Malezia: Nampanantena Ny Hijery Ny Lalàna Momba Ny Sivana Amin'ny Tranonkala Ny Governemanta Taorian'ny Fanoherana

Navaozina ny 18/8/2012Miaro ny tovana  natao tami'ny andininy 114A amin'ny Lalàna momba ny Porofo ny Kabinetra.

Tamin'ny 14 Aogositra 2012, Maleziana an'arivony no nandray anjara tamin'ny fanoherana tety anaty aterineto ilay Andinin-dalàna 114A navoaka vao haingana, fanitsiana iray ho an'ilay lalàna izay heverin'ny maro fa fanohintohinana ny fahalalahan'ny aterineto.

Bilaogy noforonina manokana ho an'io resaka io no nampiseho amin'ny antsipirihany ny mety ho  fiantraikan'io lalàna io amin'ny Maleziana :

Amin'ny lohateny hoe :  “Presumption of Fact in Publication na Fanahiana amin'ny Tranga anaty Famoahana”, ny Andininy 114A dia mitana ireto olona manaraka ireto ho tompon'andraikitra  amin'ny famoahana votoaty ety anaty aterineto :

(1) ireo izay manana, mitantana, na mamokatra tranonkala misokatra ho an'ny rehetra, tahaka ny fanehoan-kevitra anaty aterineto na bilaogy ;

(2) ireo izay mampiantrano tolotrasa ho an'ny mpikirakira tranonkala na fidirana amin'ny aterineto ; ary

(3) ireo izay manana solosaina na finday ka mampiasa izany hanaparitahana votoaty ety anaty aterineto.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, raha hita taratra ao ambadiky ny honohono fanalam-baraka ny anaranao, ny fitaovana elektronika, sy/na ny tambazotra Wifi, ny Andininy 114A dia miampanga anao ho nanaparitaka votoaty tsy ara-dalàna tamin'ny aterineto.

Fa ahoana raha niharan'ny halatra anarana (identité) ianao ka ny mpijirika no mampiasa ny anaranao amin'ny Twitter na Facebook hanaparitahana votoaty fanalam-baraka?

Amin'ny Tovana 114A, heverina ho diso foana ianao mandra-panaporofo fa tsy manan-tsiny.

Ilay fanentanana dia mikatsaka ny hampidiran'ireo mpanao bilaogy to teny sy ireo tranonkalam-baovao fanairana iray any amin'ny tranonkalan'izy ireo avy, ny 14 Aogositra,  mba hampahafantarana ny mpamaky azy ireo mikasika ny 114A, mba hipariahan'ny fahafantarana azy io amin'ny Maleziana maro araka izay azo atao mba hanoherana ny famoahana io lalàna io.

Shannon Chow, bilaogera momba ny fomba fiaina any Malezia dia nanohana io fanentanana io :

Tohanako ny STOP 114A na AJANONY NY 114A. Tokony ho vovonana mahaleotena ny aterineto, na izany aza, tsy hoe mamporisika ny mpijirika fotsny na ny mpanao hosoka ho afa-maina amin'ny fampiasana anaran'olon-kafa amin'ny tambajotra sosialy na fitaovana  ary hatramin'ny wifi ihany ny andininy 114A, fa ny olona tsy manan-tsiny no ho voampanga mandra-pahafantatra ny marina. Tsy rariny izany !

Ilay fanoherana rodo-be ety anaty aterineto dia nanosika ny Praiminisitra, izay tsy dia maneho hevitra loatra momba ny raharaham-pirenena, hibitsika momba io resaka io :

Nangataka ny ao amin'ny Kabinetra aho mba handinika ny Andininy 114A amin'ny Lalàna momba ny Porofo tamin'ny 1950. Na inona na inona ataontsika tsy amintsy ataontsika lohalaharana ny vahoaka.

Ity ambany ity dia lahatsary avy amin'ny Foibe  ho an'ny Fanaovan-gazety Mahaleotena manazava ny loza ateraky ny tovana 114A amin'ny lalàna

Malaysiakini dia nitatitra  fa ny #Stop114A  dia nanjary resa-be eran-tany ao amin'ny Twitter. Izao manaraka izao ny sasany amin'ny Bitsika momba io olana io :

@magskl75: @NajibRazak  raha milaza ianareo fa  ” Na inona na inona ataontsika dia tsy maintsy ataontsika lohalaharana ny vahoaka” dia tokony natao talohan'ny nivoahan'ny tovana ny  adihevitra.

@FaktaBukanAuta: Raha hakaton'ny governemantanareo ny aterineto, aza taitra fa azerao ny governemantanareo.

@davidlian:Raha Maleziana ianao, ety anaty aterineto sady tia mampiasa Facebook/Twitter ets. Tokony hamaky ity sy hanoratra amin'ny Solombavam-bahoakanao ianao. http://ow.ly/cWRCL

@zulhilmisalleh: Ny fidirana malalaka amin'ny pejin'ny wifi rehetra dia hanana fepetra fanampiny izay manilika andraikitra. Saingy mety tsy fantatsika izany.

@JustinTWJ: @netraKL Faly aho mandray anjara amin'ity fampielezan-kevitra ity! #stop114A. Natory adiny 3 halina avy eo any an-tsekoly. Ao tsara ankehitriny.

Nisy  pejinà Facebook  iray koa nosokafana  ho an'io olana io, izay amin'izao fotoana hanoratanay izao dia efa nahangona fankafizana miisa 47.000. isarika ny sain'izao tontolo izao koa izy ity miaraka amin'ny tatitr'ireo tambajotram-baovao eran-tany toy ny BBC sy ny Forbes. Ny bilaogy Stop 114A ihany koa dia manana ny lisitry ny fototry  ny olana, toy ny fandrakofan'ny  haino aman-jery sy  ny vaovao momba ny lalàna, ao anatin'izany ny tetiandro nandaniana ilay lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.