Bahrain: Efa Raràna Fa Mbola Manohy Ny Hetsi-panoherana Ny Mpanohitra

Taorian’ny fiatoana naharitra telo volana mahery noho ny fandàvan’ny minisiteran’ny Atitany  (MOI) hanome fahazoan-dalana ny fihetsiketsehana na diabe kasain’ny mpanohitra atao, notontosain’ny fikambanana ihany ny famoriam-bahoaka faharoa tao amin’ny araben’i Manama, tamin’ny Zoma lasa teo [7 Septambra 2012].  Nanambara tao amin’ny Twitter ny MOI fa tsy nahazoan-dalana ny famoriam-bahoaka ka tsy ara-dalàna ny fandraisana anjara. Tsy nahazo alalana avokoa ireo famoriam-bahoaka hafa tahaka izany teo aloha,  araka ny fanambarana an-gazety navoakan’ny minisitra, tsy ny renivohitra no toerana tokony hanaovana famoriam-bahoaka satria miteraka olana eo amin’ny fifamoivozana sy  miteraka voka-dratsy eo amin’ireo orinasa manodidina, izany no anton’ny fanakanana .

Chaikh Ali Salman, sekretera jeneralin’ny fikambanana mpanohitra Islamika AlWefaq ni-tweet fa tsy hanakana azy hamonjy fihetsiketsehana ny fanakanana [ar]:

إذا منعت سوف أنزل إلى عاصمتي ماشياً أو في سيارتي من أجل ممارسة حقي في التظاهر السلمي#يوم العاصمة

@WefaqGS: Raha raràna aho, vao maika handeha hitsangatsangana eny an-drenivohitra  na hitondra fiara mba hanatontosa ny zoko hanao fihetsiketsehana milamina.

Anisan’ny tonga voalohany tao Manama i Salman nandritra  ny fotoam-pivavahana  atoandro  notarihany tao amin’ny moskea Moemin, iray amin’ireo moskea  manatantara nohidiana nandritra ny fitroarana tamin’ny taona 90 ka nanjary toeram-pamoriam-bahoaka ho an’ny mpanohitra tamin’izany fotoana izany.

Mampiseho ny sombiny tamin’ny fihetsiketsehana tao Manama ity lahatsary narakitr'i mmeha89  ity:

Anisan’ireo noventsoina ny antso ho amin’ny fanafahana ireo gadra politika, ny fialàn’i Hamad [mpanjaka] sy ilay hiram-panoherana mahazatra momba ny Lohataona Arabo: “Mila ny fionganan’ny fitondrana ny vahoaka.”

Olona an-jatony no namaly ny antso hanao fihetsiketsehana, avy eo nosakanana ny  “Làlana Governemanta” ary nihantsona teny manodidina teny ny  polisy misahana ny rotaka mba handrava ny fikasan’ireo vahoaka hivorivory. Na dia izany aza, famoriam-bahoaka marobe tampoka no niseho tao ambadiky ny làlana ao Manama, izay noravain’ny polisy tamin’ny alalan’ny grenady sy baomba mandatsa-dranomaso avy eo. Nilanja ny sarin’ireo gadra ny mpanao fihetsiketsehana, niventsoventso ny teny filamatra manohitra ny governemanta ary nanasongadina ny zon’izy ireo hanao fihetsiketsahana ao an-drenivohitra. Nobahanan’ny polisy misahana ny rotaka tamin’ny fiara mifono vy ny arabe lehibe fidirana ao andrenivohitra, izay niteraka fitohanan’ny fiara tamin’ny arabe hafa. Niparitaka tamin’ny Twitter ny sarin’ireo arabe misy fitohanana sy ny sarin’ny làlana fidirana misokatra.

Polisy ao Manama,  sary: Twitpic @AJalilKhalil

Tsy nambaran’ny MOI ny fisian’ny fitohananan’ny fiara. Ka nahatonga ny sioka milaza fa noho ny  asa fanamboaran-dalana no mahatonga ny fitohanan’ny fiara manodidina an’i Manama

ازدحام مروري على شارعي الشيخ خليفة بن سلمان والملك فيصل المؤديان للمحرق لوجود منطقة عمل من الإشارة الضوئية الواقعة بالقرب من فندق الريجنسي وحتى الإشارة الضوئية بالقرب من فندق الشيراتون، وجاري العمل على تسهيل الحركة المرورية

@moi_bahrain : Mitohana ny fiara ao amin’ny Làlana Shaikh Khalifa Bin Salman sy King Faisal mankany Muharraq noho ny asa fanamboaran-dalana eo akaikin’ny jirom-pifamoivozana eo amin’ny Hotely Regency hatrany amin’ny jirom-pifamoivozana eo amin’ny Hotely  Sheraton, amboarinay ny làlana mba hanatsarana ny fifamoivozana.

Mbola nitohy nandritra ny tontolo andro ny gidragidra madinika sy ny fihetsiketsehana madinika. Nihahenjana ny toe-draharaha nialoha ny fotoam-bavaka maghreb [masoandro mody], raha tonga  nihodidina ny moskea nivavahan'i Ali Salman ny vondrona polisy misahana ny rotaka ho fisorohana ny fivorivoriana mety hivondrona hanao fihetsiketsehana indray.

Niafara tamin’ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana enina ny tontolo andro araka ny fanambaran’ny MOI. Namoaka fanambarana an-gazety ny MOI  ny ampitso ary nilaza fa efa napetraka eny amin’ny mpampanòa lalàna ny fitoriana sy ny fiampangana heloka bevava ny AlWefaq noho ny antso nataony ho amin’ny fihetsiketsehana, na dia nanohana hanao hetsi-panoherana amin’ny alalan'ny tambajotra sosialy aza ny fikambanan’ny mpanohitra dimy hafa.

Maro no tsy faly tamin’ny nataon'ny mpanohitra tamin’ny fihetsiketsehana notarihany na dia efa nisy aza ny fandraràna sy ny fanentanana nalefa tao amin’ny Twitter tamin’ny  tenifototra hoe “Akatony AlWefaq” #أغلقوا_الوفاق.  Naneho ny ahiahiny ny sasany tamin’ireo mpanao politika. Anisan’izany ny minisitry ny raharaham-bahiny  Shaikh Khalid AlKhalifa, izay nisioka hoe [ar]:

على الوفاق ان تحترم سلطة قوانين مملكة البحرين .. و الا فلتريحنا و تذهب بطائفيتها و عنجهيتها الى #كوكب_آخر

@khalidalkhalifa: Tokony hanaja ny fitondrana sy ny lalàn’ny Fanjakana Bahrainita ny AlWefaq, na tokony hampahery anay amin’ny itondrany ny sektarismany sy ny avonavonany amin’ny “planeta hafa” izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.