Mampikorontan-tsaina An'i Zeorzia Ny Sarin'ady Ataon'i Rosia

Ampahany amin'ny  fandrakofanay ny  Fifandraisana Iraisampirenena & Fandriampahalemana ity.

Tamin'ny Jona sy Jolay dia nanao fanazarantena miaramila maromaro niaraka tamin'ireo mpiara-dia aminy i  Rosia. Mbola betsaka ny ho avy amin'ny Aogositra sy Septambra io. Mazava loatra, tsy misy na iray aza amin'ireo zavatra nomanina ireo no hoe mavesa-danja araka izay nilazan'ny tatitra disonn'ny masoivohom-baovao Iraniana azy tamin'ny 19 Jona 2012 tanatin'ny nofinofiny teren-ko masaka fotsiny. Tsy hisy an'izany fiaraha-manao sarin'ady hahitàna miaramila 90.000 hataon'i Rosia, Shina sy Iran any Syria izany…

Hatreo aza,  ireo fanazarantena dia marobe ary saika voafetra daholo ho tao Azia Afovoany daholo. Tamin'ny Jona dia nisy Peaceful Mission-2012, Iraka Fampandriantany-2012 [ru], niarahan'ireo Firenena dimy ao anatin'ny fikambanan'i Shanghai (Rosia, Shina, Kazakhstan, Kyrgyzstan, ary Tajikistan) tao Tajikistan. Miaramila 2000 no tafiditra tamin'io sarin'ady niompana tamin'ny fisorohana asa fampihorohoroana io, izay nandraisan'ny miaramila 350 avy any Rosia.

Tamin'ny Jolay i Rosia dia nanao ny Aldaspan-2012 [ru], niarahana tamin'i Kazakhstan tamin'ity indray mitoraka ity. Avy eo, tany ampiandohan'ny Aogositra tany dia nisy  ny sarin'ady Frontier-2012 [ru] niarahana tamin'ireo mpikambana ao amin'ny  Collective Security Treaty Organization (CSTO). [Uzbekistan, iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny CSTO, dia niala tsy ho ao anatin'ilay fikambanana tamin'ny 28 Jona. Avy hatrany taorian'ny nialànay dia nolaviny ny hamela ireo andian-tafika Kazakh handalo an'i Tajikistan handeha hanao ny sarin'ady Peaceful Mission-2012 .]

Russian Military Exercise 2010. Photo by George Malets. Copyright Demotix (08/26/2010)

Fanazarantenan'ny tafika Rosiana 2010. Sary avy amin'i George Malets. Copyright Demotix (08/26/2010)

Hatreto ny hany fanazarantena tsy natao tany Azia Afovoany dia ny Slavic Fellowship-2012 [ru], ny fanazarantena ara-tafika voalohany niarahan'i Rosia, Belarosia, ary Okraina tato anatin'ny fotoana lava. Nizotra nangingina tany izy io tamin'ny Jolay. Amin'ny ankapobeny, tsy misy amin'ireny fanazarantena ireny niteraka resabe tao anatin'ny RuNet, ary ny sasantsasany no mbola ho avy – Selenga-2012 [ru] iarahana amin'i Mongolia na Cooperation-2012 [ru] iarahana amin'ny CSTO, ireo roa ireo izay samy omanina ho amin'ny Septambra –  dia samy tsy antenaina ho lasa lohatenim-baovao goavana.

Tsy ho izany mihitsy no hitranga amin'ny Caucasus-2012 [ru] atao amin'ity Septambra ity, izay omanin'i Rosia hatao miaraka amin'ny tafika avy amin'ireo faritra nihataka tamin'i Zeorzia, faritanin'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo. Caucasus-2012 dia hatao any amin'ny faritra Kaokazy Avaratra, ary hahitàna fandraisan'anjaran'ny [ru] miaramila 8.000, hatraminà fitaovana mavesatra, artillerie, sambo, ary fiaramanidina mpiady. Io no ho fanazarantena lehibe indrindra nataon'ny Rosia tamin'ity taona ity.

Malaza amin'ny anarana fotsiny ihany ny Caucasus-2012 ho an'izao tontolo izao, satria ny fahaleovantenan'i Abkhazia sy Ossetia dia tsy eken'ny firenena maro. Avy dia nanome toky haingana [ru]  ny tafika Rosiana fa hoe tsy hohetsehana ny toby miaramila any atsimon'ny sisintany, na dia misy sasantsasany amin'ny miaramila amin'ireo toby ireo aza no handray anjara amin'ilay sarin'ady any amin'ny tanin'ny Rosiana. Kanefa, manakaiky kokoa ny fampitoniana ireo Zorziana izy io, ry zareo izay miahiahy [ru] ny hiverenan'ny tranga tamin'ny Aogositra 2008. Tamin'izany koa, Rosia dia nanao sarin'ady tany kaokazy andro vitsy monja nialoha ny fananiham-bohitra.

Bilaogera Zeorziana vitsivitsy, tahaka ilay iray malaza miteny Rosiana cyxymu [ru], dia manamarika fa ny fihetsehana ataon'ny Rosia any amin'ny faritra dia mitranga indrindra mialoha ny fifidianana solombavam-bahoaka any Zeorzia hatao ny 1 Oktobra. Ilay bilaogera liana amin'i Zeorzia, zabugina [ru], dia mino fa ny tanjon'ny tafik'i Rosia dia ny hanozongozona ny faritra sady hanelingelina ny fifidianana. Heveriny fa i Rosia dia mety tsy hanani-bohitra indray, mba hahafahany milalao sy manodinkodina ny vahoaka Zeorziana hifidy ireo antoko naman'i Rosia.  Kanefa, ilay Rosiana bilaogera sady mpanao gazety, podrabinek [ru], dia mihevitra fa mety handefa ady kely any an-tsisintany i Putin raha ny marina mba hanosehana ny lazany.

Na izany aza, tsy ny fanazarantena rehetra nataon'ny tafik'i Rosia no niteraka ahiahy betsaka toy ny  Caucasus 2012. Amin'izao fotoana, Rosia sy India dia ao anatinà fanazarantena iraisana Indra-2012 [ru] any amin'ny Repoblikan'i Buryatia any Rosia, any amin'ny sisintany Mongoliana. Bilaogera Rosiana iray no mitantara [ru] tantara mahatsikaiky iray momba ny nandraisan'ny olona tao anaty fiara fitaterana ny filazana diso nataon'ny mpiteny tao amin'ny fampielezampeo niteny ny hoe 500.000, raha tokony ho 500, ireo miaramila Indiana mandray anjara amin'ilay fanazarantena:

На этом месте в салоне автобуса наступает покусывающая за пятки тишина. Гробовая.

Tamin'io fotoana io dia nanjary nangina tanteraka ilay fiara fitaterana – ilay fahanginana lalina mankarary ny vavoninao. Fahanginana toy ny mitory fahafatesana.
ISN logoIty lahatsoratra ity sy ny dikanteniny amin'ny teny Espaniôla, Arabo ary Frantsay dia fangatahan'ny International Security Network (ISN) tafiditra ao anatin'ny fiarah-miasa hikatsahana izay handrenesana ny feon'ireo olon-tsotra momba olan'ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.