Aostralia: Fizarana Rononon-dReny Amin'ny Alalan'ny Aterineto

nahavariana ny sampana fampahalalam-baovao mahazatra sasany ny mikasika ny fizarana rononon-dreny amin’ny alalan’ny  tambazotra sosialy ao Aostralia sy ny faritra hafa manerana izao tontolo izao.

Ao amin’ny Mama manome ronono amin’ny tambazotra sosialy (Mums sourcing breast milk on social media) (02 Septambra 2012), no nitateran'ny News Limited.com.au:

Mandalo misoratra anarana ao amin’ny bankin-dronono ny RENY tsy afaka mampinono ka mihaona amin’ny olon-kafa ao amin’ny tambazotra sosialy mikasika ny fanomezana rononon-dreny.

Mifampiserasera amin’ny ray aman-dreny mila rononon-dreny  miaraka amin’ireo afaka manome izany [rononon-dreny] maimai-poana ny tambazotra iray antsoina hoe ‘Human Milk 4 Human Babies’ (Rononon-dreny ho an’ny Zazakely)

Breastfeeding Graffiti in New Zealand

Reny mampinono, Graffiti ao New Zealand. Sary tao amin'ny pejy Flickr an'i eliduke

Notsongain’ny fampahalalam-baovao vahiny tahaka ny IBN Live India  ity tantara ity.

Mora hita ny tranokala sy ny pejin’ny fampahalalam-baovao sosialy. Manana ny pejy Facebook-ny manokana ny  HM4HB tahaka ny Eats on Feets  izay manana ny laharany ao amin’ny Firenena Aostraliana  ao Tasmania sy Andrefany Aostralia.

Na dia teo aza ny karoka mikasika ny lohahevitra hitan’ny fampahalalam-baovao mahazatra vao haingana, tsy zava-baovao manokana ao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy izany. Tsy zavatra vao noforonina (concept)  ihany koa – karazana fivoarana efa nandrasana tamin’ny aterineto ny tranokala momba ny zazakely.

Gullible New Parent, monina ao Darwin, niresaka lohahevitra momba ny fiarovana tao amin’ny bilaoginy ny taona 2010:

Tsy zava-dratsy izany – indrindra raha te hampiasa  rononon-dreny avy amin’ny renim-pianakaviana hafa ianao, te ho afa-po ianao ka nandray fepetra toy izany izy ireo mba ahafahanao maka ronono raha te-hampinono ny zanakao manokana ianao. Tokony tsy hihinana zava-mahadomelina izy ireo izay mety  mifangaro amin’ny ronono, tokony tavoahangy voadio tsara no ampiasan’izy ireo ary marihana ao ny daty nampidirana ny ronono, sns. Tokony hitandrina tanteraka ianao fa olona tsy voan’ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana (SIDA) na aretin-kafa izy ireo satria mety hamindra ny zanakao izany. Noho izany, mila matoky tanteraka ny mpanome ronono anao ianao ary mila manaiky manao fitiliana aretina koa izy ireo.

Nijoro hatramin'ny taona 2010 ny HM4HB. Mila fotoana ela matetika ny fampahalalam-baovao mahazatra vao mahafantatra izay zava-mitranga ao amin’ny aterineto. Alexandra nanazava ny sasany momba ny lohahevitra tao amin’ny lahatsoratra bilaoginy, herintaona lasa izay, Ooo taboo! Who’s sharing milk (Ooo, tsy filaza! Iza no mizara nono?:

Tsy dia ampy ny vaovao any ho an’ny ray aman-dreny mitady nonon-dreny homeny ny zanany. Miandry am-panantenana ny fiovan’ izany aho.

Mpisera twitter Aostraliana iray, Lauren matoky ny tohanany:

@MsLozzaloulilei Ry Mama, aza zaraina ny nononao raha mampiasa ronono tsy voadio mampidi-doza. Fanampin’izany, fitiavan-kanohitra fotsiny izany. Ajanony ny te ho tonga lafatra. FFS. 2 Septambra 2012

Damo kosa niresaka momba ny fanaraha-maso ny fizarana

@ThatDamoGuy @lovelysqualor @eutraphalia Te hahita bankin-dronono napetraka isaky ny hopitam-behivavy sy ny ankizy manerana ny firenena aho. Ranom-bolamena izany. 2 Sept 12

Somary sahira-tsaina i Eutraphalia mikasika ny fitadiavam-bola atao amin’ny fizarana nonon-dreny:

@eutraphalia
@ThatDamonGuy @lovelysqualor  olo-tsotra mpanome ronono/ $80 / lafo loatra ary ny olana amiko dia ny rononon-dreny atao toy ny “vokatra”. 2 Sep 12

Na dia izany aza, misy fitenin’i Richard Nixon manao hoe tsy misy ny sakafo maimai-poana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.