Ejipta: Tanora Miatrika Ny Fitsabahan'ny Tafika Any An-tsekoly

Hatramin'ny nionganan'ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak ary ny fitantanan'ny tafika ny vanim-potoana tetezamita, nitanty fanakianana tsy mitsaha-mitombo ny tafika. Maro samihafa ireo vondrona revolisionera nanameloka ny fanimbazimbàna sy fanosihosena ataon'ny tafika. Iray amin'ireny vondrona ireny ny Tsy Mila Fitsarana Miaramila izay mampifantoka ny asany amin'ny fisoloana vava manohitra ny fandefasana sivily any amin'ny fitsarana miaramila. Fanentanana iray antsoina hoe Tafika Mpandainga no mampiasa ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra hanasongadinana ny fampiasan'ny tafika herisetra amin'ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana. Ny hafa indray nifantoka tamin'ny fanarahamason'ny tafika ny raharahan'ny sivily amin'ny ankapobeny. Sady koa, mitombo ihany koa ny fanakianana ny rafitra mamaritra ny fari-piadidiana ara-tafika.

Ny Hetsika Tsy Mila Fandraharahana Miaramila dia noforonina tamin'ny  2009 ary vao haingana no nisy mpikambana avy amin'io fanentanana io nilaza  ny fandàvan-dry zareo tsy hisoratra amin'ny fitsarana hanao raharaha miaramila noho ny foto-kevitra mandàla fandriampahalemana tànan'izy ireo.

Nanao dingana lavidavitra kokoa i Ahmed Hassan, bilaogera sady tanora iray mpikambana ao anatin'ilay vondrona hanoherany ny rafitra miaramila tamin'ny alàlan'ny fandàvany  ny fanomezana endrika miaramila ny sekoly. Ao Ejipta, ny lisea sasantsasany sy ny anjerimanontolom-panjakana rehetra dia mitaky ny tsy maintsy hanatrehan'ny mpianatra ny kilasy fampianarana momba ny raharaha miaramila. Noraisin'ilay hetsika ho nanao dingana goavana i Ahmed taminà hetsika am-pilaminana hanehoana ny fanitsakitsahan'ny tafika Ejiptiana ny zo fototra maha-olona amin'ny fanerena ny ankizy madinika hanao fanazarantena miaramila.

Ao anatin'ity lahatsary ity [ar], nakarina ao amin'ny YouTube, manazava ny asany i Ahmed (potsiro  ny cc raha hijery ny dikanteny Anglisy):

Tany amin'ny sekoliny i Ahmed no nanomboka ilay fanentanana antsoina hoe  “Tsy Mila Fanomezana Endrika Miaramila Ny Sekoly” nanainga ireo mpianatra hibodo ny fampianarana momba ny raharaha miaramila tao amin'ny sekoliny ao Minia, tanàna iray any atsimon'i Ejipta. Ho setrin'ny fanentanana nataony, ny mpitantana  ny sekoly dia nanova ny anaran'ny sekoliny hiala amin'ny hoe Minia High School for Boys (Lisean-jazalahy ao Minia) ho Lisea Miaramila ho an'ny Zazalahy ao Minia. Nambara taminy fa tsy hahazo  ny diplaomany avy amin'ny sekoly izy ary ho voasazy hanaraka fanofanana miaramila mandritra ny 15 andro ao amin'ny toby miaramila any an-toerana. Kanefa, nisisika nijoro tamin'ny heviny izy ary nibodo tsy nanao fanadinana momba ny raharaha miaramila. Taorian'ny fitozoany tamin'ny tolony, azony ihany ny antontan-taratasy momba azy tao an-tsekoly ary azony ny diplaoma famaranana ny lisea, vitany ny tolony ary nametraka savaravina ho an'ny sekoly toy izany iny.

Ny Hetsika Tsy Mila Fandraharahana Miaramila dia nidera an'i Ahmed tamin'ny fahasahiany :

Miarahaba an'i Ahmed Hassan noho ny fahasahiany sy ny fijoroany tamin'ny heviny ary ny foto-pisainany ny hetsika, ary tamin'ny fiatrehana ny fidiran'ny resa-miaramila amin'ny fiainana andavanandro taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Miantso ny tafika Ejiptiana hanaraka ny lalàna iraisam-pirenena sy hanatsahatra ny fampanaovana fanazarantena ara-miaramila ny ankizy tsy ampy 18 taona ihany koa ilay hetsika. Fonga ny fotoana hanadiovana ny sekoly Ejiptiana amin'ny karazana endrika ara-tafika sy fampianarana ara-miaramaila rehetra.

