Zambia: Mampidi-doza Ho An'ny Tontolo Iainana ao Lower Zambezi ny Tetikasa Fitrandrahana

Loza mitatao ho an'ny tontolo iainany sy ny Valan-javaboahary Mana Pools ao Zimbabwe mifanila aminy ny fitrandrahana ao amin'ny Valan-javaboahary Lower Zambezi ao Zambia. 200 km latsaka midina miala ao amin’ny tohodrano Kariba no misy ireo valanjavahoary roa, anisan’ny manankarena biby sy iray amin’ireo vakoka tavela ahitana elefanta goavana indrindra ao Afrika Atsimo.

Manahy ny ny mpiaro ny biby sy ny tontolo iainana noho ny antso amin’ny fampiasam-bola amin’ny fitrandrahana ao Kangaluwi, faritra iray sokajiana ho lovantsofina iraisam-pirenena miampy ireo valan-javaboary roa ao amoron’ny renirano Zambezi.

Map of proposed location of open pit mine in the Lower Zambezi National Park

Niresaka momba ny I.P.A Manning, mitantana ny fitakiana ofisialy Change.org manohitra ny tetikasa fitrandrahana ao Zambezi, Economy News (Vaovao ara-toekarena) nanoratra hoe:

Nambaran’ny UNESCO fa vakoka iraisam-pirenena ny valan-javaboahary Lower Zambezi taorian’ny fifanarahana tamin’ny Governemanta Zambiana ny amin’ny tsy fanomezana fahazoan-dàlana amin’ny fitrandrahana ao amin’ny vala.

Nahazo fiofanana ny vondrona Facebook, Save Mana Pools, mba hanentana ny olona hanohitra ny fitrandrahana ao amin’ny faritra. Nanoratra tao amin’ny rindrina Facebook, hoy i Audrey Masara nilaza:

Mampalahelo! Reko fa miandry fotsiny ny valinteny avy amin’ny EIA ny orinasa nahazo ny fahazoan-dàlana hitrandraka, hatombok’izy ireo avy hatrany ny asa raha vao azo ny valinteny. Manantena ny mpitantana ny orinasa fa nomen’Andriamanitra ho azy ireo ny harena ao mba hangoniny ka izany no anton’ny hanaovana ny fitrandrahana manokana ka omena tsiny ny faritra mikasika ny jeôlôjia (haibolantany). Ahoana ny fijerinao?

Vakio ny fitakiana Change.org:

Toa efa nambaran’ny UNESCO fa fananana iraisam-pirenena ny valan-javaboahary Lower Zambezi taorian’ny fifanarahana tamin’ny Governemanta Zambiana ny amin’ny tsy fanomezana fahazoan-dàlana amin’ny fitrandrahana ao amin’ny vala. Na dia izany aza, nanomboka nanome alàlana hanaovana fanadihadiana momba ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana i Zambia izay orinasa Aostraliana no manatontosa izany, tetikasa fitrandrahana maro no misokatra ao amin’ny valan-javaboahary Zambezi, manome hevitra ny amin’ny tokony hanovana ny fomba fisainan’ny antokon’ny governemanta Mandan'ny Tia Tanindrazana “Front Patriotic”. Tokony handroso ve ny fitrandrahana, iray amin’ireo faritra midadasika tavela ahitana zavaboahary ao Zambia – tafiditra amin’izany ny faritra ao amin’ny valan-javaboahary Mana Pools (fananana iraisam-pirenena) ao Zimbabwe sy ny Vala-javaboahary bolanaina (Biosphère)  anatin'i Zambezi, izay mety ho rava.

Efa nitsidika ny valan-javaboahary Lower Zambezi i Diane Abspoel, hoy izy nanoratra tao amin’ny Facebook:

Mba misy olona mahafantatra ve fa ho simba ny fizahan-tany (toy ny safaris) ary ho rava ny fotodrafitrasa amin’ny faritra hitrandrahana noho ny tetikasa fitrandrahana manerana ny vala-javaboahary. Ary mety ho rava ihany koa ny toerana haolo midadasika itoeran’ny biby sy ny zavamaniry dia. Nitsidika ny faritra aho herintaona lasa izay, na dia maro aza ireo toerana mahafinaritra efa notsidihako teto Afrika, ity no nitàna ny laharana voalohany tamin’ny lisitrako.

Raha mitombo ny fitrandrahana, raha mitohy sy mandroso izany, dia hitarika ny fitomboan’ny mponina ao amin’ity faritra somary vitsy mponina ity izay ny fizahan-tany no sehatra ara-toekarena mibahana voalohany, ary avy amin’izany no hiavian’ny fahasimbana sy ny fampiasana ny toerana fonenan’ny biby sy ny fihazana tsy ara-dalàna noho ny fitomboan’ny asa ataon’ny olona

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.