Nibitsika avy hatrany ilay horohorontanin'ny 5 Septambra 2012 tamin'ny 8 ora 42 mn nanana tanjaka 7.6 (Mercalli) namely ny fireneny ireo Costa Ricains. Ilay fihetsehana, nanana ny foibeny tany amin'ny faritra Guanacaste, dia re mafy tokoa tany akaikin'i Liberia sy tany San Jose ihany koa.
Nitatitra ihany koa ireo mpampiasa Twitter fa somary naharitra ilay horohorontany. Nampiasa ny tenifototra #temblorcr sy #terremotocr ny olona.
Araka ny bitsik'i Ariel Arburola (@arielarburola) [es] :
@arielarburola: Casi corro pero me dió tiempo de poner #temblorcr
Miakatra tsikelikely ny tatitra vitsivitsy momba ny fahavoazana, hatrany anaty Twitter. Sergio Pacheco (@lafoto) [es] nandefa momba ireo fahavoazana nahazo ny tranon'ny anabaviny ao Montezuma, tena akaikin'ny foibeny:
@lafoto: la casa de mi hermana en Montezuma en Guanacaste con el piso levantado #temblorcr
Tapaka ny sasany tamin'ireo tambajotra finday, araka ny itateran'i Cristian Cambronero (@cambronero) [es] azy :
@cambronero: Caída la red de Movistar, el ICE funciona parcialmente #terremotocr
Fabián Calvo (@FabianCalvo) [es] namaly hoe :
@FabianCalvo: @cambronero Acá por el contrario, yo tengo Movistar y puedo llamar a Claro y a líneas fijas del ICE, a los celulares Kolbi no puedo del todo
Ny OVSICORI (Sampana mpandinika ny horohorontany any Costa Rica) dia nitatitra fa mety hiakatra iray metatra ny haavon'ny rano any amorontsiraky ny saikinosin'i Nicoya noho ilay horohorontany, araka ny itateran'i El Periódico ao Costa Rica (@elperiodicocr.com) [es] azy :
@elperiodicocr.com: Terromoto levantó la Penínzula [sic] de Nicoya en por lo menos un metros, dice Marino Protti, del OVSICORI.
Ny tatitra mivantana amin'ny onjam-peo dia re tamin'ny alàlan'ny ADNfm radio [es], izay nisian'ireo olona niantso nitatitra fahatapahan-jiro, tafo taila nirodana, ary faharavàna, na dia tsy nisy aza fitaterana famoizana aina hatreto
Nisy fanairana mibaiko tena nandeha ho an'ireo faritra any amin'ny Pasifika sy hatrany Shily, saingy ny Kaomisionam-Pirenena ho an'ny Vonjitaitra (CNE) no nanajanona azy io ho an'ireo any amin'ny morontsiraky Costa manamorona ny Pasifika.
Tao amin'ny Twitter sy tamin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe, toy ny ADN.fm, dia nangataka ireo olom-pirenena sy mpanao gazety ny mba hanaovan'ny olona tatitra ihany koa any anaty aterineto sy ireo tambajotra sosialy toy ny Twitter.
Ny filoham-pirenena, Laura Chinchilla (@Laura_Ch) [es], dia nandeha nanangom-baovao tany amin'ny Kaomisionam-Pirenena ho an'ny Vonjitaitra :
@Laura_Ch: Ante dificultades en el sistema de telecomunicaciones me dirijo a CNE para recibir informe sobre seismo q sacudió al país.