Eoropa Tratran'ny Krizy: E-Boky Voalohany Navoakan'i Global Voices

“EU in crisis” (Eoropa Tratran'ny Krizy amin'ny teny anglisy) no vokatra voalohany avy amin'ny tetikasan'ny Global Voices Books ary ahitana ny tsara indrindra tamin'ireo resaka an-tserasera nifanakalozana, nandraisana anjara ary nirohotan'ny mpiserasera nandritra ny fotoana mafin'ny fifehezan-kibo ao amin'ity kaontinanta iray ity sy ny mihoatra izany aza.

Nangonina sy natambatambatray ny lahatsoratra tsara indrindra, izay hita ao amin'ny pejy manokana Eoropa tratran'ny krizy nanomboka ny Lohataona 2011, ary nosoratan'ireo olona tia manangom-baovao iraisampirenena ato aminay.

"EU in Crisis" ebook Cover

Fonom-boky “EU in Crisis”

Navoaka eo ambanin'ny lisansa Creative Commons Attribution 3.0 ny e-boky ary azo trohina amin'ny alalan'ny endrika (formats) telo:

- PDF (3,2 MB)
ePub (3,2 MB)
Mobipocket (2,8 MB)

Miaraka amin'ny teny fampidirana manokana izay mitantara ny zavamisy jerena amin'ny endrika malalaka ity lohahevitra ity, dia ahitana lahatsoratra 13 amin'ny teny anglisy (andalana ihany koa ny amin'ny fiteny hafa) ity e-boky ity izay mandrakotra an'i Gresy, Espaina, Portiogaly, Italia ary ny firenena eoropeana hafa, tratran'ny krizin'ny banky sy ny Euro, izay manana fijery avy amin'ireo mpandray anjaran'ny media an-tserasera.

Narafitra ho fitaovana azo ampifanarahana amin'ny fampielezana sy hanarahana ny adihevitra mbola mitohy hatramin'izao ity e-boky ity.

Hatramin'ny jolay 2012, efa nahatafavoaka lahatsoratra 80 amin'ny teny anglisy ny ekipa mpilatsaka an-tsitrapo ato aminay, ary voadika amin'ny fiteny isan-karazany ny maro amin'izy ireo.

'Sad Euro walrus' emoticon

endrika notinendry ‘Euro malahelo’

Global Voices Books dia mikendry ny “hizara ny vaovao ifampizaran'olo-tsotra ho amin'ny ho avy“, araka ny hita eo amin'ny dika an-tsoratra, mifototra amin'ny tahirin-kevitra goavan'ny GV sy ny vokatra amin'ny fiteny samihafa. Hamoaka tahirin-kevitra an-tserasera araka ny lohahevitra, faritra, adihevitra, fiteny, media, sns atao amin'ny endrika samihafa izahay, ka avy amin'izany no amoahana ny vokatra tsara indrindra vitan'ny fikambananay nandritra ny taona vitsivitsy.

Aelezo azafady, tsidiho ny vohikalan'ny Global Voices Books ary mirotsaha!

Hajian-tsary natonta printy indray avy amin'ny Vectorportal.com, ambany lisansa Creative Commons Attribution 2.0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.