Iran: Nampidirina Hopitaly Ilay Mpitarika Ny Green Movement Nofonjaina

Mir Hossien Mousavi, 2009. Source:Sabzintan blog. Used with permission.

Mir Hossien Mousavi, 2009. Loharano: bilaogy Sabzintan . Nampiasana niaraka tamin'ny fahazoan-dalana.

Nampidirina hopitaly tamin'ny Alakamisy 23 Aogositra 2012 noho ny “aretim-po” i Mir Hossein Mousavi, mpitarika sangany ao amin'ny Green Movement izay kandidà  reformista tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ 2009 nahabe resaka ary koa mpitarika ny antoko mpanohitra tamin'ny korontana taorian'ny fifidianana.

Noraràna tsy hahazo hivoaka ny tranony  i Mir Hossein Mousavi, izay Praiministra teo aloha ihany koa, niaraka tamin'i Mehdi Karoubi, mpitarika ao amin'ny Green Movement ihany koa, nandritra izay 520 andro lasa izay.

Manoratra [fa] i Sabzintan hoe:

Raha araka ny loharano tena marina, dia nampidirina hopitaly androany i Mir Hussein Mousavi, rehefa avy noferana tsy hivoaka ny tranony nandritra ny 526 andro. Niaraka taminy ihany koa ny vadiny, Zahra Rahnavard. Nahazo fahazoan-dalana ny hiala ny hopitaly ny mpiasa mpandraharaha tao ary ny tafika no mameno ny hopitaly eny rehetra eny.

Ny iraky ny  Green dia manasa [fa] manao hoe :

Mihevitra ny hanao hetsi-panoherana ny tsy famelàna ireto mafàna fon'ny Green Movement ireto miala ny tranony ny olona mandritra ny Vovonamben'ireo Tany Tsy mbomba ny Atsy na ny Aroa any Téhéran manomboka amin'ny 26 – 31 Aogositra, ny vahoaka.

Manoratra [fa] toy izao i Freedomseeker :

Tsy manana zo halahelo an'i Mousavi isika. Nogadraina izy nandritra ny 520 andro nefa isika tsy nanao na inona na inona. Niandry fotsiny. Dia amin'izao raha zava-dehibe ho antsika ny fahasalamany, dia tokony ho any amin'ny hopitaly isika. Tsy vao voalohany akory izao ny hoe managadra olona tsy mandalo fitsarana ny fitondrana. I Ayatholah Montazeri, izay nanakiana an'i Ayatholah Khamenei, Mpitarika ny Repoblika Islamika Faratampony, dia noraràna tsy hahazo mivoaka ny tranony nandritra ny dimy taona ary tsy nanao na inona na inona isika. Aleo hekena hoe olona tsy mivaky loha isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.