Manome Fialokalofana An'i Julian Assange Mpanorina Ny WikiLeaks i Ekoatera

Taorian'ny fiandrasana ela, nanambara i Ekoatera fa hanome fialofana ara-politika an'i Julian Assange mpanorina ny WikiLeaks. Ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Ekoateriana, Ricardo Patiño, no nanao ilay fanambarana tamin'ny 7 ora maraina, ora ao Ekoatera, 1 ora tolakandro any Londona, tamin'ny 16 Aogositra 2012. Araka ny hazavain'ny  Justice for Assange (Ny Rariny Ho An'i Assange):

Eo ambany fiarovan'ny masoivohon'i Ekoatera i Assange amin'izao fotoana. Nangataka fialofana izy, mifototra amin'ny tahony marim-pototra momba ny fanenjehana, fampijaliana na fahafatesana any Etazonia mifandray amin'ny  famoahana ho fanta-bahoaka ireo vaovao marina mahakasika ny fiainan'ny daholobe tamin'ny alàlan'ny asany niarahany tamin'ny WikiLeaks.

James Albury (@alburyj), olon-tsotra mpampahalala vaovao, dia nanao fampitàna mivantana avy eo ivelan'ny Masoivohon'i Ekoatera ao Londona.

Ny kaonty Twitter Justice for Assange (@swedenvsassange) nanoratra hoe :

@swedenvsassange: Nandray fanapahan-kevitra ny firenena Ameriana Latina iray ahitàna mponina 13 tapitrisa fa hiaro ny zon'ny olona manerana izao tontolo izao hahafantatra. #assange.

Press stand opposite the Ecuadoran Embassy in London on August 16, 2012. Photo by See Li, copyright Demotix

Mpanao gaety miandry eo anoloan'ny Masoivohon'i Ekoatera ao Londona tamin'ny 16 Aogositra.  Sary an'i See Li, fizakà-manana Demotix

Avy hatrany dia naneho hevitra momba ilay fanambaràna ny Birao Britanika misahana ny Raharaham-Bahiny sy ny Tany mampiasa na miteny Anglisy “Commonwealth” (@foreignoffice) :

@foreignoffice: Tohina izahay amin'ny fanambaràna nataon'ny Ministry ny Raharaham-Bahiny Ekoateriana hoe hanome fialofana politika ho an'i Julian#Assange i #Ecuador.

@foreignoffice: Araka ny lalàna eto aminay, rehefa tapitra ny làlana rehetra azon'Ing Assange hanaovany fampakàrana ny didy, dia teren'ny lalàna ny manampahefana eto Angletera hamerina azy ho any Soeda

@foreignoffice: Hotanterahanay izany andraikitra izany. Tsy hanova an'izany ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemanta Ekaoteriana tamin'ity tolakandro ity. #Assange

@foreignoffice: Vonona hifampiraharaha hitady vahaolana hahafahanay manatanteraka izay famerenana azy araka ny Lalàna Fandroahana izay izahay.#Assange

Ho valin'ireny bitsika ireny, WikiLeaks (@wikileaks) nanoratra hoe :

@wikileaks: Resaka fotsiny izany raha ny marina. Voaterin'ny lalàna hanaiky ilay fialokalofana, ny zon'ireo mpitsoa-ponenana ary ireo fifanekena hafa nataony tamin'ny Firenena Mikambana i Angletera.

Ireo mpikirakira aterineto avy ao Ekoatera sy ny rehetra avy amin'izao tontolo izao dia samy niresaka ilay olana avokoa hatramin'ny omaly, 15 Aogositra, rehefa naharay taratasy iray avy amin'i Angletera i Ekoatera. Patiño nilaza tamin'ny Alarobia, araka ny tatitry ny BBC: “Androany izahay dia naharay fandrahonana mivantana avy amin'i Angletera, voasoratra an-taratasy, fa mety hanafika ny masoivohonay ao Londona ry zareo raha tsy atolotray i Julian Assange.” WikiLeaks dia namoaka  fanambaràna iray momba io fandrahonana io, manipika fa :

Izay mety ho fanitsakitsahana ny maha-masina ny tany misy ny masoivoho dia fihetsika mahamenatra sy tsy nifanarahana, ary ny fanitsakitsahana ny fifanarahan'i Vienne, izay miaro ny masoivoho rehetra eran'izao tontolo izao.

