Libya: Lanonana Fifamindram-Pahefana Nakorontan'ny Resaka Hijab

Nisy olana nanamaloka ny lanonam-pamindram-pahefana teo amin'ny Filankevi-Pirenena Tetezamita Libyana sy ny mpikambana 200 vao voafidy ao amin'ny Kongresim-Pirenena ankapobe: Ny mpiandraikitra ny arofenitra tamin'io fotoana io dia vehivavy mpanolo-baovao tsy manao voaly Sarah Elmesallati, izay nodidiana handao ny sehatra rehefa nivoaka tao amin'ny lanonana ny mpikambana parlemantera Islamista iray ho tsy fankasitrahana ny nanokafany ity lanonana manan-tantara ity. Niditra tao amin'ny Facebook ny mpiserasera handraketany ny fanohanany na ny fanoherany.

Araka ny tatitra maro, nanangam-peo tamin'ny fomba nanoloran'i Elmesallati ny fotoana ny mpikambana parlemantera Islamista Salah Baadi avy any Mistrata ary nitabataba taminy hisaron-[doha]. Nivoaka tao amin'ny fanaovan-dalonana izy avy eo ho mariky ny fanoherana. Avy eo, niteny azy hanjanonany ny fanolorana ny lefitry ny Filohan'ny Filakevi-Pirenena Tetezamita, Mustafa Abduljalil, iray saingy nolàviny izany. Rehefa nandà izy dia i Abduljalil tenany no nanome marika azy hijanonany, ka notanterahiny izany. Nosoloina mpanolotra lehilahy izy.

Screen shot of the We are all Sarah Elmesallati Facebook page

Pikantsarin'ny takelaka Facebook Sarah Elmesallati avokoa isika rehetra

Ho setriny, nitsangana ny takelaka Facebook Sarah Elmesallati avokoa isika rehetra. Nampiasaina hiadian-kevitra momba ny satan'ny vehivavy taorian'ny vanim-potoana Gaddafi ao Libya sy sehatra fanompana na fanohanana ilay tanora vehivavy ny takelaka.

Nivezivezy tao amin'ny Facebook ihany koa ity sary ity:

An image showing Abduljalil shaking hands with an unveiled Hilary Clinton

Sarin'i Abduljalil mifandray tanana amin'ilay tsy misarona Hilary Clinton

Mampiseho ny sarin'i Elmesallati sy ny sarin'i Abduljalil mifandray tanana amin'ny sekreteram-panjakana amerikana Hilary Clinton izany. Izao no fivakiny [ar]:

Navoaka ny lanonana ny mpanolotra Sarah Elmesallati satria vehivavy tsy nanao Hijab sady Libyana. Niteny i Abduljalil: “Fiaraha-monina miozolomana mpandala ny nentin-drazana isika ary vahoaka manandratra ny fampianarana ara-pivavahana ary manana ny riba sy ny fomba[ntsika]. Vehivavy tsy nitafy Hijab i Hilary Clinton sady ilay antsonareo hoe tsy mpino.Raha nanontsana ny tanany ianao, niteny ve ianao fa voarara ho an'ny lehilahy ny mifandray tanana amina vehivavy? Fampianaran'ny fivavahana ve izany? sa fomba amerikana?

Efa nihoatra ny in-250 ny nifampizarana ny sary, ary efa nahazo fanehoan-kevitra 730 eo amin'ny rindrina Facebook Sarah Elmesallati Avokoa Isika Rehetra hatramin'izao.

Ao amin'ny Libya Blog, i Ahmed Al Bukhari, no manoratra [ar]:

ورغم صدمتي من هذا الموقف الذي لم أتخيل حدوثه، ورغم ردة الفعل الحادة التي قام بها النشطاء ، ومنها إنشاء هذه الصفحة لدعم سارة ( كلنا سارة المسلاتي ) إلا أنني لا أحمل لا مصطفى عبد الجليل ولا أعضاء المؤتمر الخطأ ، بل لابدّ أن نتعرف أن المشكلة تكمن في المجتمع ككل ، وأنه لو كان المجتمع لا يسمح بهذا النوع من الإضطهاد ، لما تجرأ أحد على فعل هذه الفعلة

Na dia tohina tamin'ny zava-nitranga aza aho satria tsy nanantena vehively ny isian'ny toe-javatra tahaka izany, ary na dia eo aza ny setriny maherihery avy amin'ny mpikatroka, ka nisy tamin'izy ireo no nanangana takelaka Facebook Sarah Elmasallati Avokao Isika Rehetra, tsy mitazona an'i Mustafa Abduljalil sy ny Filakevi-Pirenena Tetezamita ho tompon'andraikitra tamin'izay nitranga aho. Tsy maintsy ekentsika fa amin'ny fiaraha-monina mihitsy ny olana, ary raha tsy namela hisian'ny fanavakavahana tahaka izao ny fiaraha-monina dia tsy nisy nahasahy hahavita fihetsika tahaka izao.

Mandritra izany fotoana izany, Libya Now, ao amin'ny Facebook ihany koa, manoratra taratasy misokatra ho an'i Elmesallati, taorian'ny niarovany ny tenany nandritra ny tafatafa iray. Ao amin'ny andininy iray misy milaza:

انا شخصيا لم اتكلم كثيرا في موضوع سارة المسلاتي من قبل وكنت أقول “كان يجب ان يتم نصحها بطريقة اخرى”, لكن بعد ان شاهدت هذا الفيديو تغيرت وجهت نظري تماما.في هذا الفيديو تقول المتملقة سارة المسلاتي أنها تعرف ان الحجاب شيئ فرضه الله, وقالت ايضا”هدا بيني وبين ربي” وقالت ايضا انه الله أمر العبد بغض بصره ولم يأمره بأن ينصح المرأة ويقوللها البسي حجاب..
Tsy niresaka betsaka momba ny raharaha Sarah Elmesallati aho teo aloha ary namerimberina hoe “Tokony tamin'ny fomba hafa no nitenenana azy.” Saingy, ny nijerena ny tafatafany tamin'ity lahatsary ity no nanova tanteraka ny saiko. Tao amin'io lahatsary io, niteny ilay beloha Sarah Elmesallati fa baikon'i Allah ny Hijab ary nolazainy ihany koa “Zavatra eo amiko sy Andriamanitra io.” Niteny koa izy fa nibaiko ny mpino hiondri-pijery i Allah fa tsy nibaiko azy hanolo-kevitra ny vehivavy sy hiangavy azy ireo hisalotra ny hijab.

Nitohy ny soratra:

وقالت ايضا اننا نحن دولة دينية متوسطة, وانا شخصيا وضعت خطين تحن كلمة متوسطه, لا يا سارة نحن دولة مسلمة وبنسبة 100٪ وتعبيراتك التي قلتيها على هذه القناة يجب ان تراجعيها وتعيها جيدا قبل ان تقوليها.

Nolazain-dravehivavy fa firenena mahalefitra [modéré] ara-pivavahana isika ary notsipihako in-droa mihitsy eo ambanin'ny voambolana hoe mahalefitra [modéré]. Tsia ry Sarah! Firenena 100 isan-jato Miozolomana isika ary tokony hojerenao indray mandeha sy fantarinao tsara izay teneninao, izay nampitaonao tamin'io fantsona io, mialoha ny hanonontononana azy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.