Espaina : Tsy Maintsy Mandoa Ny Hetrany Ve Ny Eglizy?

Zamora, tamin'ny volana mey teo no tanàndehibe espaniola voalohany nitaky hetran-trano tamin'ny eglizy katolika (IBI). Avy amin'io fanapahan-kevitra io no iezahan'ny tanàna mameno ny tsy fahampiam-bola mahazo ny fiadidiana ny tanàna any Espaina.

Mivoaka amin'ny tambajotran-tserasera amin'izay ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra isan-karazany. Tezitra ny olona raha nahafantatra fa tsy mandoa ny hetra mifandraika amin'izay tokony naloany ny Fiangonana, izay manana trano (sy tany) betsaka (lehibe) indrindra.

@piluquita: Misy afa-mikajy ve hoe firy ny fitarafana nono [mammographies] mety ho voavidy raha mandoa ny IBI ny fiangonana ?

@Tweets_Platino: mey : “Tsy hisy na inona na inona hovidiana amin'ny hetran-trano sy tany 3 miliaran'ny fiangonana.” Jona : Nosintonin'ny fitondrana ny FANAFODY ahafahana mitahiry vola 4,4 miliara.

Miaro tena amin'ireo fiampangana ireo ny Vaomiera Episkopaly Espaniola. Manazava teboka isan-karazany ao amin'ny tranonkalany ny lahatsoratr'i Isidro Catela :

Cartel de la campaña de Izquierda Unida para que la iglesia pague el IBI

Afisin'ny fanentanana Izquierda Unida mitaky amin'ny Eglizy handoa ny IBI.

Tsy mandoa IBI ny fiangonana?

Diso. Mandoa ny IBI amin'ny trano tsy tafiditra ho ampandoavin'ny lalàna izy.

Tsy mandoa ny hetra isam-paritra ve ny fiangonana ?

Eny, mandoa izy (fako an-trano, fivoahana garazy, sns.). Tsy misy tsy fandoavan-ketra ho an'ireo karazana haba ireo.

 

Iza no mandainga ? Ny marina, sady tsy misy no mandainga daholo. Toy ny vaovao tiana roritina hiarovan-tena fotsiny.

Misy ireo fanorenana izay tsy voafaritra handoa hetran-trano (IBI). Ho an'ny Fiangonana, ny fifanarahana no mametraka tsy mampandoa hetra ny trano natao manokana ao amin'ny asan'ny fiangonana (fahasalamana fototra, fanabeazana, asam-birao, hopitaly…). Ny lalànan'ny Fanampiana no tsy mampandoa IBI ny tranona vondrona na fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa, ankoatra ireo manana asam-pihariana tafiditra amina fandoavan-ketra hafa. Ny lahatsoratry ny elEconomista.es, amin'ny fandraisana ho ohatra ny fanapahan-kevitry ny ao Zamora no ahafahana manavaka ireo fahasamihafana ireo.

Imagen de la página de Facebook «Estado del Malestar Madrid»

Sarin'ny pejy Facebook «Etat du mal-être Madrid»

(…) ny fanorenana tafiditra anatin'ny Fifanarahana amin'ny Eglizy (…) sy ny lalànan'ny Mécénat [fanampiana ara-bola] (…) dia tsy handoavan-ketran-trano hatrany.

Saingy, efa noankotrihina ny lisitr'ireo fanorenana ireo, tsy ao anatin'ny fifanarahana intsony ny betsaka ka tsy maintsy ampandoavina IBI. Toy izany ohatra ny amin'ny Mozean'ny Katedraly. Raha mbola tsy mandoa hetra itsy farany, ny trano iray ahitana ny mozea kosa tsy maintsy mandoa hetra, satria asa mampidi-bola.

 

Momba ny hetra isam-paritra, mampivoitra ity lahatsoratra iray ity :

Araka ny fanazavana nataon'ny fiadidiana ny tanàna tamin'ny elEconomista, nampiarahana tamin'ny IBI ny hetra momba ny fako avy tao an-trano teo aloha. Ankehitriny kosa, ary efa maro ny fiadidiana ny tanàna no manao izany, dia aloa misaraka izy roa ireo. Noho izany ny tranon'ny fiangonana manana fako avy tao an-tranony dia tsy maintsy mandoa.

