Ny Torolàlan'ny EFF ‘Hitandroana Ny Vohikalanao Mba Hitohy Handeha’

Androany, namoaka torolàlana ny Electronic Frontier Foundation (famborahana tanteraka: miasa any aho) izay manome paikady raitra hitandroana ny vohikala iray ‘hitohy handeha’ manoloana  ny fanafihana amin'ny fandàvana ny tolotra. Ilay torolàlana, ao amin'ny vohikalan'ny EFF, dia hita amin'ny teny valo, isan'izany ny teny Arabo, Espaniola, Rosiana, ary mifantoka amin'ireo paikay roa lehibe hitantanana ny vohikalan'ny olona iray ao anaty aterineto: Mampiasa ny atao hoe ‘Back up’ sy ‘mirroring’ ho an'ny votoaty (Avy amin'ny mpandika: fomba fanavotana votoaty ireo).

Manasongadina ireo lahatsary noforonin'ny Tactical Technology Collective ihany koa io torolàlana io, tahaka ity iray ity izay manazava ny toetran'ireo fanafihan'ny Fandàvana tolotra nozaraina (DDoS):

Ary eto, manazava ny antony mampisy lanja io torolàlana io ny EFF:

Mihamahazatra ny trangànà fanafihan'ny fandàvana tolotra (DoS) sy ny fandàvana tolotra nozaraina (DDoS), ampiasainà karazan'olona samihafa—miala amin'ireo mafàna fo ka hatramin'ireo governemanta—hibahanana vohikala iray tsy handeha mandritra ny fotoana voafetra na tsy voafaritra. Matetika, manohintohina izay kendrena io fanafihana io miaraka amin'ny fangatahana lohamilina natao hameno ny ‘bande passante-ny, mahatonga ilay lohamilina tsy ho afaka hamaly ny fifamoivoizana ara-dalàna.

Na manana ireo fitaovana hanoherana na hisorohana mihitsy izany fanafihana izany azy ny tompon'ireo vohikala goavana, ireo vohikala kely kosa—tahaka ireo an'ny media kely mahaleotena na ireo fikambanana miaro ny zon'olombelona—dia indraindray voakatona noho ny tsy fahampian'ny fitaovana na fahalalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.