Poertô Rikô: Resadresaka Iray Niarahana Tamin'ilay Mpikambana Ao Anatin'ny Tarika Calle 13, i “Residente” René Pérez

Sarotra ny mieritreritra fa misy olona miloka amin'ny fahalavorarian'ny Calle 13 tamin'ny 2005, raha nikarakara ny famoahana ny rakikirany voalohany indrindra ilay tarika avy any Poerto Rikô, izay nampitondrainy ny anarany. Tamin'izany fotoana izany, mbola tena nalaza be ny reggae – ary tany ivelan’- ny nosy, ary i René Pérez Joglar (“Residente” – mpihira sy mpamorona tononkira ho an'io tarika io) sy Eduardo Cabra Martínez (“Visitante” – lehiben'ny tarika ary atidohan'ny feon-kira) , raha jerena indray mipi-maso, dia tarik'olona roa miezaka ny manatanteraka izany fotsiny. Na izany aza anefa, ny fanafangaroan'izy ireo ny hip-hop, ny elektronika, Hiran'izao tontolo izao, sy ny reggae, raha ny marina dia nahaliana noho ny zavatra hafa rehetra  izay nisintona ny sain'ny media – mamboraka zavatra bebe kokoa aza raha oharina amin'ireo rafitry ny radio ao an-toerana.

Ary raha nisafidy ny hifantoka amin'ny fironana mahabe resaka ananan'ny tarika ny ankamaroan'ny fanaovan-gazety mpampiala voly – izay tsy vonona na tsy manana finiavana hiatrika ny tononkira mifono resaka politikan'ny Calle 13 sy ireo fanambarana ampahibemasony – nanohy nitrandraka ny hirany i René sy Eduardo: mampiakatra ny vola miditra aminy isaky ny famoahana vaovao, iarahany miasa amin'ireo mpiangaly hira fanta-daza tahaka ny Café Tacuba sy Gustavo Santaolalla – ankoatra ireo maro hafa – ary mifaninana amin'i Amerika Latina ao anatin'izany dingana izany. “Vanona sy tsara ny tetikasanay. Manana tononkira, feon-kira, seho an-tsehatra tsara izahay,” io no teny tsotra nataon'i René tamiko, roa andro talohan'ny naha-loha-laharana azy tamin'ny Vovonan'ny Mozika Alternative Latino tany New York. Niombon-kevitra tanteraka taminy ireo olona mihoatra ny enina arivo izay nanatrika ny Prospect Park-n'ny Brooklyn ho an'ny Calle 13.

Notanterahana nandritra ny roa ora ny resadresakay ny 3 Jolay tany amin'ny tranon'i Residente any San Juan, Poertô Rikô. Mampiadana, mbola malalaka, ary sary hosodoko maro loko avy amin'ireo mpanakanto ao an-toerana no mandravaka ny rindriny – mazava ho azy fa mandany betsaka ny androny ivelan'ny tranony i René, nandray anjara tanatinà seho an-tsehatra maherin'ny zato tamin'ny 2001. Nipetraka niaraka amin'ny labiera izahay hitafa momba ny fiakaran-tsehatry ny mpihira mahaleotenan'i Poertô Rikô, ny Twitter, sy ny firotsahany amin'ny Movimiento Revolucionario Calle 13 na raha afohezina dia MRC13 – hetsi-panovàna niainga avy amin'ny tononkiran'ny tarika. Ity manaraka ity no endriky ny tafatafa tamin'io resadresaka io, novokarina ho an’ny Archipiélago, ilay andiam-pandaharana momba ny mozika Indie ao Puerto Rico ety anaty aterineto  [es]

NOTE: Raha btsy mamoaka ny dikanteny amin'ny teny Anglisy ny lahatsary dia tsindrio aloha ny PLAY ary avy eo jereo ny  bokotra CC (fanazavana)  eo ambaniny. Potsiro ny bokotra CC  mba hahafahana mandefa na manakana ilay amin'ny teny Anglisy.

*Sary famantarana nalaina avy ao amin'ny Flickr avy amin'ny steram an'i Oscalito ary naverina navoaka teo ambany ny CC License BY-2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.