Venezoela: Vahoaka Be No Nanatrika Ny Faradobok'i Capriles Tao Caracas

Tamin'ny Alahady 30 Septambra lasa teo, tonga marobe tao amin'ny araben'i Caracas ny mpanohana an'i Henrique Capriles nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka. Mpifanandrina amin'ny filoha ankehitriny Hugo Chàvez i Henrique Capriles amin'ny fifidianana filoham-pirenena androany 7 Oktobra.

Daniel Duquenal nanoratra tao amin'ny bilaoginy Venezuela News and Views:

Araka ny efa nalefako tamin'ny sioka, izay nisy nizara imbetsaka (retweet) indraindray, sahiko ny milaza amin'ireo tsy manaiky ny fijeriko fa mbola tsy nisy fampielezan-kevitra midadasika toy izao teo amin'ny tantaram-pifidianana teto Amerika. Mbola tsy vonona tsara aho hiresaka “raharaha politika” hatramin'ny fifangaroan'ny revolisiona afaka mitatitra vahoaka marobe anaty sambo hidina eny an-dalambe. Mampanantena anao zavatra iray aho, tamin'ny zava-niainako efa lasa teto Venezoela, androany, nahatafavory olona iray tapitrisa FARAFAHAKELINY i Capriles ary ny atsasaky ny vahoaka no ao amin'araben'i Caracas. […] Nandritra ny ora maro, nivezivezy ny olona, na mandehandeha eny amin'ny làlan-tsamihafa. Hipoka olona ny araben'i Libertador, Solano,  Miranda, San Martin, sy ny sisa hafa. Nandritra ny ora maro.

Henrique Capriles presidential campaign closes in Caracas

Mpanohana an'i Capriles tao amin'ny araben'i Caracas nandritra ny fampielezan-kevitra faradoboka tamin'ny 30 Septambra 30, 2012. Sary: Camilo Delgado Castilla, copyright Demotix.

Sary marobe nandritra ny famoriam-bahoaka no nozarain'ny Venezoeliana tao amin'ny Youtube. NoticiaTube nandrakitra ity lahatsary manaraka tao amin'ny araben'i Bolívar ity:

http://www.youtube.com/watch?v=8Qo3Wx5Ings

Nizara lahatsary tao amin'izany araben'i Caracas izany ihany koa i Fashionauta:

http://www.youtube.com/watch?v=xS8Iqdu03vo

Nandritra ny fotoana, David Hernández nandrakitra lahatsary tamin'ny fahatongavan'i Henrique Capriles:

http://www.youtube.com/watch?v=fHCttd8okOM

Taminà lahatsary somary lavalava, hoy i Luis Carlos Díaz nanazava:

El acto de campaña se realizó en la avenida Bolívar, donde se encontraron 5 marchas que partieron desde distintos puntos de la ciudad. Estuvimos en la olla. Chávez cerrará allí también el 4 de octubre.

Notontosaina tao amin'ny araben'i Bolivar ny fampielezan-kevitra,  diabe 5 samihafa izay niainga tamin'ny toerana isan-karazany no niara-tonga tao an-tanàna (Caracas). Tafahoana eto afovoany avokoa izahay rehetra. Eo amin'io toerana io ihany koa no hanatontosan'i Chávez farany ny fampielezan-keviny famin'ny 4 Oktobra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.