Mujeres Mundi, Tafatafa Amin'ny Vehivavy Tsy Fahita Mahazatra

Ity no Fizarana voalohany amin'ny tafatafa nozaraina ho roa. 

Manasongadina ny asam-pampandrosoana ataon'ny vehivavy mahavita be eo amin'ny tontolon'ny fiarahamonina manerana ny tany ny tafatafa ao amin'ny bilaogy Mujeres Mundi — ahitana ny mpiasa mpamonjy ny maha-olona [mpanao fanampiana] Charlotte Dufour avy any Frantsa sy ny mpiaro ny zon'olombelona Natasha Latif avy any Singapore, ary ahitana ny mpanangom-baovao mampihoron-koditra Mariam Alimi avy any Afghanistan ary ilay mpiaro ny biby Molly Mednikow avy any Etazonia.

Xaviera Medina de Albrand, teratany ao Pucallpa any amin'ny faritra Amazona peroviana, no atidoha sy nandany hery tao ambadik'izany bilaogy izany. Ao amin'ny mombamomba azy, no hanavazavany ny “lahatra (sy fitiavana)” nahatonga azy nandao an'i Però ho any Paris, Frantsa: “Tsy nikasa ny ho mpitety ny glaogy aho saingy, ny lahatra nandritra ny asa, no nisidinako an'i Afghanistan, niodina nanavatsava an'i Emirà Arabo, Azerbaijan ary India.” Ankehitriny monina ao Brussels (Belzika) miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany vavy izy.

Manazava i Xaviera fa miezaka ny “hampiaraka ny serasera, haivarotra ary ny fitaovana avo lenta ho fampiroboroboana ny fanairana sy hamadika ny serasera ho fikatrohana [izy]. Amin'ny maha-mpanorina ny Mujeres Mundi (Tontolon'ny Vehivavy Manerantany) ahy, resy lahatra aho fa ny fanaovana izao no dingana voalohany.” Holazain'i Xaviera antsika kely amin'ny alalan'ity tafatafa ity ny momba ny fiainany sy ny bilaoginy.

Nahoana no “Mujeres Mundi” ny anarany?

El nombre salió de casualidad. Pasé de “Mujeres Trabajando” a “Mujeres Mundi” porque pensé que el primero iba a encerrarme en la idea de mujeres trabajadoras = negocios, quería ir más allá y tocar temas sociales también. Probé con otros nombres como Femina pero tenía la impresión que sonaba a revista de modas, no tengo nada en contra, pero no va realmente con el objetivo principal del proyecto. Luego pensé en Women World, pero ya hay bastante o solo en “W” (por Women) o “M” (por Mujer), al final salió el Mundi y me gustó el sonido.

Sahala amin'ny kisendrasenda no nahazoana ny anarana. Niainga tamin'ny “Vehivavy Miasa” aho no tonga tany amin'ny “Mujeres Mundi” satria nieritreritra aho tamin'ny voalohany ny hampiaraka ny hevitry ny vehivavy miasa = fandraharahàna, saingy te-hihoatra izany aho ary niresaka lohahevitra ara-tsosialy ihany koa. Nanandrana anarana hafa tahaka ny Femina aho saingy tahaka ny gazety-bokin-damaody ny fahenoana azy, ary raha tsy misy zavatra anoherako azy ireny aho, tsy tena mankany amin'ny tanjona voalohan'ny tetikasa ilay izy. Taty aoriana aho nieritreritra ny Women World, saingy efa be loatra ny “W” (avy amin'ny Women), hany ka tamin'ny farany aho tonga tamin'ny Mundi ka tiako ny feo manonona azy.

http://www.youtube.com/watch?v=ceAMzegXK-s&feature=plcp

Mikendry ny isian'ny fahatsiarovantena amin'izay mety ho vitantsika vehivavy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Mujeres Mundi. Inona no nahatonga anao hifantoka amin'io lohahevitra io? 

Mujeres Mundi como idea de proyecto lo tenía desarrollando en silencio, en mi cabeza y el corazón desde finales del 2009, cuando nació mi hija. Luego de mi experiencia trabajando en comunicación social en Afganistán vi la necesidad de comunicar los esfuerzos que muchos individuos realizan en pro del desarrollo de sus comunidades, sobre todo en pequeña escala.

Me explico en este punto: a lo largo de mi carrera como expatriada, tuve la oportunidad de conocer y colaborar con mujeres y varones comprometidos en una carrera humanitaria, poniendo en primer lugar la utilidad de sus acciones sobre cualquier otra consideración. Yo tenía un universo cercano al suyo pero no era el mismo – siempre trabajé para empresas privadas pero manejando proyectos sociales -. Con el correr del tiempo reflexionaba sobre la acción de estas personas y veía sus personalidades y proyectos como ejemplos a seguir con la convicción de que sus ejemplos pueden convertirse en fuentes de cambio en comunidades similares, quizás a kilómetros de distancia.