Ahmed mitàna ny sorabaventy “Mpandainga”. Sary avy amin'ny Twitter-ny, @S_Takoza

Nanao ity tafatafa manaraka ity ny Global Voices , niarahana tamin'i Ahmed Hassan :

Global Voices (GV): Inona no nanosika anao hanatevin-daharana ilay hetsika manohitra ny fanerena hao raharaha miaramila ?

Ahmed Hassan (AH): Talohan'ny revolisiona aho no nandre mikasika ilay hetsika ary namaky mikasika izany tao amin'ny bilaogin'i Maikel Nabil (Mpanangana ilay hetsika) ary hitako ho feno fahasahiana ny nataony. Taorian'ny namakiana misimisy kokoa mikasika ny fanerana hanao raharaha miaramila, dia tonga nino ny maha-endri-panandevozana azy io aho. Taorian'ny nandavako tsy hiatrika ny fanadinana momba ny fampianarana ara-miaramila, dia nifandray tamiko ny tao amin'ny hetsika ary dia lasa mpikambana ao aho.

GV: Inona no anjara andraikitra azon'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tànana amin'ny fandrisihana ny fiovana ara-tsosialy?

AH: Tena zava-dehibe ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, indrindra fa  ho an'ny tanora, ary heveriko fa tena mitàna anjara toerana mahomby tokoa izy amin'ny fanetsehana olona. Saingy inoako kosa fa voafetra ny fiantefan'ny faampahalalam-baovaon'olon-tsotra, na dia mampiasa azy io koa aza ny tenako mba hanapariahana feo mikasika ny toloko sady koa mampiasa azy hanetsehana mba hanao hetsi-panoherana.

GV: Ahoana hoy ireo ray aman-dreninao nanoloana ny hafanam-ponao ?

AH: Fantatr'izy ireo ny toerana hisy ahy ao an-tsekoly amin'ny fiafaran'izy iny, ary rehefa fantatr'izy ireo dia tezitra ry zareo ka niteny tamiko mba hifantoka betsaka amin'ny hoaviko. Niresaka tamin'ny raiko aho ary nandresy lahatra azy mikasika ny fomba fijeriko sy ny zoko. Kanefa, hatramin'ny anio dia mbola tsy faly ry zareo mikasika ny hafanam-poko ara-politika ary dia manohy ny ataoko an-katakonana tsy eo anatrehan-dry zareo aho!

GV: Inona no hetsika hafa andraisanao anjara eo amin'ny fiarahamonina misy anao ?

AH: Mirotsaka an-tsitrapo miaraka aminà vondronà tanora samihafa aho, toy ny Hetsiky ny 6 Aprily. Ao anatinà tetikasa fandrisihana ny fandraisan'ny tanora anjara any an-tsekoly ihany koa aho  mba hahafahan'izy ireny manangana andiam-pianatra sy havitrika ao anatin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Nanomboka fanentanana iray ihany koa aho hiadiana amin'ny filàna kisa amin'ny resaka filàn'ny nofo ary mbola ao anatinà hetsika ara-javakanto hafa koa.

GV: Ejipta manao ahoana no mba irinao ho hita amin'ny hoavy ? 

AH: Raha mikasika ny governemanta dia iriko ny hanajàny ny zo sy ny fahalalahan'ny vahoaka. Ho an'ny vahoaka, dia iriko ny vahoakanay mba hahalàla feno ny zony ary hikatsaka mafy ny hahatanterahan'izy ireny.

GV: Inona no tianao hampitaina amin'ireo tanora hafa ao anatin'ny fiarahamonina misy anao?

AH:  Lazaiko amin'ireo tanora indray mihira amiko fa miaina vanim-potoana iray isika izao, izay andravàn'ny olona ny sakantsakan'ny tahotra sy itakian-dry zareo ny zony ka tokony hitàna izay efa azontsika isika ary tsy hamela velively , na iza na iza, hanararaotra hanaisotra izany amintsika .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.