India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda

Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray  ‘Jal Satyagraha‘ amin'ny  filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano  Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ny fomba fiteny hoe Satyagraha (fitànana ny marina)  naroson'i Mahatma Gandhi dia filaozôfia manokana sy fampihàrana, izay fantatra ihany koa ho fanoherana tsy misy herisetra na fanoherana sivily.

Usha Hegde mitatitra momba ilay hetsika :

Olona 51 milon-drano efa ho 14 andro misesy ao amin'ny Madhya ho faneherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hamaha ny hamoha ireo famoahan-drano rehetra ao amin'ny tohodranon'i Omkareshwar, izay hitondra amin'ny fahadiforan'ny tanànan-dry zareo . Mitaky fanonerana aminà toeram-ponenna sahaza izy ireo.

Dikasary avy amin'ny lahatsary maneho ilay  hetsi-panoheran'ireo nesorina noho ny tetikasa Tohodranon'i  Omkareshwar.

Ny bilaogy Tales of Narmada dia manavao tsy tapaka ny vaovao mikasika ilay hetsi-panoherana miaraka aminà sary. Ny Down To Earth koa dia nampakatra sary maro.

Ilay hetsika dia nokarakarain'ny Narmada Bachao Andolan, htesika sosialy iray ifandrimbonan'ireo olona avy amin'ny foko, tantsaha, mafàna fo mpiaro tontolo iainana sy zon'olombelona miady amin'ny fananganana tohodrano mamakivaky ny reniranon'i Narmada. Ilay tetikasa tohodrano Indira Sagar ao Narmada dia efa noketrehiana tamin'ny 1984 ary nanomboka ny hetsi-panoherana rehefa nanomboka nifamory, tamin'ny 1985-1986 ireo olona tao amin'ny lemak'i Narmada tsy maintsy hafindra toerana. Ny ilany ambany amin'ilay tetikasa tohodranon'ny ISP dia Omkareshwar, Maheshwar sy Sardar Sarovar Project.

Vaomiera iray mahaleotena ahitàna ny Fanentanam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vahoaka hahazo Vaovao natao hanadihady  ny fanavaozana ny tohodrano Indira Sagar, dia nahita tanaty tatitra iray, “..fa nisy fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona tao, ary nahavita zava-tsy rariny sy tsy azo ivalozana tamin'ny ara-tsosialy, ara-politika ary ara-toekarena  tamin'ireo mponina ao amin'ny lemak'i Indira Sagar ny governemantan'i Madhya Pradesh tamin'ny fananganana ny  Indira Sagar Pariyojana.”

Manary ao amin'i Gujarat ny tohodrano Sardar Sarovar Narmada noho ny oram-be nikija tao Madhyar Pradesh. Lahatsary nakarin'i Desh Gujarat

Araka ny didim-pitsarana vao haingana, ireo nesorina tao amin'ny tohodranon'i Omkareshwar sy ny tohodranon'i Indira Sagar dia manan-jo hahazo fanonerana tany roa hektara raha kely indrindra. Mitatitra ireo gazety ao an-toerana fa na mbola an'arivony aza ireo nesorina tamin'ny taniny no mbola tsy nahazo izay fanonerana izay, dia mbola nanome alàlana indray ny governamantan'i Madhya Pradesh hampakarana efatra metatra amboniny ny haavon'ny rano ao amin'ilay tohodrano, miala amin'ny 189 ho tonga 193 metatra. Io hetsika io dia mety handifotra tany midadaiska aminà vohitra marobe.

Hetsi-panoherana “Jal satyagraha” iray no natombok'ireo olona 51 tratr'izany tao Ghoghalgaon tamin'ny 16 Jolay mba hampidinana ny haavon'ny rano ao amin'ny tohodranon'i Omkareshwar ho 189 metatra. Ny fitakian'izy ireo dia ny hanomezana ireo olona iharan'izany tany ho solon'ny tany ary tombontsoa fanonerana hafa.

Ny lahatsary manaraka diaa noraketina tamin'ny andro fahafolo mampiseho ilay hetsi-panoheran'ireo nesorina tao amin'ny tohodranon'i Omkareshwar :

Ireto ny fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny Twitter…..:

@Dibundy: natosika ho amin'ny fetra faran'ny hatezerany ireo olona nakisaka avy ao amin'ny tohodranon'i Omkareshwar … http://t.co/mWykJZLb

@jamewils: Efa tafakatra hatreny ambany saokan'ireo mpanao hetsi-panoherana ny fiakaran'ny ranon'ny tohodranon'i Omkareshwar  tamin'ny 3 Septambra . http://t.co/nbHBfbwX

@HarrietLambFT: taona marobe aty aoriana mbola miady hatrany ireo mafàna fo ao narmada. RT@httweets: Hatreny an-tenda ao Narmada http://t.co/5kpbdog5

@babayesudas: I§reo izay mandà ‘fanonerana’ amin'ny trangan-javatra tahaka izao dia tsy ‘govt!’ Goonda Raj io. http://t.co/Oinj4c3O

Ved Prakash Singh dia manakiana ireo mpampahalàla vaovao noho ny tsy fihetsehany loatra :

@vedforgutuk: Jereo ity sary ity ary manaova RT . Olona mijoro ao anatin'ny renirano Narmada efa ho 13 andro. inona no ataon'ireo #Media. http://t.co/vf6V5Hh1

Azonao atao ny manasonia antso iray ao amin'ny Asian Human Rights Commission (AHRC) – Kaomisiona Aziatika Momba ny Zon'Olombelona – mangataka ny hanaovana hetsika avy hatrany ho fanomezana fanonerana maharitra an'ireo nesorina noho ny tetikasa Famokarana Herinaratra Ahodin-drano ao Omkareshwar any Madhya Pradesh.

Fanavaozana: Araka ny tatitra farany dia niteraka ny fahatondrahan'ny renirano Narmada niakatra ambonin'ny fetra fambara loza tao Omkareshwar sy Khandwa ny oram-be mikija nanerana an'i Madhya Pradesh. Nosokafan'ny governemanta ireo hidin-drano rehetra tao amin'ny tohodranon'i Omkareshwar mba hitazonana ny haavon'ny rano tsy hihetsika izay midika fa loza fanampiny ho an'ireo tanàna 30 indray ao  amin'ny distrikan'i Khandwa izay efa tondraka rahateo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.