Nanana ny Mujeres Mundi, nitombo tsikelikely tao an-dohako sy tao am-poko aho tamin'ny faran'ny taona 2009 raha niteraka ny zanako vavy. Taty aoriana, noho ny fizaran-draharaha nananako fony niasa teo amin'ny fifandraisana ara-tsosialy tao Afghanistan, hitako fa ilaina ny mampita ny ezaka ataon'ny [tsirairay] maningatsingana maro ho fampandrosoana ny fiaraha-monina misy azy, ambonin'ny zavatra rehetra fa eo amin'ny sehatra bitika.

Avelao hazavaiko io teboka iray io: Nandritra ny maha-mpiasa ivelan'ny firenena ahy, nanana fotoana aho hahafantatra sy hiara-miasa amin'ny vehivavy sy lehilahy manolo-tena manokana ho amin'ny asam-panampiana, mametraka mialoha sy alohan'ny zava-drehetra ny hasarobidin'ny asa ataony miohatra amin'ny zavatra hafa. Nifanakaiky tamin-dry zareo ny tontolo nisy ahy saingy tsy nitovy — niasa ho amina orinasa tsy miankina hatrany aho saingy misahana tetikasa ara-tsosialy. Ary nisy ny fotoana, nieritreritra ny asam-pikatrohana nataon'ireo olona isan-karazany ireo aho ary hitako fa ohatra mendrika arahina ny mahaizy azy ireny tsirairay sy ny tetikasany ary nino aho fa loharanom-piovana amin'ny fiaraha-monina tahaka ireny ny ohatra asehon'izy ireny, na dia mety ho amina kilometatra vitsivitsy amin'ny toerana misy azy ireny monja aza.

Oviana no nanomboka ny Mujeres Mundi? 

Mujeres Mundi empezó a cobrar forma en febrero del 2012, curiosamente cuando pierdo mi empleo en Bruselas (donde radico desde hace dos años) debido a la banca rota de la empresa. ¡A mal tiempo buena cara!, así que me dije a mi misma “ahora si tengo tiempo para mi proyecto”. Tenía muchas ideas en mente, ¡era como la teoría del Bing Bang pero en mi cabeza! pero había un punto sobre el que estaba clara: quería tocar el tema del desarrollo social, tomando ejemplos de vida, una vez más, para ser tomados como fuentes de cambio. En nuestra época, no podemos hablar de derechos humanos, desarrollo social, salud, política y hasta medio ambiente si no tocamos el tema de la mujer, es como si en cierta forma el tema de la mujer complementa los otros.

Nanomboka nahazo endrika ny Mujeres Mundi tamin'ny Febroary 2012, ary somary hafahafa ihany fa tamin'izaho very asa tany Brussels (izay toerana niainako nandritra ny roa taona farany) satria bankirompitra ny orinasa niasako. Raha manome voasary makirana (lemons) ho anao ny fiainana, manaova limonady (lemonade)! ka niteny tamin'ny tenako aho, “izao aho no manam-potoana hanatontosana ny tetikasako.” Nanan-kevitra maro aho — tahaka ny teorian'ny Big Bang tao andohako izany! — saingy teboka iray ihany no tena nazava tamiko: te-hifantoka amin'ny lohahevitra miompana amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy aho, handray ohatra indray ny fiainana tena nisy mba ho loharanom-piovàna. Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao, tsy afa-miresaka zon'olombelona, fampandrosoana ara-tsosialy, fahasalamana, politika, eny na dia ny tontolo iainana aza isika raha tsy miresaka momba ny vehivavy. Tahaka ny hoe ny lohahevitra miompana amin'ny vehivavy no mameno ny hafa rehetra.
Xaviera Medina de Albrand

Xaviera Medina de Albrand, sary nahazoana alalana

Mihevitra ny tenanao ho feminista ve ianao? 

[…] muchos me consideran feminista y a decir verdad, no me molesta, sin embargo me considero más que nada humanista (con cierta dosis de animalista). Provengo y he vivido en sociedades donde formatean a la mujer a ser menor que el varón y a servir solamente para limpiar los trastos….¡cuando en realidad los trastos los podemos limpiar juntos! No es necesario ser dueña de una empresa multinacional o presidente de un país para ser parte del desarrollo de nuestras sociedades, pero eso es un estado mental.

En Mujeres Mundi se entrevistan mujeres con todo tipo de perfiles, que van desde activistas hasta jefas de empresa, es un mezcla que dice “poco importa donde estés, lo que haces puede tener una repercusión y una importancia tal que no puedes imaginar”. Podría citar ejemplos específicos entre las entrevistadas por el proyecto…¡pero tendría que citarlas a todas porque todas son un ejemplo! Un detalle a mencionar, si bien la mayoría de entrevistadas son mujeres, ha habido también varones quienes en el desarrollo de sus actividades fomentan el rol de la mujer.

[…] maro ny mihevitra ahy ho feminista ka raha lazaiko aminao ny marina, tsy mampaninona ahy izany, saingy mihevitra ny tenako ho mifanakaiky indrindra amin'ny homanista (sady misy daozy kelin'ny animalisma) aho. Avy amin'ny fiarahamonina sady efa niainako rahateo izany mametraka ny vehivavy ho ambanin'ny lehilahy aho ary ny mba hany azo natao dia ny nanaisotra ny tsy nilaina… nefa raha ny marina afa-niara-nanala ny tsy ilaina izahay! Tsy voatery ho mpitarika sampandraharaha maro rantsana na filoham-pirenena ianao vao ao anatin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina, fa toe-tsaina izany.

