Bahrain: Kaonty Twitter Malaza Anà Mpanohana Ny Governemanta Nanjavona

Gaga ny mpisera Twitter ao Bahrain raha nahatsikaritra ny fanjavonan'ireo kaonty twitter tsy fantatra anarana roa goavana indrindra izay mpanohana ny governemanta, kaonty Twitter izay navitrika indrindra nandritra ny fikomiana tamin'ny herintaona.

Roa herinandro mahery izao no tsy ni-tweet ny kaonty @7areghum sy @alfarooo8; tamin'ny sioka farany nalefan'izy ireo, nilaza izy ireo fa hiala sasatra kely mandritra ny andro vitsivitsy ary hiverina “tsy ho ela”.

Nalaza ny tenifototra #وين_الفاروق  (Aiza i @alfarooo8) sy #وين_حارقهم (Aiza i @7areghum) taorian'ny tweet nalefan'ny depiote Islamista teo aloha Sheikh Mohammed Khalid (mpitsikera mahery vaika avy ao amin'ny mpanohitra Bahrainita) izay milaza fa niainga avy amin'ny vondrona tsy notononiny anarana ny nanajanonana ireo kaonty roa ireo:

#وين_الفاروق ؟ وبدأت تأكل عيالها!! ستسمعون عن عدد ممن يكتبون بالتويتر(من السُنة) سيقولون سنأخذ راحة!! #البحرين #bahrain #ksa #q8
@boammar: Aiza i Alfarooq? Nifotitra tany amin'ireo zanany ihany izany!! Ho renao amin'ny rehetra hoe iza no manoratra ao amin'ny Twitter (avy amin'ireo Sonita) hilaza fa niala sasatra izy ireo!!

Niteraka adihevitra be ny momba ireo kaonty roa ireo. Maro ireo nihevitra azy ireo fa manampahefana ao an-toerana sy ao amin'ny sampam-pitsikilovana izy ireo. Nitombo ny lazan'izy ireo nandritra ny “Lalàna momba ny Fiarovana Nasionaly” taorian'ny hetsika tamin'ny taona 2011 ary fantatra tamin'ny fandefasana ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana nangataka ireo mpanaraka ny Twitter-ny mba hijery sy hamantatra azy ireo,  ary nandefa ny adiresiny, ny laharan'ny finday sy ny toerana ipetrahana ankehitriny ihany koa.

Nitantara tamin'ny Vaomiera Mpanadihady Tsy Miankina ao Bahrain ireo nanatri-maso fa iazy notononin'i @7areghum tamin'izany dia tsy afa-matory tao an-trano fonenany noho ny tahotra fanafihana sy ny fisamborana tsy amin'ny antony. (Full Report)

Naaton'ny Twitter ny kaonty @7areghum noho ny antony tsy mazava taorian'ny lahatsoratra momba azy nosoratan'i Simeon Kerr ao amin'ny Financial Times; niverina vetivety ny kaonty tamin'izany ary naangona mpanaraka marobe nanomboka hatreo.

Nisy ireo kaonty marobe ka nahoana ireo kaonty roa ireo no nanjavona tampoka taorian'izany fotoana izany, maro no nilaza fa mety efa fantatra ireo olona tompon'ny kaonty ary nangatahan'ny mpampiasany mba hanajanona ny fampiasana ilay kaonty, izay mety ho avy amin'ny minisitera maromaro ao  Bahrain.

QahrhoumBh nanazava hoe:

الفاروق لم يأخذ استراحة .. ! بعد قصة الكنسية و تحرك الفاروق ضدها تم استدعاء ألفاروق بما انه يعمل في أحد وزارات الدولة و قد خير بين ( لقمة عيشه – وظيفته – ) و بين عمله و تغيرده في تؤيتر و البلاك بيري .. !

و كذلك حارقهم الذي ذكره بسيوني في تقريره بأنه يقوم بنشر بيانات المناهضين للنظام .. يعمل في أحد وزارات الدولة .. تم قطع معاشه ، و أيضا تم تخييره بين ( لقمة عيشه – وظيفته – ) و بين عمله و تغيرده في تؤيتر.. !

@QahrhoumBh: Tsy niala sasatra i Al Farooq! Taorian'ny tantara tao am-piangonana sy ny fanoheran'i Al Farooq, voabedibedy tany am-piasanany ao amin'ny minisitera iray izy ka nasaina nisafidy na ny asany na ny Twitter sy ny Blackberry. 7areghoum, araka ny voalaza tamin'ny tati-baovaon'i Bassioni, fa iray amin'ireo mpamoaka vaovao momba izay manohitra ny fitondrana, ary miasa ao amin'ny minisitera iray. Notapahina ny karamany ary nasaina nisafidy ihany koa izy na ny fiainany sy ny asany na ny tweet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.