Venezoela: Misy Loza Mananontanona an'i Mata Redonda Ve?

Mampiasa fampahalalam-baovao an-tserasera ny mponina mpifanolobodi-rindrina ao Mata Redonda, tanànan'i Venezuela ao Maracay, mba hampahafantarana ny loza mety hitranga raha toa ka mirodana ny rindrina manasaraka ny faritra ao amin'ny Renirano Valencia.

Nanomboka ny adihevitra taorian'ny fandefasana lahatsary tao amin'ny YouTube sy ny fanaparitahana izany tamin'ny Twitter sy Facebook. Nitondra nankany amin'ny olana momba ny  fahalotoan'ny renirano Valencia [es] sy ny tsy fisian'ny asa fanadiovana ihany koa izany.

Tao anatin'izay andro vitsy izay, lahatsary marobe no navoaka izay manasongadina ny mety hisian'ny fahasimban'ny tontolo iainana. Niadian-kevitra tao amin'ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ihany koa ny vahaolana sy ny fepetra tokony hampiharina. Maro ireo fianakaviana no miahiahy ny tsy hahitany trano hialofana raha toa ka tonga tampoka ny tondra-drano, ny hafa kosa nampandre sy nandefa fampitandremana rehefa hita fa tsy nisy nihaino izy ireo.

Namoaka ilay lahatsary nozarain'ny mpiserasera i Ruckyto, mpisera Twitter:

Romualdo Hostos kosa nanatontosa horonantsary mikasika ny voka-dratsin'ny orana tao amin'ny faritra, herinandro lasa izay:

Hoy i Hostos naneho hevitra:

En la noche del 14 de agosto luego de una torrencial lluvia en Maracay Edo Aragua, en la Urb Mata Redonda el Rio Madre Vieja Lindero de la Manzana 29 de la urbanizacion se desborda a traves de las casas de dicha manzana poniendo en [zozobra] a la comunidad, en espera de que el ministerio del ambiente ejecute la sentencia del TSJ.

Ny alin'ny 14 Aogositra, taorian'ny oram-be mivatravatra tao Maracay Edo Aragua, fanorenan-tanànan'i Mata Redonda, tondraky ny reniranon'i Madre Vieja Lindero  bloc 29 ny trano manodidina, ka mahatonga ny fiarahamonina mitebiteby eo am-piandrasana ny minisiteran'ny tontolo iainana hanatanteraka ny didim-pitsarana navoakan'ny TSJ [Fitsarana Tampony].

Mitohy ny fitarainana ao amin'ny Twitter, maro ireo manontany raha ao anatin'ny loza vaovao i Venezoelà tahaka ny nitranga tao Amuay. Sonia Guanipa (@soniaguanipar) [es] nilaza hoe:

@soniaguanipar: ¿Otra tragedia +?…Muro de contención de #MataRedonda #MARACAY: http://youtu.be/tA-u-6SG-xU

@soniaguanipar [es]: Loza vaovao hafa?… Rindrim-panohanana ao #MataRedonda #MARACAYhttp://youtu.be/tA-u-6SG-xU

Tafiditra anatin'ny adihevitra ihany koa ny fifaninanana goavana amin'ny fifidianana amin'ny volana Oktobra izao. Maro ireo nahatsikaritra ny tsy fandraisan'andraikitr'ireo andrim-panjakana izay zava-dratsy amin'ny fampielezan-kevitry ny filoha Hugo Chávez. Ny hafa kosa nanipika ny amin'ny andraikitry ny fiarahamonina sy ny vahaolana efa natolotra, izay nolazain'ireo fa tsy misy vokany eo noho eo.

Bilaogy Todos unidos por Venezuela [es] (Miray ho an'i Venezoela ny rehetra) naneho hevitra hoe:

Atención, este video tomado hoy muestra la próxima tragedia que ocurrirá. El muro de contención de Mata Redonda está a punto de ceder, y el agua está a mas de 2 metros sobre le nivel de la calle. Apenas el muro se rompa se inundara toda la zona sin que nadie sepa cuales serán los daños. Después chavez aparece echandole la culpa ala cuarta y diciendo que eso no es problema de él. La función debe continuar! [Sic]

Tandremo, mampiseho ny loza hoavy manaraka ity lahatsary notontosaina androany ity. Efa hirodana ny rindrina mihazona an'i Mata Redonda, efa tafakatra maherin'ny 2 metatra ny rano ao amin'ny arabe. Raha vao mirodana ny rindrina, ho tondraky ny rano avokoa manerana ny faritra ary tsy misy olona mahafantatra ny haben'ny fahasimbana mety hisy. Hiseho avy eo i Chavez hanome tsiny ny loza “fahaefatra” ary hilaza fa tsy olany izany. Tokony hitohy ny hetsika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.