Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”

Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny taona maro nahazoan'i Okraina ny fahaleovantenany tamin'ny 1991

Nandrehitra labozia ireo mpandray anjara tamin'ilay famoriam-bahoaka sady nitsangana nanodidina boaty vita tamin'ny taratasy fotsy nisy ny anaran'ireo mpanao gazety rehetra maty voasoratra tamin'ny lafiny, hatramin'ny teny hoe “voninahitra,” “fahamendrehana,” “fahamarinana,” ary “fahalalahana miteny” (sary [uk] an'i Andriy Balan/@Andriy7MU)

Georgiy Gongadze memorial rally of 2011. Photo by Veronica Khokhlova……Le rassemblement à la mémoire de Georgiy Gongadze en 2011. Photo Veronica Khokhlova.

Taty aoriana kely, narehitry ry zareo ireo boaty (sary [uk] avy amin'i Andriy Balan/@Andriy7MU), ary koa nandoro saribe [uk] misy ny sarin'ny Filoha teo aloha Leonid Kuchma sy ny lefiny, ny Filohan'ny Parlemanta Volodymyr Lytvyn, izay ninoana fa nanana andraikitra goavana notànana tamin'ireo fanjavonana tao Gongadze ireo.

Namela ho any aoriany ireo mari-pamantaran'ny “lavenon'ny fahalalahana miteny,” nanao diabe ny olona nony avy eo niakatra avy teo amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ho any amin'ny foiben-toeran'ny Fandraharahan'ny Filoha, mba hitaky fanadihadiana mazava momba ireo trangam-panjavonana tao Gongadze.

Anton Hurin (‏@AntonHurin), mpampiasa twitter nibitsika hoe [uk] :

12 taona izao, ary dia mbola tsy misy voasazy foana ireo tena tompon'andraikitra. Ankoatra izay, ny sasany amin'izy ireny aza mbola ao anatin'ny sehatry ny politika hatrany. […]

Vondrom-piarahamonina irey ety anaty aterineto ahitàna ireo mponina ao Kyiv ny @Kyi_Net no nibitsika hoe [uk]:

[…] Ny fifanarahana niaingana dia [hanao diabe] tsy misy teny faneva, saingy ny olona dia nihiaka [nanerana ny làlana]: “Kuchma – gadrao!”, “Fahalalahana- miteny!”, “Miala daholo ny jiolahimboto !” […]

Olha Perekhrest (olli_grafomanka, mpampiasa LJ) dia nampakatra sary ho ao amin'ny bilaoginy avy amin'ilay famoriam-bahoaka ho fahatsiarovana ary nanoratra hoe [uk] :

[…] Izao no ilay takariva isaintsainan'ny olona hoe, “Raràn'Andriamanitra tsy ho lasa mpanao gazety ara-politika ny akàmako.”

Novakiana ny anaran'ireo namoy ny ainy. [Hita] nihantona, nodorana velona, dian-tsindrona teny amin'ny vatany, [natao taminà fifanarahana hamono olona], ratra noho ny tsindron'antsy, ratra teny amin'ny loha… Tsy misy olona tokony ho faty satria hoe nanatanteraka ny asany.

Nandrehitra labozia izahay. Nametraka voninkazo teo amin'ny lavenon'ny fahalalahana miteny. Iray minitra fahanginana. Saingy fahanginana lalina no nameno an'i Maidan [Kianjan'ny Fahaleovantena] na izany aza. Ny feon'ireo metaly nesorina tamin'ny sehatra avy nanaovana fampisehoana natao ny omalin'io sisa no hany re. Nitohy ny fiainana tany ivelan'ny faribolan'ireo olona [tonga ho amin'ilay famoriam-bahoaka]. Ny sasany nanatona, nanontany izay zava-mitranga. Ny sasany niato teo. Lanin'ny afo ireo endrika sy anarana. Ary ity feom-by mampangoritsina ity…

Fahalalahana miteny amin'ny fomba Okrainiana – tonga ary mikiakiaka amin'ny rindrina.

Saingy ilaina ny tonga sy mikiakiaka. Farafaharatsiny mba afaka mihaino ny akon'ny feonao ihany ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.