Libanona: Mozea Virtoalin'Ny Sivana

Mirehareha ho manana Mozea Virtoalin'ny Sivana ankehitriny i Libanona, rakitra an-tserasera momba ny sivana niseho tao Libanona nanomboka ny taona 1940. Ny fikambanana Libaney MARCH no nanangana sy nampahafantatra ny tranokala mba hisarihana ny saina mikasika ny vaovao momba ny zavatra/tranga rehetra efa nosivanina.

Tamin’ny 2 Septambra 2012, andro nisokafan’ny Mozean’ny Sivana, hoy ny MARCH:

TONGASOA ETO AMIN NY MOZEA VIRTOALIN'NY SIVANA ETO LIBANONA!

Raha misy manontany hoe inona no tratran’ny sivana teto Libanona, OVIANA, ary indrindra NAHOANA? Eto ny toerana ahitanao ny valiny.
Eto, afaka mahita ireo tranga/fitaovana tratran’ny sivana hatramin’ny taona 1940 ianao!

Avez-vous connaissance de quoi que ce soit faisant l'objet de censure, étant menacé de censure ou ayant été censuré et qui nous a échappé ? Efa nahare izay rehetra mety nosivanina, na norahonana hosivanina na efa voasivana tany aloha tany ka tsy fantatray? Aza misalasala mitatitra izay fantatrao mba hamenoana ny rakitra.

Afaka mitatitra momba ireo horonan-tsarimihetsika, mozika, tantara tsangana, boky, printy sy ny votoaty amin’ny haino aman-jery voasivana nanomboka tamin’ny taona 1940 ny mpiserasera mba apetraka amin’ny tranokala. Angatahana mba omena ny anaran’ireo zavatra na asa voasivana, ny daty nanasivanana azy, ny tompony sy ny antony.

Ohatra,Voaràra ny horonantsary ilay mpanao didy  jadona lehibe notontosain’i Charlie Chaplin  tamin’ny taona 1940 noho izy milaza momba ny fanoherana ny Nazi. Nandritra izany, tamin’ny taona 1990, nahazo  fandrahonana avy amin’ny Vaomiera Nasionaly Misahana ny Haino Aman-jery ny  LBC International mba hampiato ny fandaharany  noho ny fandefasany mivantana tafatafa nifanaovana tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Isiraeliana teo aloha, David Levy, tamin’izany fotoana izany.

Ny taona 2012, niheren-doza tamin’ny fikasana hamono azy ilay mpanao gazety Libaney Moustafa Geha. Mpanao sariitatra iray nanao ny sarin’ny lehiben’ny  Hezbollah, Hassan Nasrallah ihany koa nahazo fandrahonana, ary  voaràra eny amin’ny toeram-pivarotam-boky kosa ny tantara an-tsary Persepolis an’i Marjane Satrapi noho ny “ fanevatevana ny Islamo sy Iran.”

Iza no manivana ao Libanona?

Mitanisa ireo  sampana Libaney efatra lehibe mitantana ny sivana ny Mozean’ny Sivana.

Ny Fiarovana Ankapobeny: Manome fahazoan-dalana,  Manara-maso, Manivana ny asa famoronana

Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao: Mandràra ny fandefasana votoaty vahiny; misintona ny dika amin’izany
Manome fahazoan-dalana amin’ny fandefasana fandaharana tsi-ndraindray
Afaka mampiato fahitalavitra mandritra ny 3 andro farafahabetsany
Miara-miasa amin’ny Fiarovana Ankapobeny amin'ny fanivanana dieny eny ampanombohan ‘ny horonantsary

 

Komitim-panjakana Manokana: Raha sendra mahita antony ampy tokony handraràna ny fandefasana ny ampahany na ny horonantsary manontolo ny Sampana Fiarovana (fitsikilovana), tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ny Komity araka ny vato betsaka lanin’ny mpikambana ao aminy mikasika ny tokony handefasana na tsia ilay horonantsary, na ny tokony hamafana ny ampahany ao amin’ilay horonantsary na handràra mihitsy ny fandefasana ny horonantsary manontolo. Ny Minisitry ny Atitany irery ihany no mamoaka ny fanapahan-kevitra amin’ny fomba ofisialy.

