Hetsik'ireo Grika Mpandàla Ny Fanjakan'ny Baroa Manohitra Ny Fanavakavaham-bolonkoditra, Atao An-tsary

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Krizy any Eoropa ity lahatsoratra ity.

Nahazo toerana tany afovoan-tananan”i Atena, any Grika, tamin'ny Asabotsy 1 Septambra 2012 teo, ny fihetsiketsehana manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra, izay niainga avy tao amin'ny Kianja Monastiraki.

Mpanao fihetsiketsehana anjatony, indrindra ireo mpiandany amin'ny fanjakan'ny baroa, no nitangorona nanao fihetsiketsehana manohitra ireo tranga nisy tato ato toy ny herisetra, eny izay tena misy mahafaty mihitsy aza, herisetra atao amin'ireo mpifindra monina [el] ataon'ireo ‘extremistes’ mpikambana ao amin'ny vondrona Golden Dawn avy amin'ny elatra havanana, ny fanarabiana ireo mpivarotena mitondra ny otrikaretina VIH ataon'ireo polisy, ary ny fanentanana ‘Xenios Zeus’ an'ny  governemanta manakana misava [ikendrena indrindra indrindra ireo olona mainty hoditra amin'ny taratasy famantarana azy ireo].

Demonstrators gathered in Monastiraki. Photo by author.

Mpanao fihetsiketsehana mitangorana ao Monastiraki. Sary nalain'ny mpanoratra.

Niroso nankeny amin'ny Kianja Omonoia ireo mpanao fihetsiketsehana nihazo an'i Lalambe Athinas ary nifarana teo Monastiraki indray. Nampitandrina azy ireo ny polisy mpandrava korontana tsy hanohy ny diany ho eny amin'ny Lalambe Panepistimiou [lalana izay mitondra mankany amin'ny Parlemanta Grika], na izany aza, tsy nisy akory ny loza nitranga, afa-tsy zavatra madinidinika toy ny fifamaliana am-bava teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sasany sy ny polisy.

Demonstrators in Omonoia Square. Photo by author.

Ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny Kianja Omonoia. Sary nalain'ny mpanoratra.

Demonstrators' banner reads: "Let's smash the fascists and police pogroms. May locals and refugees fight together". Photo by author.

Sora-baventy nentin'ny mpanao fihetsiketsehana mivaky hoe : “Andeha hopotehina ireo fasista sy polisy mpamono olona. Enga anie hifamono ireo mponina eo an-toerana sy ireo mpitsoa-ponenana”. Sary nalain'ny mpanoratra.

Demonstrators blocked at Panepistimiou Street. Photo by author.

Ireo mpanao fihetsiketsehana voasakana tao amin'ny Lalambe Panepistimiou. Sary nalain'ny mpanoratra.

Maromaro ny fihetsiketsehana nitranga tato ho ato, izay nokarakarain'ny fikambanana maro samihafa samy manana ny firehany [el]. Afaka mijery saripika vitsivitsy ahitana ireo fanoherana ny fankahalana ny fanavakavaham-bolonkoditra tamin'ny 24 Aogositra tany Atena ianao eto amin'ity lahatsary manaraka ity, indrindra hoe tohanan'ny mpitsoa-ponenana izy ity :

Tsy dia mametraka olana eo amin'ny fanavakavahana ara-bolonkoditra ny ankamaroan'ny vahoaka Grika, na inona na inona ny politika arahany. Voarafitra any Grika ihany koa izao ny Fasisma, satria lany tamin'ny parlemanta ny antoko neo-nazista.

Old man strongly protests. Photo by author.

Manohitra mafy mihitsy ity lahiantitra. Sary nalain'ny mpanoratra.

Mihatonga saina ny fiarahamonina Grika fa loza goavana mitatao ny fanavakavaham-bolonkoditra ka tsy maintsy hatrehina.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Krizy any Eoropa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.