Lalao ‘Paralympiques’ : Lasa izao !

Ampahany amin'ny lahatsoratry ny Global Voices momba ny lalao Olaimpika ao  Londona 2012 ity.

Hatramin'ny 29 Aogositra ary hatramin'ny 12 Septambra, atleta 4.200 avy aminà firenena 166 no mandray anjara amin'ny andiany faha-14 amin'ny lalao  ‘paralympiques’ ao Londona ary hifanandrina anaty taranja roapolo:


Lahatsary fanolorana ny Lalao ‘Paralympiques’ avy amin'i paralympicSportTv

Nila 15 andro ireo mpikarakara mba hanamboarana sy hampanjary ireo fotodrafitrasa ho azo ampiasaina.

Ao amin'ny JOL press no ahafantarantsika fa betsaka dia betska tokoa ny isan'ireo tapakila lafo ho an'ireo lalao irao :

Nanao ezaka goavana i Londona tamin'ny resaka famarotana tapakila, nametraka hatrany ireo Lalao ‘PAralynpiques’ ho eny alohan'ireo toeram-pivarotana. Miaraka amin'ny vokatra mahatalanjona : ny fitambarany, efa tapakila manakaiky ny 2,3 tapitrisa no nisy nividy. Tamin'ireo 2,5 tapitrisa napetraka hamidy. Raha atao teny tsotra, mety hizotra tsy misy fivarotana tapakila intsony ireo Lalao ireo : tsy mbola nisy toy izany .

Sarin'ireo solontenan'i Burkina Fasonandritra ny lanonam-panokafana ny Lalao ‘Paralympiques’

Tsy sembana teo am-pahaterahana daholo akory ireo atleta rehetra ireo, araka izay azontsika vakiana ao amin'ny “Noheverina ho efa maty aho” : ny fiainana tsy mampinon'ireo atleta sembana :

Ny sasany amin'ireo mpanao fanatanjahantena ireo dia niara-lehibe tamin'ny fahasembanany, raha tsy maintsy nianatra niatrika izany kosa taorian'ny ady na loza nitranga ny hafa. Voadonan'ny lahatra, tao anatin'ny fanatanjahantena no nahitan'izy ireo fomba iray hivelarana indray.

Ilay bilaogera dia mitantaa sy mampiseho ny làlana nodiavin'ny atleta maro : Martine Wright, sisam-paty tamin'ny asa fampihorohoroana tao Londona ; Derek Derenalagi, miaramila teraka tan,y amin'ny nosy Fidji, noheverina ho efa maty ; Rim Ju-Song, koreana tavaratra voalohany mba mandray anjara, izay tsy mbola nahay nilomano akory volana vitsy talohan'izao ; Achmat Hassiem, sisam-paty tamin'ny fanafihan'ny antsantsa.

Lahatsoratra iray Semban'ny ady afgana, an-dàlana hiatrika ireo Lalao ao Londona … dia mireska an'i Malek Mohammad, Afghana iray bory tongotra tany akaikin'i Kaboul.

Sarin'i Malek Mohamad,  afghan mpilomano, tao an-tranony talohan'ny Lalao ‘Paralympiques’

Azontsika vakiana ao amin'ny Semban'ny ady sady mahery fo ‘paralympique’ ny tantaran'i Mohamed Kamara izay vao 4 taona monja fony izy nosamborin'ireo mpihoko, izay nanapaka  ny tànany iray nandritra ny ady an-trano tany Sierra Leone.

Ao amin'ny France Handicap Info no manoratra i Stéphane Lagoutière hoe :

Ny tena kintan'ireo lalao ireo, mazava ho azy, dia ireo sembana ara-tsaina, izay nanamarika ny fiverenany taorian'ny 12 taona tsy nahitàna azy.

Any Frantsa, fantsom-pahitalavitra “kely” iray monja no mba handefa manontolo ireo taranja rehetra.

Ao amin'ny Twitter,  “Miss Natural Gee❤” @ThePositive1 dia nampakatra sary iray ahitàna ny tarika jamaikana.

 

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.