Taorian'ny nipoahan'ny vaovao momba io taratasy io, Jacob Appelbaum (@ioerror) dia niantso ny vahoakan'i Londona hanohana an'i Assange.:

@ioerror: Eto Londona ve ianao? Mandehana mamonjy ny masoivoho Ekoateriana hanohana an'i Julian Assange,#wikileaks ary ny zon'ireo mpangataka fialokalofana na aiza na aiza!

Mandritra izany, Josh Shahryar (@JShahryar), mpiaro zon'olombelona sady mpanoratra sy mpandalina ny politika iraisam-pirenena dia nibitsika hoe :

@JShahryar: Tsy matimaty amin'i Julian #Assange , saingy ny fandrahonan'ny Britanika hanafika ny masoivoho Ekoateriana ao Londona dia zava-mahamenatra sy maharikoriko tsy hay lazaina.

A policeman asks the man to move further away from the Ecuadoran Embassy on August 16, 2012. Photo by See Li, copyright Demotix

Polisy iray mangataka an'ilay ranamana mba hiala lavitry ny Masoivoho Ekoateriana, ny 16 Aogositra 2012. Sary an'i See Li, fizakà-manana Demotix,

Taorian'ny nanambaràn'i Ekoatera fa mety hanome fialokalofana ho an'i Assange izy, @robertito1991 [es], mpampiasa Twitter avy Guayaquil, Ekoatera, nanoratra hoe :

@robertito1991: Ecuador es el país mas famoso del mundo x darle una cucharada de su propia medicina a USA y a UK #AsiloAssange @LegionJJ @anonopshispano

@robertito1991 [es]: Ekoatera  no ilay firenena malaza eto ambonin'ny tany tamin'ny fanomezana an'i Etazonia sy Angletera ny sasany amin'ireo fanafodiny #AsiloAssange @LegionJJ @anonopshispano

Saingy tsy ny Ekoateriana rehetra no faly tamin'ilay vaovao, ka ny sasany nampahatsiahy ny fifandraisana mafampàna  eo amin'ny mpampahalala vaovao sy ny Filoha Rafael Correa, toa an'i @GiannyMoc [es] sy Fer Cascante (@FerCascante) [es] :

@FerCascante: Por Dios en que pais vivimos dan #AsiloAssange y no se respeta la libertad de prensa, que contradiccion!

@FerCascante [es]: Andriamanitra o! fa firenena inona re ity iainantsika ity e? Manome fialokalofana ry zareo ho an'i Assange #AsiloAssange  fa tsy hajain-dry zareo kosa ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, fifanoheran-javatra re izany!

Ny hafa, toa an'i Elías Suárez (@Slashzer) [es], dia velom-panahiana :

@Slashzer: Algo quiere Correa que Assange tiene, no lo duden.

@Slashzer [es]: Mitady izay zavatra fantatr'i Assange i Correa, tsy isalasalàna ny amin'izay.

Nefa ny hafa mankalaza sy miarahaba ny governemanta Ekoateriana, toa an'i  David Jimenez Abad (@DavidJimenezA93) [es], avy ao Cuenca, Ekoatera :

@DavidJimenezA93: Bien por Ecuador al otorgar #AsiloAssange y no ceder a presiones internacionales

@DavidJimenezA93 [es]: Tsara ny nanomezan'i Ekoatera filaokalofana an'ì Assange #AsiloAssange sy tsy nileferany tamin'ny tsindry iraisam-pirenena.

Araka izay nanipihan'ilay mpikaroka momba ny fandriampahalemana azy, Dillan Beresford (@d1n), dia tsy mbola tapitra akory ny tantara :

@d1n: Tsy mbola tapitra izy ity. Fialokalofana politika *tokony* saingy tsy hiantoka fikisahana ieren-doza  ho an'i Julian Assange ho any Ekoatera.

Vao haingana, nitatitra ny fandrakofam-baovao nataon'ny The Guardian fa hoe “nampiantso ny masoivohon'i Ekoatera ao Stockholm i Soeda, nilazany fa zavatra “tsy azo ekena” ny fanomezana fialokalofana politika ho an'i Assange.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.