Arzantina: “Mpanome Taova Aho Ary Ambarako Amin'izao Tontolo Izao Izany”

Talanjona ny Arzantiniana tamin'ilay vaovao milaza fa nanome taova “voa” ho an'ilay zanany vavy amin'ny batisa, Sonsoles Rey Obligado,  izay zanaky ny sipany [vavy] antsoina hoe Maria Paz Novarro ilay mpihira Arzantiniana malaza Sandra Mihanovich [vavy], ary niteraka fanairana amin'ny maha-zavadehibe ny famonjena aina ihany koa izany. Niteraka laza amin'ny fanentanana an-tserasera mikasika ny tokony hanomezana taova toy ny nataon'i Sandra koa io toe-javatra nataony io.

Mandrara ny fanomezana taova eo amin'ny olona mbola velona ka tsy ao anatin'ny fianakaviana ny lalàna ao Arzantina, tsy maintsy nankany amin'ny fitsarana i Sandra mba haka fahazoan-dalana. Nitantara ny fotoana nanontanian'ny mpitsara azy ny antony hanomezany ny taovany “voa”  ny  tranokalan'i Sandra:

“Dar amor”, así Sandra definía por estos días frente al juez, cuando éste le preguntó sobre el por qué de su decisión de donarle un riñón a su ahijada de bautismo Sonsoles. No hay mucho que decir frente a estos actos, frente a estas expresiones de amor tan concretas. Pero este hecho grandioso, emotivo y generoso nos da la enorme posibilidad de aprender, de educarnos, de conocer, de saber, de perder miedos. Es nuestra oportunidad de conocer más sobre el tema donación de órganos e informarnos al respecto.

“Mba hanomezana fitiavana”, izany no anton'ny fanapaha-kevitry Sandra izay nohazavainy tamin'ny mpitsara, raha nanontany ny antony hanomezany taova “voa” ho an'ny zanany vavy amin'ny batisa Sonsoles izy. Tsy misy zavatra maro ambara manohitra izany fehezanteny feno fitiavana izany. Mahatonga antsika handinika lalina, hianatra, sy handrava ny tahotra izany fihetsika lehibe, mampietam-po sy be fiantrana izany. Fotoana iray hanatsoahana lesona betsaka sy hahafantarana momba ny fanomezana taova.

Tao amin'ny tranokalany, INCUCAI namoaka antontan'isan'ireo marary miandry fanomezana taova ny ao amin'ny sampan-draharahan'ny governemanta izay mandamina sy manaramaso ny fanomezana taova, hoditra, ny sela ary ny famindrana taova (transplantation). Ity manaraka ity ny antontan'isa nivoaka  [es] tamin'ny fotoana nandikàna ity lahatsoratra ity:

Statistika tamin'ny 9:49 maraina marary 7153 no miandry fanomezana taova
910 Famindrana taova 2012
398 mpanome taova 2012
Mpanome taova  9.6 isaky ny mponina an-tapitrasany 2012

Tao amin'ny bilaoginy [es] ny mpanao gazety Alfredo Leuco [es] nanoratra momba an'i Sandra Mihanovich ary nanoro hevitra ny tokony hizarana ny vaovao momba ny fanomezana taova nataony ny tsirairay: 

Los periodistas, los docentes, los religiosos, los políticos, los artistas, los deportistas y todos los que tenemos un micrófono, una tribuna o un púlpito desde donde difundir informaciones y pensamientos tenemos la responsabilidad social, la obligación moral de incitar a la esperanza, de fomentar la donación, de multiplicar la solidaridad de hacer una propaganda constante de los valores que nos hermanen mas y nos hagan mejores personas y mejores argentinos. No hay otra.

Manana andraikitra ara-tsosialy, ara-moraly ny mpanao gazety, mpampianatra, mpitondra fivavahana, mpanao politika, mpanakanto, mpanao fanatanjahatena sy ireo rehetra manana microphone, sehatra sy polipitra hizarana vaovao sy hevitra mba hanentanana amin'ny fanomezana taova, sy hanatsarana ny firaisankina, ary hanamafy mandrakariva ny soatoavina mampifanakaiky antsika bebe kokoa sy hahatonga antsika ho olona mahafinaritra indrindra sy Arzantiniana mahafinaritra indrindra.

Tamin'ny 30 May, taorian'ny Andron'ny Fanomezana Taova sy Rà, nandefa fanentanana an-tserasera [es] ny INCUCAI tamin'ny fampiasana tenifototra  #SoyDonante [es] (“Mpanome taova aho”) tao amin'ny Twitter. Nalefa tao amin'ny YouTube ihany koa ny lahatsary ahitana teny filamatra hoe “Mpanome taova aho ary ambarako amin'izao tontolo izao izany”:

Fanampin'zany, nanambara ny tranokalan’ ny INCUCAI [es] fa hampiantrano ny Lalao Iraisam-pirenena Momba ny Famindrana Taova izay hotontosaina amin'ny taona 2015.

Tras superar las postulaciones de países competidores como Japón y Alemania, la candidatura de nuestro país fue avalada por la World Transplant Games Federation (WTGF) en su reunión desarrollada en Durban, Sudáfrica, lo que constituye un fuerte aval a la política argentina de procuración y trasplante de órganos, ya que Argentina será el primer país de Latinoamérica en el que se realizará esta actividad.

Taorian'ny nahazoany ny tolo-bidy ambony nifaninanany tamin'ireo firenena hafa tahaka an'i Japana sy Alemaina, nankatòavin'ny Federasion'ny Lalao Irasaim-pirenena Amin'ny Famidrana Taova (WTGF)  ny firotsahan'ny firenentsika  nandritra ny fivoriana tao Durban, Afrika Atsimo. Fanohanana goavana ny politikan'i Arzantina momba ny famindrana taova izany, indrindra fa i Arzantina no firenena Amerikana Latina voalohany handray ity hetsika ity.

Nalefa tao amin'ny tranokalan'ilay mpihira ny vaovao feno [es] momba ny fanomezana taovana nataon'i Sandra. Ahitana lahatsary izany, tahaka ny iray amin'ny hirany “Honrar la vida” (“Manaja ny fiainana”). Hoy ny vaovao namintina izany:

Sandra esta vez no cantó, sino que, con su ejemplo vivo nos habló de DAR AMOR y de HONRAR LA VIDA con mayúsculas y a viva voz.

Tsy nihira i Sandra tamin'ity fotoana ity, saingy tamin'ny traikefa ohatra tsara nataony, niresaka momba ny FANOLORANA FITIAVANA  sy FANAJANA FIAINANA izy tamin'ny fampiasana sora-baventy sy feo maneno be.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.