Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché

Tato anatin'ny sivy taona farany, fianakaviana enimpolo avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny zanatany Aché ao Kuetuvy no niady mitaky ny tany navelan'ny razany any avaratra atsinanan'i Paragoay. Eo amin'ny  4600 hektara amin'io faritra io , antsoina hoe  “Finca 470″ no efa naverin'ny governemanta Paragoaiana amin'ity vondrom-piarahamonina ity nony farany, tamin'ny 26 Jolay 2012.

Tena manana ny lanjany manokana ireo tany ireo satria tafiditra ao anatin'ny faritra voaaro ao amin'ny  Mbaracayú Biosphere Reserve, araka ny nambaran'ny UNESCO. Mitahiry fifangaroan-javamiaina marobe sy manan-karena ireo tany ireo, tafiditra amin'izany ireo karazana zavamaniry maro fanao fanafody, izay zavatra ho arovan'ireo olon'ny Aché fatratra satria tafiditra ao anatin'ny fifanarahana nataon-dry zareo tamin'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana.

Aché mankalaza ny fanolorana azy ireo ny taratasy maha-azy ny tany. Sary natolotry ny Aché djawu.

Ity volana ity dia raisina ho toy ny fitaran'ny fankalazana ny nanolorana an-tànana an'ireo Aché ny taratasy fananan-tany. Margarita Mbywangi, bilaogera iray avy amin'ny tetikasa Aché djawu tohanan'ny Rising Voices, dia nanoratra momba ity fahatsapana fireharehana nony farany noho ny  nahatanterahan-dry zareo ny tanjony ity [es] :

Fue una lucha muy sufrida, hemos recibido mucha discriminación institucional, pero el pueblo Aché pudo sostener esta lucha hasta el final.

Ady tena mafy iny, ary na dia mhazo fanavakavahana ara-drafitra maro aza izahay, afaka nitondra ity tolona ity hatramin'ny farany ny vahoaka Aché.

Na izany aza, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin’  ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity. Maro amin'ireo vondrona tantsaha no nanomboka nanangana tanàna kely tamin'ny fanantenany fa ho azony io tany io, hatramin'ny firotsahana tamin'ny fanapahana àla tsy ara-dalàna. Ho an'ireo Aché nanandrana nanakana ireny fihetsika ireny, hatramin'ireo mpanao gazety nitsofoka hitatitra ny tantara, nandefa fandrahonana ho faty ho azy ireo ireto vondrona tantsaha ireto  [es]

Ricardo Mbekrorongi, izay isan'ny ao anatin'ny tetikasa Aché djawu ihany koa, no manavo ny kaonty Twitter-n'ilay vondrom-piarahamonina (@AcheKuetuvy) [es] amin'ny alàlan'ny SMS tsindraindray momba ny fivoaran'ny raharaha. Ny 5 Aogositra 2012, nibitsika izy hoe :

@AcheKuetuvy: Los Ache de kuetuvy preocupado por la invacion de los campesinos, donde ya fue transferido a los ache

@AcheKuetuvy: Ny Aché (vondrom-piarahamonina) avy ao Kuetuvy dia manahy mikasika ny fibodoan'ireo tantsaha  ny tany izay efa nafindra/natolotra ny Aché

Ao amin'ny bilaogin'ilay vondrona, Mbekrorongi koa dia nampakatra saripika avy amin'ny fitsidihana iray nataon'ireo mpanao gazety [es] izay nandeha nanadihady ity fanapahana tsy ara-dalàna ity.

Mpanao gazety mitsidika ireo hetsika fanapahana tsy ara-dalàna. Sary an'i  Ricardo Mbekrorongi

Ary tena vao haingana mihitsy, nahazo antso fandrahonana tamin'ny telefaonina ny mpitarika ilay vondrom-piarahamonina nilaza fa raha misy tanora mpihaza avy amin'ny Aché midikiditra any anatin'ireo tany ireo dia mety ho faty any. Ny zanany lahy, Mbekrorongi no voalohany niampanga imasom-bahoaka ity fandrahonana ity tao amin'ny bilaogin'ny vondrona :

Ayer a la 19:30 hora de la tarde en un descanso en su casa nuestra lider Margarita Mbywangi recibe amenaza de muerte en su celular, donde el sujeto se identifica que es campesino, en su llamado dice a nuestra lider Margarita que si los jovenes van de caceria cerca de ellos lo van matar. Margarita se lamenta ante esta llamado, y mientras tanto nuestras autoridades no hacen nada.

Omaly (15 Aogositra) tamin'ny 7:30 hariva, raha iny niala sasatra tao an-tranony iny ny mpitarika antsika, Margarita Mbywangi, dia naharay fandrahonana ho faty tamin'ny findainy avy aminà lehilahy iray, izay milaza n y tenany ho tantsaha. Hoy izy mantsy ny mpitarika antsika hoe raha mandeha mihaza manakaiky ny misy azy ireo ny tanorantsika, dia mety ho fatiny. Malahelo noho io antso io i Margarita raha tsy manao na inona na inona kosa ny manampahefana eto amintsika.

Mpikambana avy aminà vondrom-piarahamonina Aché enina manerana an'i Paragoay no tonga haneho firaisankina nitaky tamin'ny manampahefana ao amin'ny governemanta mba hanamafy ny fanesorana ireto andianà tantsaha ireto amin'ny tany izay efa an'ny vahoaka Aché araka ny lalàna. Manantena ny ho afaka hanohy ny fankalazany ry zareo, izay efa voaomana hatao ho fankalazàna ilay fanolorana manan-tantara ny taratasy fananan-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.