Nakaton'Iran Ny Fidirana Amin'ny Google sy Gmail

Fahavalon'ny fahalalaham-pitenenana ny fitondrana Iraniana nandritra ny taompolo maro, saingy tamin'ny Alahady 23 Septambra 2012 lasa teo, vao maika talanjona ny maro raha nanambara ny fitondrana fa hanomboka hanivana ny Google sy Gmail izy ireo afaka ora vitsy.

Nanambaora [fa] ny manampahefana Iraniana iray,  Abdolsamad Khoramabadi fa noho ny fangatahan'ny vahoaka tsy mankasitraka ilay horonantsary manohitra ny Islam ao amin'ny YouTube izay heverin'ny maro fa manala baraka (Google no tompon'ny YouTube) no anton'izany. Mpikambana manana ny maha-izy azy ao amin'ny  “Komisiona misahana ny votoaty Manitsakitsaka ny lalàna” i Khoramabadi

 

Nandritra izany, nanambara ny sasany fa noho ny fampiroboroboana ny “national Internet (Aterineto Iraniana”, no tena antony hanidina ny Google, izay fantatra fa tokony hanomboka hiasa amin'ny 22 Septambra, saingy mbola tsy hita hatramin'izao.

Cartoon by Mana Neyestani. Source: <a href="http://www.facebook.com/InternetFreedomProject?notif_t=page_name_change">Internet Freedom Project on Facebook</a>

Sariitatra nataon'i Mana Neyestani. Loharano Internet Freedom Project on Facebook (Tetikasa momba ny fahalalahan'ny aterineto ao amin'ny Facebook)

Nitafatafa tamin'ireo Iraniana maromaro avy amin'ny tanàna samihafa ny Global Voices, anisan'izany ny tao Tehran, Shiraz sy Qom. Saiky nilaza avokoa izy ireo fa tsy tafiditra Gmail. Maro amin'izy ireo ihany koa no tsy afaka miditra Google.

Nanazava momba ny zava-misy tamin'ny Global Voices i Arash Abadpour, bilaogera sy mpikaroka momba ny solosaina monina ao Kanada:

Manery ny ankabeazan'ny olona hikaroka vahaolana hidifiana ny sivana ataon'ny fitondrana ny fanapahana ny fidirana amin'ny aterineto. Tsy hoe aterineto “tsara indrindra” na “tena malalaka” ny  vokatra azo avy amin'izany, kanefa, na dia izany aza, tsy hanatsara ny endriky ny fitondrana Iraniana ny fandehan-javatra ankehitriny. Manosika ny vahoaka amin'ny fomba mitandrina kokoa amin'ny Aterineto izany. Nilaza tamin'ny vahoaka izy ireo mba “hianatra ny fampiasana ny VPN”, ary efa hitako sahady fa izany indrindra no hiseho.

Nisy ny fanentanana nalefa tamin'ny Facebook mba hiantso ho amin'ny fahalalahan'ny aterineto sy ny zo hiditra Google. Ny sariitatra notontosain'i Mana Neyestani tao amin'ny Google (io ankavanana io) no tena nanintona ny olona tao amin'ity pejy Facebook ity.

Mpiserasera Iraniana marobe no nisioka tamin'ny fomba feno esoeso momba ny sivana. Behran Tajdin  nisioka hoe [fa]:

@Behrang: Ireo “vahoaka” mangataka ny hanivanana ny Google, tsy manana kaonty gmail ve izy ireo? Raha manana, nampiasainy nataony inona?

Saye Roshan nisioka hoe [fa]:

@sayeeeeh: Nakatonay ny Gmail sy Google, nampiakarintsika ny tahan'ny dolara, miahiahy aho fa vao maika hasarotintsika ny fiainana ao Etazonia noho izao fanapahan-kevitra izao.

Ny tena marina, tsy Google no voa mafy amin'izao fanapahan-kevitra izao, fa ny fahalalaham-pitenenanan'ny Iraniana. Hita tokoa fa tsy zakan'ny fitondrana Islamika ao Iran ny fahalalahana amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.