Fanentanana Vaovao Sy Teny Filamatra : Ny Valiny Dia Kolombia

Tamin'ny fiandohan’ny volana Septambra, namoaka lahatsary fanentanana vaovao ny Marca Colombia [es], sampan-draharaha ofisialin’ny governemanta miandraikitra ny marika Kolombia, ahitana teny filamatra hoe “Ny valiny dia Kolombia” [es] izany.

Niteraka fanehoan-kevitra marobe tao amin’ny Twitter ny lahatsary, nampiasana tenifototra hoe #LaRespuestaesColombia [es] (Ny Valiny Dia Kolombia), lohahevitra nironana nandritra andron’ny Asabotsy 8 Septambra io tenifototra io.

Namintina ny fanentanana taminà sioka maromaro ny kaonty Twitter ofisialin’i Marca Kolombia (@MarcaColombia) [es]:

@MarcaColombia: La inversión en la marca Colombia busca generar retorno para el país en inversión, conocimiento, confianza y progreso http://goo.gl/TkpO1

@MarcaColombia: Ny hijinja vokatra tsara ho an’ny firenena amin'ny alalan'ny fampiasam-bola, fizàrana, fitokiasana ary fandrosoana no kinendrin’ny fampiasam-bola amin'ny marika Colombia http://goo.gl/TkpO1 [es]

@MarcaColombia: Todos somos parte de la respuesta. Cuéntanos esos hechos que te hacen sentir orgulloso de ser Colombiano #LaRespuestaEsCOlombia

@MarcaColombia: Ao anatin'ny valiny avokoa isika rehetra. Lazao anay inona no mahatonga anao hirehareha amin'ny maha-Kolombiana anao #LaRespuestaEsCOlombia

Tamin’ny valinteny, nampiasa ny tenifototra  #LaRespuestaesColombia (Ny Valiny dia Kolombia) ireo Kolombiana marobe mba hilaza zavatra tsara momba an’i Kolombia.

Ohatra,  mpiasa ambony  ao amin’ny ny onjam-peo iray nandefa toy izao, Marcela Alarcón (@MarcelaAlarcon) [es]:

@MarceLaALarcon: Dónde SI recibimos a los extranjeros con amor, con cordialidad y amabilidad? #LaRespuestaesColombia

@MarceLaALarcon: Aiza ireo vahiny no raisina am-panajana, am-pirahalahiana sy am-pitiavana? #TheAnswerIsColombia

@MarceLaALarcon: Lo máximo! RT @diazanalucia: @MarceLaALarcon Donde todos los vecinos se saludan sin conocer #LaRespuestaesColombia

@MarceLaALarcon: Izany No Tsara indrindra! RT @diazanalucia@MarceLaALarcon Rehefa mifampiarahaba ny mpifanolobodirindrina, eny fa na dia vahiny aza? #Kolombianovaliny

@MarceLaALarcon: Dónde hay gran variedad de climas, sin esperar muchos meses? #LaRespuestaesColombia

@MarceLaALarcon: Rehefa ahitana toetr’andro isan-karazany tsy mila miandry amam-bolana? (zara raha mandeha aminà kilometra vitsy aza) #NyValinyDiaKolombia

Jenny López (@JenTomy) [es] naneho ny fijeriny feno fanantenana  tamin’ny valinteniny:

@JenTomy: Cual es el país donde vivimos tan felices a pesar de tantas cosas tan absurdas que pasan y nada nos queda grande??

@JenTomy: Rehefa afaka miaina am-pifaliana isika na dia eo aza ny zavatra mahasosotra mety hitranga, rehefa tsy misy sarotra tsy azo resena?? #NyValinyDiaKolombia

Toy izany ihany koa, Johana Moreno (@JjohanaMoreno) [es] nanoratra hoe:

@JjohanaMoreno: En que país, que aunque se este lleno de problemas, se puede vivir feliz? #LaRespuestaEsColombia

@JjohanaMoreno: Firenena aiza no ahafahana miaina am-piadanana raha mandifotra ny olana? #NyValinyDiaKolombia

Alejandra Mazo (@Aleja_Mazo) [es] naneho hevitra milaza fanentanana hafa momba ny Kolombiana tamin’ny teny filamatra hoe “Ny Fitadiavana hipetraka fotsiny no mampanahy”:

@Aleja_Mazo: Quieres un país donde no hay amigos sino hermanos, donde el único riesgo que corres es que te quieras quedar?.

@Aleja_Mazo: Mitady firenena ahitana rahalahy ve ianao fa tsy namana,  mety ho zava-doza ho anao ny te-hijanonana amin'izany? # TheAnswerIsColombia

Na dia izany aza, nampiasaina ihany koa ny tenifototra tsy hanasongadinana ny zavatra tsara momba an’i Kolombia ihany.

Cepeda the Nose (@Madamemagola) [es] nampahatsiahy fa tsy mety mandeha eny amin’ny faritra akaiky hafa ny fiarakaretsaka sasantsany satria lazain’izy ireo fa mampidi-doza ho azy izany:

@Madamemagola: ¿En qué país el taxi lo lleva sólo si le sirve la ruta? #LaRespuestaEsColombia.

@Madamemagola: Firenena aiza no tsy mety handehanan’ny fiarakaretsaka raha toa ka tsy tian’izy ireo ilay faritra aleha? #NyValinyDiaKolombia.

Sergio Falla (@_sergiofalla) [es] nanoratra hoe:

@_sergiofalla ¿Un país donde te matan por un celular?

@_sergiofalla Aiza ny firenena mety hisy hamono anao noho ny finday? #TheAnswerIsColombia

Cristian Gómez (@CristianGommez) [es] naneho ny heviny mikasika ny kolikoly politika:

@CristianGommez: En qué país hasta el gobierno nos roba? #Tristemente #LaRespuestaEsColombia.

@CristianGommez: Aiza ny firenena fa ny fitondrana aza dia mandroba antsika? #Indrisy #NyValinyDiaKolombia.

Nandritra izany, i @tatanGeorge) [es] nanontany ny fifandraisana misy eo amin’ny governemanta sy ny mpanohitra:

@tatanGeorge: En donde el presidente y el líder de la oposición pertenecen al mismo partido? #laRespuestaesColombia

@tatanGeorge: Firenena aiza no misy filoha sy ny filohan’ny mpanohitra samy ao anaty antoko iray? #NyValinyDiaKolombia

Carlos Duque (@_carlosduque) [es] nanamarika hoe:

@_carlosduque: Asegurar que “Colombia es la respuesta” es como decir que tenemos la solución sin definir cual es el problema.

@_carlosduque: Ny fanomezana antoka fa ny “Ny Valiny dia Kolombia” no midika fa manana vahaolana isika ary  tsy  mila mamaritra hoe aiza ny olana.

Mbola manohy maneho ny heviny samihafa ao amin’ny Twitter ireo mpiserasera Kolombiana  amin’ny alalan’ny tenifototra hoe #LaRespuestaesColombia [es] (#NyValinyDiaKolombia). Azonao jerena ao amin’ny Pejy Facebook-n'ny Marca Colombia [es] ireo fanehoan-kevitra rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.