Filankevitra Nasionaly Misahana ny Haino Aman-jery: Nanjary “alika mpiambina ny Haino Aman-jery” ny Filankevitra. Natsangana ho toy ny komity fakàna hevitra ho an’ny governemanta izany mba handaminana ny fahitalavitra sy ny onjam-peo; efa mieli-patrana ankehitriny ny mpiasa ao amin’nv Filankevitra ka tonga hatramin’ny fandaminana ny tranonkala sy ny bilaogy (inona? Manao sivana amin’ny fahitalavitra , onjam-peo sy ny aterineto)

Ny Anton’ny Sivana

Ao Libanona,  noho ny ara-politika, finoana, sy ny fitondrateana no anton’ny fampiharana ny sivana.  Nanazava toy izao ny Mozean’ny Sivana:

Antony politika: mikasika ny fifandraisan’i Liban amin’ny firenena namany, mitandrina mafy ny mpanivana noho ny mpanao politika ao amin’ny fitondrana Arabo ary miezaka mafy hanamafy sy hitazona ny fifandraisana misy amin’ireo firenena namana, ary mandràra ny famelezana ny Palestiniana sy ny Arabo amin’ny ankapobeny. Efa nosivanana araka ny tokony izy ny horonantsary momba ny ady an-trano hatramin’ny taona 90, izay mifototra amin’ny foto-kevitra momba ny ady “mandrahona ny filaminam-bahoaka”.

Isiraely: mikasika ny fifandraisana amin’ny Firenena fahavalo, mifototra amin’ny lalàna ao an-toerana mametraka ny fanaovana fahirano ny vokatra isiraeliana rehetra aloha izany voalohany indrindra. Faharoa, sivanina ihany koa ny endrika dokambarotra sy fanehoana fiaraha-mientana rehetra amin'i Isiraely: Notanterahina nanerana ny ligy arabo izany tamin'ny voalohany. Ankehitriny, Libanona sy Syria sisa no manaraka izany tanteraka(…)

Fivavahana: Raha misy ny asam-pamoronana mety hanohintohina fombam-pivavahana dia alefan'ny Fiarovana Ankapobeny any amin'ireo andrim-pivavahana faratampony aloha ireny (matetika ny Ivom-pahalalàna Katolika na ny Dar-al-Fatwa, fahefana miozolomana sonita faratampony any Libanona). esorina avokoa ny sehatra na lohahevitra mety hampanontany tena amin'ny fahafahan'ny fombam-pivavahana manohitra ny ratsy sy ireo sehatra maniratsira.

Votoaty vetaveta sy tsy manaja ny maoraly: voarara tanteraka izay manohintohina ny maoraly, ny fiboridanana, sy ny resaka vetaveta sy fahadalana ary ny mpanivana amin'ny ankapobeny no mamaritra hoe ny aiza amin'ny horonantsary na tsangan'asa no manohintohina ny fomba fisainan'olona. Voarara ihany koa ny asa manandratra ny fitiavan'ny mitovy fananahana fa avela ihany ny mahazo alalana kosa ny sehatra misy herisetra na miresaka zava-mahadomelina.

Fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter

Tao amin'ny Twitter, noarahabaina ny fisantaran'andraikitra:

@SultanAlQassemi: Hevitra tena tsara izany: Mozea Virtoalin'ny Sivana (Libanona) censorshiplebanon.org via @Sandmonkey Mila izany ny firenena manamorona ny helodrano tsirairay avy

@mirabaz: Mahafinaritra izany:  inona no tratran’ny sivana, oviana ary nahoana–> censorshiplebanon.org v @SultanAlQassemi

@ramseygeorge: Mahafinaritra izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.