tiros seguidos. No, amigo chavista. No vas a poder convencerme de que esto está bien.

@DynamiteAndre: “HO ELA VELONA I CHÁVEZ!” arahan'ny feon-tifitra mifanesy. Tsia, chavista [mpanohana an'i Chávez ] namana. Tsy haharesy lahatra ahy ianareo hoe OK, milamina izao.

Taorian'ny sivana avy amin'ireo fihaonana marobe nitranga nandritra ny alin'ny fidifianana, nisy hevitra iray toa nàka toerana tsikelikely tao anatin'ny adihevitra: ny filàna ny fifankatoavana mifamaly mba hihoarana ireo fisamantsamahan'ny saranga sosialy nisy hatry ny ela, ary ny filàna fandinihan-tena ho an'ny mpisehatra tsirairay avy. Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos) [es] dia manipika io filàna io ho toy ny vokatra iray avy amin'ity fifidianana ity :

@LuisCarlos: Empieza la competencia por el reconocimiento del otro

@LuisCarlos [es]: Manomboka ny fifaninanana hàka ny fankatoavan'ny ankilany.

Luis Carlos koa dia manasongadina zava-misy iray mendrika hosaintsainin'ireo firehana politika rehetra :

@LuisCarlos: El presidente Chávez gana por cuarta vez una elección presidencial y tendrá un periodo 1999-2019

@LuisCarlos [es]: Nandresy faninefany indray tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny Filoha Chávez  ary dia hanana fe-potoam-piasana 1999-2019.

Avy amin'ny aknkolafy mpanohana an'i Chávez, miteny i Gabriel López (@GaboVzla) [es] hoe:

@GaboVzla: El triunfo que ya todos conocemos merece tambien profundas reflexiones,que sin duda vendran.Hoy,a celebrar y a fortalecer nuestra democracia

@GaboVzla: Ny fandresena izay efa fantatsika rehetra sahady dia ilàna fisaintsainana lalina, izay azo antoka fa tena hisy. Androany, ndeha isika hankalaza sy hankahery ny demaokrasiantsika.

Marobe ny fanontaniana tsy ahitam-baliny ary maro ireo fomba fijery mbola hameno ny fifanakalozan-dresaka amin'ity herinandro ity eny anatin'ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.