Ejypta: Ankizy Roa Notànana Ho Nanao Faniratsirana

Ankizy roa, sivy sy 10 taona, no notànana tao Ejypta, satria nolazaina fa nandrovitra avy amin'ny Kor'any ka nipisy tamin'izany. Tao an-tanàna ao Beni Souef, ao antampokavoana ao Ejypta, no niseho ny tantara, mpitondra fivavahana salafista no nametraka ny fitoriana ireo ankizy.

Araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna famaizana Ejypsiana, sokajiana ho heloka ny fanevatevana ny Islamo ao Ejypta ary notànana ireo ankizy noho ny fiampangana azy ho naniratsira boky Koràna. Naneho hevitra momba izany ny mpiserasera androany tao amin'ny Twitter.

Tsy faly tamin'izany vaovao izany i Tamer Mowafy[ar]:

 

شعورك يبقى إزاي لما تصحي الصبح علي خبر احتجاز طفلين بعيد عن أهلهم في إنتظار العرض علي النيابة عشان حمار إتهمهم بتمزيق كتاب؟؟

A Coptic symbol from a church in Cairo

A Coptic symbol from a church in Cairo. Photo shared by kudumomo on Flickr used under CC BY 2.0

@kalimakhus: Ahoana ny fihetseham-ponao raha vao mifoha maraina ianao no mahare vaovao fa ankizy roa no notànana, lavitry ny ray aman-dreniny, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo noho ny ampondra nitory azy ireo?

Karim Masoud namaly hoe:

طالما البنت بتتجوز و هي عندها 9 سنين طبيعي جدا ان الطفل يتهم بازدراء الأديان و هو عنده 9 سنين و 11 سنه

@K_Masoud: Raha mahazo alalàna manambady ny vehivavy eo amin'ny faha-sivy taonany, ara-dalàna raha azo enjehina noho ny faniratsirana ny ankiizy sivy sy folo taona.

Tsy nahita ambara i Amr Ezzat:

مش عارف أقول إيه .. طفلين 9 و 11 سنة في بني سويف اتحبسوا واتحولوا لمحاكمة بتهمة تمزيق مصحف ! هبل محاكمات ازدراء الأديان بلا نهاية

@AmrEzzat: Tsy hitako izay ambara. Ankizy roa, sivy sy 11 taona, avy ao Beni Suef no notànana ary hiatrika fitsarana noho ny fandrovitana boky Kor'any! Mitohy ny tantaran'ny fahadalànan'ny faniratsirana ity

Nandritra izany, Ishak Ibrahim nanamarika hoe:

 

تزايدت قضايا ازدراء الأديان بصورة كبيرة جدا يظهر أن هناك من يريد أن يخلق قضايا تشغل الناس بدلا عن البحث عن حقوقهم والمطالبة بها

@ishakassaad: Miha-mahazo vahana ny tranga faniratsiràna. Tahaka ireny olona te-hamboly olana sy hampisahirana ny vahoaka hitaky ny zony izy ireo.

Nampiany hoe:

تيار الإسلام السياسي لا يملك ما يقدمه للمصريين في مجال تحقيق العدالة الاجتماعية ولذلك يسعي لخلق قضايا تشغل المواطنين وتبعدهم عن نقد أدائهم

@ishakassaad: Tsy manana atolotra ho an'ny Ejypsiana eo amin'ny sehatry ny fahamarinana ara-tsosialy ny politika Islamo. Izany indrindra no mahatonga azy ireo manakorontana mba hampisahirana ny olom-pirenena sy tsy hitsikera ny zava-bitany.

Nandefa hafatra ho an'ny filoha Ejypsiana Mohammed Morsi, izay mpikambana tao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana teo aloha i Demagh MAK. Hoy izy nisioka:

#مرسي‬‏ لو ما اصدرشي حالا قرار بالافراج عن طفلين بني سويف المتهمين بازدراء الاديان يبقى احنا كده عرفنا مين الشراميط الانجاس

@demaghmak: Raha tsy mandray fanapahan-kevitra avy hatrany i Morsi mba hamoaka ireo ankizy roa avy ao Beni Suef  voampanga ho naniratsira boky Koràna, ho fantantsika hoe iza no tena mpivarotena maloto.

Amin'ny Alahady izao no hiatrika fitsarana ireo ankizy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.