Koety: Ny Vahoaka No Mahalala Kokoa

Naneho ny esoesony momba ny fomba amam-panao taloha be amin’ny fanomezana fahefana feno ho an’ny zokiolona, na ny  Shaikh [Sheikh] ny mpiserasera  Koesiana. Ho famakiana izany fomba amam-panao izany, nisioka tamin’ny alalan’ny tenifototra #الشعب_أبخص‏ [ar], midika hoe “Ny Vahoaka No Mahalala Kokoa” izy ireo.

Mpanolotra fandaharana amin’ny televiziona Koesiana iray , Ali Al Sanad nanoratra hoe:

عبارة “الشيوخ أبخص” تعبر عن ثقافة مريضة تعبر عن التبعية والرعوية التي لاتعترف بالمواطنة الكاملة، لذلك جاء الوقت لكي نستبدلها بـ ‎‫#الشعب_أبخص‬‏

@al_snd: Mampiseho kolontsaina marary ny filazana fa “Ny Shaikhs no mahafantatra tsara kokoa”, izay manana mpanaraka sy manana toe-tsaina manao rebik'ondry. Tsy manaiky ny maha-olom-pirenena feno izany. Efa tonga ny fotoana tokony hanoloana izany hoe “Ny vahoaka no mahalala kokoa”

Tariq Al Mutari namaly hoe:

نعم الشيوخ أبخص في بيتوهم وحلالهم وهذا حقهم وفيه منطق ، لكن الشيوخ أبخص بحلال الشعب وأمواله وحياته ومستقبله بأي عقل ومنطق؟! #الشعب_أبخص

@al_tariq2009: Eny. Mahafantatra tsara kokoa ny ao an-tranony manokana sy ny volany manokana ny Shaikhs, ary zon’izy ireo tanteraka izany no sady lojika. Saingy inona ny antony lojika amin'ny hoe Shaikhs no mahafantatra tsara kokoa amin’ny fomba fitantanana ny vola, ny fiainana sy ny hoavin'ny vahoaka?!

Omar Alessa nanampy hoe:

عطيناكم خمسين سنة لقيادة الدولة وانتم من فشل لآخر ومن سيء لأسوأ.. وفوق هذا نقضتوا المواثيق.. عطونا فرصة نقود الدولة لأن #الشعب_أبخص

@omar_alessa: Nomenay 50 taona ianao nitondrana ny firenena fa  tsy nahomby avokoa ireo nifandimby notohananao, ka ny ratsy lasa ratsiratsy kokoa. Taorian'izany rehetra izany, tsy nahatanteraka ny teny fampanantenanao koa ianao. Omeo anay indray ny fitantanana ny firenena satria ny vahoaka no mahalala kokoa

Nandritra izany, Talal Al Harbi nanazava hoe:

إلى غير رجعة ياحقبة العصور المُظلمة .. ! فلقد تحررت العقول وتصدر الأمة شباب يريدون أن يسطروا التاريخ بطريقتهم وأسلوبهم وفكرهم ف ‎‫#الشعب_أبخص‬‏

@Talal_M_1984: Efa lasa ary tsy hiverina intsony ny taonan’ny maizina… Efa afaka ankehitriny ny saina amam-panahy ka ny tanora izay te-hanoratra tantara vaovao dia te-hitondra ity firenena ity amin’ny fombany sy ny heviny satria ny vahoaka no mahalala kokoa

Saingy nizara fanehoan-kevitra hafa i Barjas Albarjas. Hoy izy:

يعتقد الكثير أن ‎‫#الشعب_أبخص‬‏ هم حل نموذجي،محد عامل حسابه أن الشعب هو أنا وأنت وموظفو الخطوط والجوازات والاحوال والصحة وكل من تعّبنا وبهذلنا

@Barjasbh: Maro ireo mino fa vahaolana modely ny “vahoaka no mahalala kokoa” saingy tsy misy mijery  fa izaho sy ianao izany vahoaka izany ary koa ny mpiasa amin’ny fitaterana an-habakabaka sy ireo izay  miasa amin’ny fifindra-monina, ny biraon’ny famantarana ny toetr’andro sy ny minisiteran’ny fahasalamana – izany hoe raha fotorina ireo izay manahirana sy manala baraka antsika.

Nofehezin’i Khalid Al Rajhi hoe:

#الشعب_أبخص‬‏ لأنه فعلاً ابخص !!!

@khalid_alrajhi: Ny vahoaka no mahalala kokoa satria tena mahalala kokoa izy ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.