Syria: Henatra Ho An'ny Fanovàna Ianao

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Misy marika famantarana fito ho an'ireo “henatra ho an'ny fanovàna” – na fanovàna inona izany na inona. Ao amin'ny Twitter, manome ny lisitr'ireo famantarana ireo ilay Syriana @NMSyria.

Araka ny NMSyria, izay mamaritra ny tenany ho mpitondra fanovàna feno fireharehàna, ireo famantarana ireo dia:

@NMSyria: #1: ‘mpanavakavaka mpanambony tena izay tia miresaka momba ny fidarohana ny vitsy an'isa sy ny famoretana azy ireo aorian'izay ianao.

@NMSyria: #2: Raha misy olona mitsikera ny mpanohitra, antsoinao ho mpamadika izy ireny. #EmbarrassmentToRevolution


@NMSyria
: #3: Tsy mandray ny tsikeran'ny mpanohitra ianao na dia manao fahadisoana adaladala mampahatahotra aza izy ireo. #EmbarrasmentToRevolution

@NMSyria: #4: Manao fitondrana mitanila ianao. #EmbarrassmentToRevolution

@NMSyria: #5: Lehibe loatra ny fitiavan-tenanao. #EmbarrassmentToRevolution.

@NMSyria: #6: Tia mametaka anarana ny Miaramila Syriana Afaka hoe “Miaramila Sunni Afaka”. Aaa. Tsia. #EmbarrassmentToRevolution HenatraHoAnyFiovàna ianao

@NMSyria: #7: Mampiely tsaho mba hahazoanao voninahitra ianao. Eh! Iza no mahalala, mety hilaza anao ho Filohanà zavatra iray izahay. #EmbarrassmentToRevolution

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.