Ifampitafatafàna avokoa ny karazam-behivavy rehetra ao amin'ny Mujeres Mundi, ahitana mpikatroka ka hatramin'ny mpitantana orinasa, fangaro milza izany hoe “tsy dia maninona loatra ny hoe aiza no misy anao, fa izay ataonao no mety hisy fiantraikany sy lanjany izay tsy noeritreretinao akory.” Afa-manonon manokana amin'ny vehivavy efa nanaovan'ny tetikasa tafa sy dinika aho… saingy tokony hanonona azy rehetra aho satria fianarana (“ohatra”) avokoa izy rehetra! tsara ny manamarika –fa na dia vehivavy aza ny ankamaroan'ny vehivavy nanaovana tafatafa, misy ihany koa ny lehilahy no nanandratra ny anjara toeran'ny vehivavy tamin'ny fampivelarana [fampandrosoana] ny raharahany.

Nahoana no mifampitfatafa amin'ny vehivavy raha azo natao ny manoratra azy ireny fotsiny? 

Porque le da un toque más personal. Incluso yo busco hablar con ellas y, hasta ahora, todas las entrevistas han sido orales. Es cierto que sería mas sencillo ‘googlearlas’, conseguir información y escribir sobre ellas pero yo necesito hablar con ellas, conocerlas. Las entrevistas en realidad al final parecen conversaciones entre amigas, doy mucha importancia al timbre de voz y a las emociones que se muestran cuando me narran sus anécdotas, eso no hay un Google que pueda darme. Además, no hay satisfacción más grande, al terminar el día de haber conversado con ellas. Cada una, a su manera, es una esencia de pasiones por lo que hacen ¡que terminan contagiándome! Son mi dosis de vitaminas.

Satria izay no manome bebe kokoa ny fahatsapan'ny tsirairay. Na izaho aza nitady ny hifampiresaka amin'izy ireo, fa hatramin'izao tafa am-bava avokoa ny tafatafa rehetra. Marina fa mora kokoa ny mi-“google azy ireo,” mahangom-baovao sy manoratra ny momba azy ireo, saingy mila miresaka amin'izy ireo aho, mahalala azy ireo. Any amin'ny farany ny tafatafa, izay no zavamisy, tahaka ny lasa resadresaka eo amin'ny mpinamana. Omeko lanja manokana ny lantom-peo sy ny fihetseham-po miseho rehefa miresaka ny tantarany ry zareo, tsy misy Google hanome ahy izany. Tahaka izany ihany koa, tsy misy fahafaham-po, amin'ny famitana ny tontolo androko ankoatra ny nahafahana nifampiresaka tamin'izy ireo. Samy manana ny fitiavany ombam-pikirizana amin'izay ataony ny tsirairay hany ka mifindra ilay izy! Daozina vitamina amiko ireny.

Sarotra ve ny fahazoana mitafatafa amin'ny maha-bilaogera tsy miankina anao? 

Lo que sucede es que tengo la suerte de conocer mujeres fantásticas, heroínas de verdad y es así como salieron las primeras entrevistas, porque simplemente entrevistaba mujeres que ya conocía y que son mis amigas. Seguí teniendo suerte porque muchas de ellas, sobre todo las artistas y activistas aceptaron sin dudar. Hay claro, gente que nunca respondió a mis emails, pero bueno… Lo que me emociona es cuando veo las respuestas positivas de gente que son ya conocidas y que me agradecen por dar a conocer sus proyectos…¡cuando soy yo quien les agradece por aceptarme!

Soa aho aloha fa mahafantatra vehivavy maro mendri-piderana, tena olomanga, ka izay no nahatonga ny tafatafa voalohany, satria nifampitafatafa tamina vehivavy maro efa fantatro aho sady namako ry zareo. Mbola tsara vintana aho satria ny maro amin'izy ireo, ankoatra ny artista sy ny mpikatroka rehetra, nanaiky tsy nisy fisalasalana. Mazava loatra fa misy ny olona tsy namaly mihitsy ny mailako, saingy oh… Ny zavatra tena mahaliana ahy dia rehefa mahazo valiny mahafa-po avy amin'olona efa malaza aho, misaotra ahy amin'ny fahafahako nampahafantatra ny tetikasany… nefa izaho ny mankasitraka azy ireo tamin'ny firesahany amiko!

Any amin'ny fizarana faharoa amin'ity tafatafa ity no iresahan'i Xaviera amintsika ny dika amin'ny teny anglisy sy frantsay ny Mujeres Mundi sy momba ny tetikasa izay te-hamaly ny fanontaniana, “Ahoana ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy anao?”

Azonao arahina i Xaviera sy ny Mujeres Mundi ao amin'ny Twitter sy ny Facebook.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.