Bahrain: “Vehivavy Mafy Toy Ny Vy Ny Vehivavintsika”

Nihataka kely tamin'ny politika indray aloha ny Bahraini mpampiasa Twitter ary nandany andro ny maraina teo (3 septambra) tao amin'ny tambajotran'ny fitoraham-bilaogy sosialy kiritika. Namaky lahatsora-baovao ilay mpanakanto Anas Al Shaikh izay milaza fa namono tena ity vehivavy Irakiana iray ho fanoherana ny fijerem-badiny andian-tantara  mitohy Tiorka amin'ny fahitalavitra.

Nandimby ny andian-tantara mitohy Meksikàna amin'ny fahitalavitra tamin'ny taona lasa ity avy any Torkia ity. Misy dikanteny Arabo, malaza amin'ireo mpanaraka azy ity andian-tantara ity, izay matetika maharitra amam-bolana.

Nizara ilay ampaham-baovao mampilendalenda ho  an'ireo mpanaraka ny Twitter-ny i Al Shaikh sady nanontany:

خبر في صحيفة..عراقية تحرق نفسها احتجاجا على مشاهدة زوجها المسلسلات التركية… ليش ما سمعنا عن امرأة بحرينية قامت بنفس الفعل؟ ههههه

@Anas_Al_Shaikh
: Singam-baovao iray tanaty gazety  .. Nandoro ny tenany mandra-pahafatiny ny vehivavy Irakiana iray mba hanoherany ny fijerem-badiny andian-tantara Tiorka amin'ny fahitalavitra. Maninona isika no tsy naheno hoe nanao zavatra sahala amin'izany ihany koa ny vehivavy Bahraini? hahaha

Tsy very akory ny lalaon-teny ary niteraka fihetseham-po maro ilay tsikera.

Bahraini women at the forefront of anti-government protests which started in Bahrain in February 2011

Efa teo amin'ny laharana voalohany tamin'ny hetsi-panoherana fandavana ny goverenmanta ny vehivavy Bahraini izay nanomboka tany Bahrain tamin'ny Febroary 2011. Sary flickr avy amin'ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy nampiasaina tamin'ny alalana (CC BY-SA 2.0)

Hoy i Um Salman:

لأن المرأة البحرينية عاقلة ما تسوى المسلسلات التركية او اي شئ اخر تذبح نفسها

@Umsalman2011
: Satria matotra ny vehivavy Bahraini, fantany fa tsy dia midika inona tokony hamonoany tena ny andian-tantara Tiorka amin'ny fahitalavitra na koa zavatra hafa mitovy amin'izany.

Manampy i Esraa:

خله يطالع .عليه بالعافية .اخر شي من اللي قاعدة جدامه ؟؟ أنا .خخخ ويعني لو طالع اش بيسوي ؟ بيسافر لهم وﻻ بيطلعون له من الشاشة
@esraa_f_84: Aleo izy hijery. Rehefa hariva ny andro, tsy manana afa-tsy izay eo anatrehany ihany izy [ny vadiny]. Ahavita inona moa izy raha mijery azy ireo fotsiny? Angaha izy andeha hitsidika azy ireo na koa hoe hivoaka ny fahitalavitra angaha ireo hankeo aminy?

Ary nanoratra toy izao i Fatima Salim:

المرأة البحرينية ضد الصدمات المرأة الحديدية
@Fatim_Sam: Mahatanty dona kokoa ny vehivavy Bahraini. Vehivavy mafy toy ny vy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.