Fehiny, tahaka ny nanadino nandoa ny IBI sy ny hetra amin'ny trano sasantsasany ny Eglizy katolika. Mety tsy ho vola betsaka izany, saingy amin'izao fotoan-tsarotra ara-toekarena izao, raha takiana hiezaka hanao mihoatra noho izay tratran'ny heriny ny fianakaviana espaniola, mety kosa raha mba manao ho ohatra amin'ny fandoavana ny adidy tokony ataony ny fiangonana katolika.

Somary nandrahona i Isidro Catela nilaza teo amin'ny vohikalan'ny Vaomiera Episkopaly :

Hanatontosa ny iraka nampanaovina azy hatrany amin'ny fitaovana eo ampelatanany ny Eglizy. Mazava loatra fa raha kelikely kokoa ny loharanom-bolany dia mety hihena ny asany, nefa na ampy na tsy ampy fitaovana, hiezaka hatrany izy ny hanao be ho an'ireo mila fanampiana.

Manampy ny tranonkalan'ny Fiangonan'i Navarre :

Raha milaza ny lalàna fa tsy maintsy mandoa ny IBI ny eglizy dia hanoa ny lalàna mazava loatra izy. (…). Miharihary fa hampihena ny loharanombolan'ny fiangonana mety hampiasana filàna hafa ny fandoavan-ketra. (…)

Ny zava-misy, ny ankamaroan'ny asam-pamonjena (fiantràna) ataon'ny Eglizy katolika dia saiky amin'ny alalan'ny Cáritas avokoa. Avoakan'ity fikambanana ity ao amin'ny tranonkalany ny tatitra ara-bola ambangovangony, mba ho hitan'ny rehetra. Samy mahita ny isa marina avy amin'io ny rehetra, tsy voatery hiankina amin'ny lazain'ny mpiaro na mpanenjika ny fiangonana. Tsikaritra eo fa sombiny kely avy amin'ny tahirim-bola eo ampelatanan'ny Cáritas no avy amin'ny Fiangonana amin'ny maha-rafitra azy, izay ataony amin'ny alalan'ny Tahiry Iraisan'ny Diosezy sy ny Fikambanana Dioseziana.

TAONA

TOTALIN'NY TETIBOLAN'NY CÁRITAS (€)

FANDRAISANA ANJARAN'NY FIANGONANA (€)

Tahiry Iraisan'ny diosezy

Fikambanana Dioseziana

2007

200.278.373,27

327.783,79  (0,2%)

2.410.656,08  (1,2%)

2008

216.916.013,54

332.168,89 (0,2%)

1.641.758,19  (0,8%)

2009

230.017.789

298.671   (0,1%)

1.878.914  (0,8%)

2010

334.448.494

tsy voalaza

tsy voalaza

 

Tsy misy fanomezana voasoratra ao amin'ny taona 2010, na lasa any amin'ny zavatra hafa, na tsy nisy fotsiny izao.

Na ahoana na ahoana, raha jerena io tarehimarika io, tsy manan-kahiana loatra ny Cáritas raha manapa-kevitra ny hitaky amin'ny Fiangonana hanefa ny adidiny aminy ny vondro-paritra (fiadidiana ny tanàna) espaniola.

Tsara ihany koa ny manamarika fa tamin'ny volana febroary lasa teo, nanapa-kevitra ny hampandoa ny hetra mitovitovy amin'ny IBI, amin'ny trano fananan'ny Fiangonana, tsy ampiasaina hanaovana fivavahana, any aminy ny governemanta italiana, nahafahany nampifanaraka ny lalàna any aminy amin'ny fenitra eoropeana momba ny fanampian'ny fanjakana, sy isorohany amin'izay mety ho fanasaziana avy any amin'ny Vaomiera. Eoroparlemantera Espaniola maro, tamin'ny volana mey teo no nangataka tamin'ny Vaomiera Eoropeana hanazavazava amin-dry zareo ity resaka tsy fandoavan-ketran'ny Eglizy ao Espaina ity, raha mifanaraka amin'ny fenitry ny tsena anatin'ny Vondrona Eoropeana izy io na tsia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.