Bolivia: Mitaky Fanadihadiana Momba Ny Famoretana Natao Tamin'ireo Indizeny Ny Minisitra Teo Aloha

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny kaonty Facebook-ny [es] ny Minisitry ny Fiarovana Boliviana teo aloha, María Cecilia Chacón, izay navoakan'ny fampahalalam-baovao mahazatra avy eo, nanapaka ny fahanginanany izy tao anatin'izay herintaona nialàny izay.

Nandao ny kabinetran'ny filoha Evo Morales ity minisitra teo aloha tanora ity ora iray monja taorian'ny nivoahan'ny vaovao momba ny   fanafihana an-kerisetran'ny polisy nandritra ny Diabe faha-8 nataon'ny Indizeny ho fiarovana ny Vala-javaboahari-pirenena sy ny Sisintanin'ny Indizeny Isiboro Secure (TIPNIS amin'ny teny espanola) tamin'ny 25 Septambra 2011.

Navoakan'i Chacón izany fanamarihana izany raha voatendry ho  ambasadaoro maharitra eo anivon'ny Firenena Mikambana (ONU) ao New York i Sacha Llorenti, Minisitry ny Atitany teo aloha. Nandritra ny fanafihan'ny polisy ny diaben'ny Indizeny, nandray ny andraikiny Andriamatoa Llorenti amin'ny maha lehiben'ny polisy azy sy amin'ny maha manam-pahefana tompon'andraikitra mivantana azy momba ny fiarovana.

María Cecilia Chacón's note on Facebook

Naotin'i María Cecilia Chacón ao amin'ny Facebook

Ao anatin'ireo fanamarihana mendrika holazaina ny nilazan'ny minisitra teo aloha Chacón hoe:

Ha pasado casi un año desde la represión vergonzosa en Chaparina, de aquel día de violencia cometida contra mujeres, niños. Y todo lo que allí sucedió permanece en la impunidad.

¿Qué es lo verdaderamente importante? ¿Quién  preparó el plan? ¿Quién lo propuso? ¿Quién lo autorizó? ¿Quién lo ejecutó?  ¿Quién aplaudió que se ejecutara “limpiamente y sin bajas”?

[…]

Importa todo lo que vimos, pero mucho más lo que no vimos. Fuimos espectadores de lo que se ejecutó, pero todavía no podemos ser testigos de una sincera voluntad gubernamental por enmendar el mal.

Efa ho herintaona sahady izao ny famoretana mahamenatra niseho tao Chaparina, zaza amam-behivavy no niharan'ny herisetra tamin'izany andro izany. Ary mbola tsy nisy ny fanasaziana izany zava-nitranga izany hatramin'izao.

Inona no tena zava-dehibe? Iza no namolavola ny tetika? Iza no nanome alalana hanao izany? Iza no nampihatra azy? za no faly sy nitehaka fa tontosa “tsara sy tsy nisy naratra” ny tetika?

[…]

Zava-dehibe avokoa ny zava-drehetra hitantsika, saingy ny tsy hitantsika no tena zava-dehibe indrindra. Nahita maso izay nitranga isika, saingy mbola tsy nahita maso ny fandavan-tenan'ny governemanta hanonitra ny fahavoazana isika.

Hoy izy nilaza somary lalindalina:

El proceso de cambio no es monopolio de un partido o una élite de “iluminados”. La revolución, si es auténtica, no tiene partido, le pertenece a su gente. Nadie debe ser considerado “invitado” del proceso así como ninguno puede creerse más importante que otro compañero. Fuimos fuertes porque fuimos todos, codo a codo. Y ahora todos tenemos el derecho y el deber de defender algo que es nuestro, de luchar por rescatarlo.

Tsy anjaran’ny antoko politika iray ihany na an'ny manam-pahaizana “mahiratra”  ny mitondra fanovana. Ny revolisiona tena izy, dia tsy manana fironan'antoko, fa an’ny vahoaka rehetra. Tsy misy olona tokony heverina ho “vahiny nasaina” ao anatin'ny fanatontosana ny zavatra atao, ary tsy misy olona tokony hihevitra ny tenany ho lehibe mihoatra ny namana hafa. Natanjaka isika satria nivondrona, ary niray hina. Ary ankehitriny, manan-jo sy andraikitra hiaro ny fananantsika isika, tsy maintsy mitolona isika hanavotra izany.

Naneho hevitra avy hatrany tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy sy ny bilaogy ny olom-pirenena , nitondra fanohanana sy nangataka fanazavana tamin’ny fanjakana ny amin’ny andraikitry ny manampahefana sy ireo nanapa-kevitra nandritra ny famoretana ny diaben’ny vahoaka indizeny.

Fausto, mpiserasera iray tsy fantatra anarana, naneho hevitra [es] tao amin’ny bilaogin’i Rimay Pampa [es]:

Esta carta es la pronunciación más honesta, clara, incisiva, valiente, ecuánime, madura; sin retórica ni figuras ni requiebros pseudo-inteligentes.

Obró correctamente al alejarse del cargo para mantener intactas su ética, y principios.

Le agradecemos mucho exprese diáfanamente lo que el resto de los bolivianos conscientes quisiéramos haber expresado.

Ity taratasy ity no tena tsotra, mazava, mandresy lahatra, be herim-po, matotra ary manaja indrindra, tsy kabary na sandoka na avy amin’ny olona lazaina ho marani-tsaina mila sitraka.

Nanao ny mety izy tamin'ny fialany tamin'ny andraikiny, mitazona ny etikany sy ny fisainany tsy misy romborombony.

Ankasitrahanay tanteraka fa noazavazavainy ny zavatra tian'ny Boliviana mahatsiaro tena holazaina.

Etsy andaniny, nisy nitsikera ny fanamarihana. Rocio Llobet (@rociolloret) [es] naneho hevitra tamin’ny alalan’ny kaonty  Twitter-ny:

@rociolloret: Tan sabia la ex ministra Chacón, sabía que la oposición iba a usar su carta, cuando el problema de fondo es otro

@rociolloret [es]: Hendry loatra ny minisitra teo aloha Chacón, fantany tsara fa ho ampiasan’ny mpanohitra ny taratasiny, nefa hafa ny olana miseho.

Ingrid Barrientos [es] kosa naneho hevitra tao amin’ilay fanamarihana navoaka tao amin’ny Facebook ihany [es]:

No estas sola, tu valentía, es la valentía de muchas de nosotras, tu coraje, lo hemos demostrado, y lo seguiremos haciendo, el impulso de Dignidad que has dado, es un punto importante, no somos ni de derecha ni de izquierda, sí queremos un cambio para nuestra Bolivia que parta de nosotros mismos!! Dignidad se la tiene o no, así no mas es.

Tsy irery ianao, ny herim-ponao dia herim-pon'ny ankamaroanay ihany koa. Nasehonay ny herim-ponao ary hotohizanay izany. Zava-dehibe ny fandrisihanao ho amin’ny fahamendrehana, sady tsy avy ao amin’ny ankavanana isika no tsy ao amin’ny ankavia, fa maniry fanovana ao amin’ny firenentsika Bolivia izay tsy maintsy miainga miaraka amintsika! Na manana fahamendrehana ianao na tsia, izay no izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.