Fiarahan'ny Besinimaro Mametraka An-tSarintany Ao Venezoelà

Tsy maintsy hoe ho betsaka ihany ny olona no hisioka, hilaza vaovao farany amin'ny Facebook ary hamoaka lahatsoratra momba ny fifidianana filoham-pirenena any Venezoelà amin'ity faran'ny herinandro ity -ary maro ny hampiasa ny fitaovam-pampitam-baovao sosialy hitaterany iza fihetsika tsy mety na herisetra hitany. Misy Fandraisana an-tanana atao-na olom-pirenena vitsy hametraka rafitra handraisana sy hiraketana ireny tatitra ireny.

Tsy ho tahaka ny tamin'ny fifidianana venezoelana farany fa hiara-miasa ry zareo tsy handaniana hery be loatra. Tamin'ny 2010 (fifidianana solombavambahoaka), 5 raha kely indrindra ny isan'ny sarintany Ushahidi nampiasaina misaraka ary tsy nisy ny fandrindrana ango-drakitra.

Nanapa-kevitra ny hanangana sarintany iray “fandraisana ny rehetra” ireo nimenomenona tamin'izany toe-draharaha izany tamin'ity indray mitoraka ity. Fananganam-baovao avy amina fikambanana tsy miankina, mpanao gazety ary tanora mpikatroka ity [sarintany] antsoina hoe Elección Ciudadana [es] ity. Misy koa amin'izy ireo manana ny sarintaniny manokana tahaka ny Testigo Digital [es], izay miompana manokana amin'ny herisetra politika.

Elección Ciudadana Logo

Fango Elección Ciudadana

Ny tombontsoa iray amin'ny fandrindra ny angon-drakitra amin'izao fomba izao dia raha misy olom-pirenena iray tsy mahalala afa-tsy tetikasa sasantsasany fa mizara amin'ny sarintany tokana monja, dia mbola hipoitra any amin'ny “hub” [hoaka] foibe ihany izany.

Nisioka momba ny fivoarana ireo tsirairay izay nanao ezaka tamin'ny fifidianana 2010 ka nanasonia fiaraha-miasa tamin'ity indray mitoraka ity:

Dale Poder a tu Voto (@tu_voto): Este año apostamos a apoyar al 100% a eleccionciudadana.com un esfuerzo de la sociedad civil por unir los distintos mapas electorales

Dale Poder a tu Voto (@tu_voto): Amin'ity taonaity hanompana ny 100%n'ny fanohananay ny eleccionciudadana.com , izay ezaka hanambàrana ireo sarintany isan-karazany izahay

Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos): Si están interesados en el crowdsourcing, aquí hay otra plataforma para las elecciones eleccionciudadana.com

Luis Carlos Díaz (@LuisCarlos): Raha liana amin'ny fiaraha-mientana ianao dia indro sehatra iray hafa ho amin'ny fifidianana eleccionciudadana.com

Dingana tsara vitan'ny fandraisana an-tanana ataon'olom-pirenena hampangarahara ny fifidianana ity lalana iray hiarahan'ny vondrona samihafa ity hanomezana lalana ny fandraisana anjaran'ny rehetra. Saingy mbola maro ny fanamby tsy maintsy dinganina. herinandro vitsy dia vitsy mialoha ny fifidianana amin'ny alahady monja no vita ity ezaka hiara-mamindra ity, izay tsy nahafahana nivalampatra hiresahana momba ny habaka [vohikala] na hananganana rafitra mivaingana entina manamarina ny tatitra avy amin'ny olona tsy fantatra na loharanom-baovao sarotra inoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.